Al-Qasas · 36/88
Fandikana Fanononana — Al-Qasas
فَلَمَّا جَاءَهُم مُّوسَىٰ بِآيَاتِنَا بَيِّنَاتٍ قَالُوا مَا هَٰذَا إِلَّا سِحْرٌ مُّفْتَرًى وَمَا سَمِعْنَا بِهَٰذَا فِي آبَائِنَا الْأَوَّلِينَ ۝٣٦
Falammaa jaaa`ahum Moosaa bi Aayaatinaa baiyinaatin qaaloo maa haazaaa illaa sihrum muftaranw wa maa sami`naa bihaazaa feee aabaaa`inal awwaleen
📖 Dikany Malagasy
Rehefa tonga tamin’izy ireo i Mosesy niaraka tamin’ireo famantaranay mazava, dia niteny izy ireo hoe : “Tsy inona ity afa-tsy majika noforonina. Ary tsy mbola naheno izao izahay tamin’ireo razambenay teo aloha”.
🎧 Henoy

📜 Andininy 34-38 — Al-Qasas

34وَأَخِي هَارُونُ هُوَ أَفْصَحُ مِنِّي لِسَانًا فَأَرْسِلْهُ مَعِيَ رِدْءًا يُصَدِّقُنِي ۖ إِنِّي أَخَافُ أَن يُكَذِّبُونِ
Fa i Harona rahalahiko dia mahafantatra mandaha-teny kokoa noho izaho. Koa alefaso izy miaraka amiko ho mpanampy, hanamarina ny teniko, tena matahotra tokoa aho sao ataon’izy ireo ho mpandainga”.
35قَالَ سَنَشُدُّ عَضُدَكَ بِأَخِيكَ وَنَجْعَلُ لَكُمَا سُلْطَانًا فَلَا يَصِلُونَ إِلَيْكُمَا ۚ بِآيَاتِنَا أَنتُمَا وَمَنِ اتَّبَعَكُمَا الْغَالِبُونَ
Niteny Izy (Allah) hoe : “Hamafisinay àry ny sandrinao amin’ny alàlan’ny rahalahinao, ary omenay fahefana ianareo roa, ka tsy ahakasika anareo izy ireo. Nohon'ny famantarana (fahagagana) avy Aminay, dia ianareo roa sy izay manaraka anareo no ho mpandresy”.
36فَلَمَّا جَاءَهُم مُّوسَىٰ بِآيَاتِنَا بَيِّنَاتٍ قَالُوا مَا هَٰذَا إِلَّا سِحْرٌ مُّفْتَرًى وَمَا سَمِعْنَا بِهَٰذَا فِي آبَائِنَا الْأَوَّلِينَ
Rehefa tonga tamin’izy ireo i Mosesy niaraka tamin’ireo famantaranay mazava, dia niteny izy ireo hoe : “Tsy inona ity afa-tsy majika noforonina. Ary tsy mbola naheno izao izahay tamin’ireo razambenay teo aloha”.
37وَقَالَ مُوسَىٰ رَبِّي أَعْلَمُ بِمَن جَاءَ بِالْهُدَىٰ مِنْ عِندِهِ وَمَن تَكُونُ لَهُ عَاقِبَةُ الدَّارِ ۖ إِنَّهُ لَا يُفْلِحُ الظَّالِمُونَ
Ary niteny i Mosesy hoe : “Ny Tompoko no tena mahalala izay tonga miaraka amin’ny tari-dalana avy Aminy, ary ho an’iza ny fonenana farany. Marina fa tsy ahita fahombiazana ireo mpanao ny tsy rariny”.
38وَقَالَ فِرْعَوْنُ يَا أَيُّهَا الْمَلَأُ مَا عَلِمْتُ لَكُم مِّنْ إِلَٰهٍ غَيْرِي فَأَوْقِدْ لِي يَا هَامَانُ عَلَى الطِّينِ فَاجْعَل لِّي صَرْحًا لَّعَلِّي أَطَّلِعُ إِلَىٰ إِلَٰهِ مُوسَىٰ وَإِنِّي لَأَظُنُّهُ مِنَ الْكَاذِبِينَ
Ary niteny i Faraona hoe : “Ô ry loholona ! Tsy mahafantatra zanahary hafa ho anareo ankoatra ny tenako aho. Ô ry Hamana ! Hamelomy afo ambonin’ny tany manga aho, avy eo dia hanoreno tilikambo aho, angamba hiakatra aho hatrany amin’ny Zanaharin’i Mosesy, ary tena mihevitra aho fa izy dia anisan’ireo mpandainga”.
Al-QasasFizahan-takila Koraña
88Andininy
MeccanRevelation
36Andininy

Fandikana — Al-Qasas 36

Surah Al-Qasas Andininy 36 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Rehefa tonga tamin’izy ireo i Mosesy niaraka tamin’ireo famantaranay mazava,…

Surah Andininy 36/88 — Al-Qasas القصص (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Qasas Henoy, Al-Qasas Fandikana, Al-Qasas mp3, Al-Qasas pdf. Andininy 34–38. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers