Iloaran'i Imrana · 184/200
Fandikana Fanononana — Iloaran'i Imrana
فَإِن كَذَّبُوكَ فَقَدْ كُذِّبَ رُسُلٌ مِّن قَبْلِكَ جَاءُوا بِالْبَيِّنَاتِ وَالزُّبُرِ وَالْكِتَابِ الْمُنِيرِ ۝١٨٤
Fa in kaz zabooka faqad kuz ziba Rusulum min qablika jaaa`oo bilbaiyinaati waz Zuburi wal Kitaabil Muneer
📖 Dikany Malagasy
Raha nilaza Anao ho mpandainga izy ireo, dia efa nolazaina ho mpandainga ireo Iraka talohanao. Izy ireo dia tonga niaraka tamin’ireo porofo mazava, ireo salamo (Zabora) ary ny Boky feno fahazavana.

🎧 Henoy


📜 Andininy 182-186 — Iloaran'i Imrana

182ذَٰلِكَ بِمَا قَدَّمَتْ أَيْدِيكُمْ وَأَنَّ اللَّهَ لَيْسَ بِظَلَّامٍ لِّلْعَبِيدِ
Izany, dia noho izay nataon’ny tànanareo. Ary tena marina fa i Allah dia tsy manambaka ireo mpanompony.
183الَّذِينَ قَالُوا إِنَّ اللَّهَ عَهِدَ إِلَيْنَا أَلَّا نُؤْمِنَ لِرَسُولٍ حَتَّىٰ يَأْتِيَنَا بِقُرْبَانٍ تَأْكُلُهُ النَّارُ ۗ قُلْ قَدْ جَاءَكُمْ رُسُلٌ مِّن قَبْلِي بِالْبَيِّنَاتِ وَبِالَّذِي قُلْتُمْ فَلِمَ قَتَلْتُمُوهُمْ إِن كُنتُمْ صَادِقِينَ
Ireo izay niteny ka nanao hoe : “ Tena marina fa i Allah dia nanafatrafatra Anay mba tsy hino Iraka (Mpaminany), raha tsy mitondra fanatitra ho Anay izay hohanin’ny afo ”. Teneno ny hoe : “ Efa nisy Iraka maro tonga teo Aminareo talohako, niaraka tamin’ny porofo mazava sy tamin’ireo izay nolazainareo, ka nahoana no vonoinareo izy ireo, raha tena marina Ianareo ”.
184فَإِن كَذَّبُوكَ فَقَدْ كُذِّبَ رُسُلٌ مِّن قَبْلِكَ جَاءُوا بِالْبَيِّنَاتِ وَالزُّبُرِ وَالْكِتَابِ الْمُنِيرِ
Raha nilaza Anao ho mpandainga izy ireo, dia efa nolazaina ho mpandainga ireo Iraka talohanao. Izy ireo dia tonga niaraka tamin’ireo porofo mazava, ireo salamo (Zabora) ary ny Boky feno fahazavana.
185كُلُّ نَفْسٍ ذَائِقَةُ الْمَوْتِ ۗ وَإِنَّمَا تُوَفَّوْنَ أُجُورَكُمْ يَوْمَ الْقِيَامَةِ ۖ فَمَن زُحْزِحَ عَنِ النَّارِ وَأُدْخِلَ الْجَنَّةَ فَقَدْ فَازَ ۗ وَمَا الْحَيَاةُ الدُّنْيَا إِلَّا مَتَاعُ الْغُرُورِ
Ny manan’aina rehetra dia tsy maintsy manandrana ny fahafatesana. Omena Anareo tanteraka ny valin-kasasaranareo amin’ny Andro fitsanganana. Ka n'iza n'iza nahataka tamin’ny Afobe sy nampidirina ao amin’ny Paradisa, dia tena tafita. Ary tsy inona ny fiainana eto an-tany afa-tsy fahafinaretana miserana feno fitaka.
186۞ لَتُبْلَوُنَّ فِي أَمْوَالِكُمْ وَأَنفُسِكُمْ وَلَتَسْمَعُنَّ مِنَ الَّذِينَ أُوتُوا الْكِتَابَ مِن قَبْلِكُمْ وَمِنَ الَّذِينَ أَشْرَكُوا أَذًى كَثِيرًا ۚ وَإِن تَصْبِرُوا وَتَتَّقُوا فَإِنَّ ذَٰلِكَ مِنْ عَزْمِ الْأُمُورِ
Tsy maintsy hotsapana Ianareo amin’ny Fanananareo sy ny Tenanareo, ary tsy maintsy haheno teny ratsy maro avy amin’ireo nomena ny Boky teo alohanareo, sy avy amin’ireo mpanompo sampy Ianareo. Ary manàna faharetana Ianareo, sy manàna fatahorana izany no fanapahan-kevitra mahomby indrindra amin’ny raharaha rehetra.
Iloaran'i ImranaFizahan-takila Koraña
200Andininy
MedinanRevelation
184Andininy

Fandikana — Iloaran'i Imrana 184

Surah Iloaran'i Imrana Andininy 184 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Raha nilaza Anao ho mpandainga izy ireo, dia efa nolazaina…

Surah Andininy 184/200 — Iloaran'i Imrana آل عمران (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Iloaran'i Imrana Henoy, Iloaran'i Imrana Fandikana, Iloaran'i Imrana mp3, Iloaran'i Imrana pdf. Andininy 182–186. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers