An-Nisa · 142/176
Fandikana Fanononana — An-Nisa
إِنَّ ٱلۡمُنَٰفِقِينَ يُخَٰدِعُونَ ٱللَّهَ وَهُوَ خَٰدِعُهُمۡ وَإِذَا قَامُوٓاْ إِلَى ٱلصَّلَوٰةِ قَامُواْ كُسَالَىٰ يُرَآءُونَ ٱلنَّاسَ وَلَا يَذۡكُرُونَ ٱللَّهَ إِلَّا قَلِيلًا  ۝١٤٢
Innal munaafiqeena yukhaadi`oonal laaha wa huwa khaadi`uhum wa izaa qaamooo ilas Salaati qaamoo kusaalaa yuraaa`oonan naasa wa laa yazkuroonal laaha illaa qaleelaa
📖 Dikany Malagasy
Tena marina fa ireo mpihatsaravelatsihy dia mitady hamitaka an’i Allah, ary Izy (Allah) dia mamerina ny fitak’izy ireo any amin'izy ireo. Ary izy ireo rehefa mitsangana ho amin'ny vavaka fanompoana, dia mitsangana amin’ny hakamoana, misehoseho aman’ny olona, ary tsy mahatsiaro an’i Allah izy ireo afa-tsy an-kavitsiana ihany.
🎧 Henoy

📜 Andininy 140-144 — An-Nisa

140وَقَدۡ نَزَّلَ عَلَيۡكُمۡ فِي ٱلۡكِتَٰبِ أَنۡ إِذَا سَمِعۡتُمۡ ءَايَٰتِ ٱللَّهِ يُكۡفَرُ بِهَا وَيُسۡتَهۡزَأُ بِهَا فَلَا تَقۡعُدُواْ مَعَهُمۡ حَتَّىٰ يَخُوضُواْ فِي حَدِيثٍ غَيۡرِهِۦٓ إِنَّكُمۡ إِذًا مِّثۡلُهُمۡۗ إِنَّ ٱللَّهَ جَامِعُ ٱلۡمُنَٰفِقِينَ وَٱلۡكَٰفِرِينَ فِي جَهَنَّمَ جَمِيعًا 
Ary efa nampidina taminareo ao anat'ilay rakitsoratra fa : “Raha maheno ny fanambaran’I Allah ianareo,ka toherina sy tsiratsiraina izany, dia aoka tsy hipetraka amin’izy ireo ianareo mandra-panaovan’izy ireo resaka hafa ankoatra izany”. Raha tsy izany, dia mitovy amin’izy ireo ianareo. Tena marina fa I Allah dia hanangona ireo mpihatsaravelatsihy sy ireo tsy mpino ao anatin'ny afobe.
141ٱلَّذِينَ يَتَرَبَّصُونَ بِكُمۡ فَإِن كَانَ لَكُمۡ فَتۡحٌ مِّنَ ٱللَّهِ قَالُوٓاْ أَلَمۡ نَكُن مَّعَكُمۡ وَإِن كَانَ لِلۡكَٰفِرِينَ نَصِيبٌ قَالُوٓاْ أَلَمۡ نَسۡتَحۡوِذۡ عَلَيۡكُمۡ وَنَمۡنَعۡكُم مِّنَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَۚ فَٱللَّهُ يَحۡكُمُ بَيۡنَكُمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِۚ وَلَن يَجۡعَلَ ٱللَّهُ لِلۡكَٰفِرِينَ عَلَى ٱلۡمُؤۡمِنِينَ سَبِيلًا 
Ireo izay niandry anareo, ka rehefa mahazo fandresena avy amin’I Allah ianareo, dia hoy izy ireny : “Tsy niaraka taminareo ve izahay ?”. Ary rehefa ho an’ireo tsy mpino indray ny fahombiazana, dia miteny izy ireo manao hoe : “Moa ve tsy nanome tanana anareo izahay, sy niaro anareo tamin’ireo mpino ?”. Ka I Allah no hitsara ny momba anareo amin’ny Andro fitsanganana. Ary tsy hanome lalana mihitsy ireo tsy mpino handresena ireo mpino I Allah
142إِنَّ ٱلۡمُنَٰفِقِينَ يُخَٰدِعُونَ ٱللَّهَ وَهُوَ خَٰدِعُهُمۡ وَإِذَا قَامُوٓاْ إِلَى ٱلصَّلَوٰةِ قَامُواْ كُسَالَىٰ يُرَآءُونَ ٱلنَّاسَ وَلَا يَذۡكُرُونَ ٱللَّهَ إِلَّا قَلِيلًا 
Tena marina fa ireo mpihatsaravelatsihy dia mitady hamitaka an’i Allah, ary Izy (Allah) dia mamerina ny fitak’izy ireo any amin'izy ireo. Ary izy ireo rehefa mitsangana ho amin'ny vavaka fanompoana, dia mitsangana amin’ny hakamoana, misehoseho aman’ny olona, ary tsy mahatsiaro an’i Allah izy ireo afa-tsy an-kavitsiana ihany.
143مُّذَبۡذَبِينَ بَيۡنَ ذَٰلِكَ لَآ إِلَىٰ هَٰٓؤُلَآءِ وَلَآ إِلَىٰ هَٰٓؤُلَآءِۚ وَمَن يُضۡلِلِ ٱللَّهُ فَلَن تَجِدَ لَهُۥ سَبِيلًا 
Misalasala eo anivon’izany izy ireo, sady tsy anisan’ny andaniny no tsy anisan’ny ankilany. Ary n'iza n'iza verezin’I Allah, dia tsy hahita lalana ho azy ianao.
144يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَا تَتَّخِذُواْ ٱلۡكَٰفِرِينَ أَوۡلِيَآءَ مِن دُونِ ٱلۡمُؤۡمِنِينَۚ أَتُرِيدُونَ أَن تَجۡعَلُواْ لِلَّهِ عَلَيۡكُمۡ سُلۡطَٰنًا مُّبِينًا 
Ô ianareo izay nino ! Aza mandray ireo tsy mpino ho sakaiza ianareo ankoatra ireo mpino. Mitady hanome fahefana miharihary an’I Allah hanamelohana anareo ve ianareo ?
An-NisaFizahan-takila Koraña
176Andininy
MedinanRevelation
142Andininy

Fandikana — An-Nisa 142

Surah Andininy 142/176 — An-Nisa النساء (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: An-Nisa Henoy, An-Nisa Fandikana, An-Nisa mp3, An-Nisa pdf. Andininy 140–144. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers