An-Nisa · 57/176
Fandikana Fanononana — An-Nisa
وَالَّذِينَ آمَنُوا وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ سَنُدْخِلُهُمْ جَنَّاتٍ تَجْرِي مِن تَحْتِهَا الْأَنْهَارُ خَالِدِينَ فِيهَا أَبَدًا ۖ لَّهُمْ فِيهَا أَزْوَاجٌ مُّطَهَّرَةٌ ۖ وَنُدْخِلُهُمْ ظِلًّا ظَلِيلًا ۝٥٧
Wallazeena aamanoo wa `amilus saalihaati sanud khiluum jannaatin tajree min tahtihal anhaaru khaalideena feehaaa abadaa, lahum feehaaa azwaajum mutahharatun wa nudkhiluhum zillan zaleelaa
📖 Dikany Malagasy
Ary ireo efa nino no sady nanao asa soa dia ampidiranay any am-paradisa izay ikorian'ireo renirano isan-karazany avy eo ambaniny.Hitoetra ao mandrakizay izy ireo.Hiandry azy ireo ao ireo andefimandry kantosy voadio.Ary hapetrakay eo ambanin'ny aloka matevina izy ireny.
🎧 Henoy

📜 Andininy 55-59 — An-Nisa

55فَمِنْهُم مَّنْ آمَنَ بِهِ وَمِنْهُم مَّن صَدَّ عَنْهُ ۚ وَكَفَىٰ بِجَهَنَّمَ سَعِيرًا
Nisy tamin’izy ireo izay nino azy, ary nisy tamin’izy ireo ihany koa izay nihataka taminy. Tena ampy ho azy ireo ny afobe ho lelan’afo fandoro.
56إِنَّ الَّذِينَ كَفَرُوا بِآيَاتِنَا سَوْفَ نُصْلِيهِمْ نَارًا كُلَّمَا نَضِجَتْ جُلُودُهُم بَدَّلْنَاهُمْ جُلُودًا غَيْرَهَا لِيَذُوقُوا الْعَذَابَ ۗ إِنَّ اللَّهَ كَانَ عَزِيزًا حَكِيمًا
Tena marina fa ireo izay tsy nino ny fanambaranay dia hatsipinay any amin’ny afobe izy ireo. Isaka ny masaka ny hoditr’izy ireo, dia soloinay hoditra hafa izany, mba hanandraman’izy ireo ny famaizana. Tena marina fa I Allah dia Ilay Tsitoha sy be Fahendrena.
57وَالَّذِينَ آمَنُوا وَعَمِلُوا الصَّالِحَاتِ سَنُدْخِلُهُمْ جَنَّاتٍ تَجْرِي مِن تَحْتِهَا الْأَنْهَارُ خَالِدِينَ فِيهَا أَبَدًا ۖ لَّهُمْ فِيهَا أَزْوَاجٌ مُّطَهَّرَةٌ ۖ وَنُدْخِلُهُمْ ظِلًّا ظَلِيلًا
Ary ireo efa nino no sady nanao asa soa dia ampidiranay any am-paradisa izay ikorian'ireo renirano isan-karazany avy eo ambaniny.Hitoetra ao mandrakizay izy ireo.Hiandry azy ireo ao ireo andefimandry kantosy voadio.Ary hapetrakay eo ambanin'ny aloka matevina izy ireny.
58۞ إِنَّ اللَّهَ يَأْمُرُكُمْ أَن تُؤَدُّوا الْأَمَانَاتِ إِلَىٰ أَهْلِهَا وَإِذَا حَكَمْتُم بَيْنَ النَّاسِ أَن تَحْكُمُوا بِالْعَدْلِ ۚ إِنَّ اللَّهَ نِعِمَّا يَعِظُكُم بِهِ ۗ إِنَّ اللَّهَ كَانَ سَمِيعًا بَصِيرًا
Tena marina fa I Allah dia mandidy anareo, mba hamerina ireo zavatra napetraka taminareo amin’ny tompony; ary rehefa mitsara eo amin’ny samy olombelona ianareo, dia aoka hitsara ara-drariny. Tena marina fa I Allah dia mananatra anareo hatrany amin’ny tena tsara. Ary marina tokoa fa I Allah dia Maheno sy Mahita ny zava-drehetra.
59يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا أَطِيعُوا اللَّهَ وَأَطِيعُوا الرَّسُولَ وَأُولِي الْأَمْرِ مِنكُمْ ۖ فَإِن تَنَازَعْتُمْ فِي شَيْءٍ فَرُدُّوهُ إِلَى اللَّهِ وَالرَّسُولِ إِن كُنتُمْ تُؤْمِنُونَ بِاللَّهِ وَالْيَوْمِ الْآخِرِ ۚ ذَٰلِكَ خَيْرٌ وَأَحْسَنُ تَأْوِيلًا
Ô ianareo izay nino ! Ankatoavinareo I Allah, ary ankatoavinareo koa ny Iraka sy ireo mpitondra eo aminareo, koa raha misy zavatra hifanolananareo, dia aoka hamerina izany any amin’I Allah sy ny Iraka ianareo, raha mino an’I Allah sy ny andro farany ianareo. Izany no tsara indrindra sy fanazavana mendrika indrindra.
An-NisaFizahan-takila Koraña
176Andininy
MedinanRevelation
57Andininy

Fandikana — An-Nisa 57

Surah An-Nisa Andininy 57 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary ireo efa nino no sady nanao asa soa dia…

Surah Andininy 57/176 — An-Nisa النساء (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: An-Nisa Henoy, An-Nisa Fandikana, An-Nisa mp3, An-Nisa pdf. Andininy 55–59. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers