An-Nisa · 78/176
Fandikana Fanononana — An-Nisa
أَيْنَمَا تَكُونُوا يُدْرِككُّمُ الْمَوْتُ وَلَوْ كُنتُمْ فِي بُرُوجٍ مُّشَيَّدَةٍ ۗ وَإِن تُصِبْهُمْ حَسَنَةٌ يَقُولُوا هَٰذِهِ مِنْ عِندِ اللَّهِ ۖ وَإِن تُصِبْهُمْ سَيِّئَةٌ يَقُولُوا هَٰذِهِ مِنْ عِندِكَ ۚ قُلْ كُلٌّ مِّنْ عِندِ اللَّهِ ۖ فَمَالِ هَٰؤُلَاءِ الْقَوْمِ لَا يَكَادُونَ يَفْقَهُونَ حَدِيثًا ۝٧٨
Ainamaa takoonoo yudrikkumul mawtu wa law kuntum fee buroojim mushai yadah; wa in tusibhum hasanatuny yaqooloo haazihee min indil laahi wa in tusibhum saiyi`atuny yaqooloo haazihee min `indik; qul kullum min `indillaahi famaa lihaaa `ulaaa`il qawmi laa yakkaadoona yafqahoona hadeesaa
📖 Dikany Malagasy
N’aiza n’aiza no misy anareo, dia manaraka anareo ny fahafatesana, na dia ao anaty trano mijoalajoala matanjaka aza ianareo. Ary rehefa mahazo zavatra tsara izy ireo, dia miteny hoe : “Itony dia avy amin’I Allah”. Fa rehefa misy voina manjò azy ireo kosa, dia miteny izy ireo hoe : “Itony dia avy aminao !”. Teneno hoe : “Ny zava-drehetra dia avy amin’I Allah avokoa”. Fa inona no mahazo ireo vahoaka ireo no tsy mba hiezaka hahazo resaka na dia kely aza ?”
🎧 Henoy

📜 Andininy 76-80 — An-Nisa

76الَّذِينَ آمَنُوا يُقَاتِلُونَ فِي سَبِيلِ اللَّهِ ۖ وَالَّذِينَ كَفَرُوا يُقَاتِلُونَ فِي سَبِيلِ الطَّاغُوتِ فَقَاتِلُوا أَوْلِيَاءَ الشَّيْطَانِ ۖ إِنَّ كَيْدَ الشَّيْطَانِ كَانَ ضَعِيفًا
Ireo izay nino dia miady amin’ny làlan’I Allah, fa ireo izay tsy nino kosa dia miady amin’ny làlan’ireo mpihoam-pefy, ka aoka ianareo hiady amin’ireo sakaizan’ny satana. Tena marina fa ny teti-dratsin’ny satana dia malemy tokoa.
77أَلَمْ تَرَ إِلَى الَّذِينَ قِيلَ لَهُمْ كُفُّوا أَيْدِيَكُمْ وَأَقِيمُوا الصَّلَاةَ وَآتُوا الزَّكَاةَ فَلَمَّا كُتِبَ عَلَيْهِمُ الْقِتَالُ إِذَا فَرِيقٌ مِّنْهُمْ يَخْشَوْنَ النَّاسَ كَخَشْيَةِ اللَّهِ أَوْ أَشَدَّ خَشْيَةً ۚ وَقَالُوا رَبَّنَا لِمَ كَتَبْتَ عَلَيْنَا الْقِتَالَ لَوْلَا أَخَّرْتَنَا إِلَىٰ أَجَلٍ قَرِيبٍ ۗ قُلْ مَتَاعُ الدُّنْيَا قَلِيلٌ وَالْآخِرَةُ خَيْرٌ لِّمَنِ اتَّقَىٰ وَلَا تُظْلَمُونَ فَتِيلًا
Tsy hitanao ve ireo izay notenenina hoe : “Atsaharonareo ny ady, tanterahanareo ny fanompoam-pivavahana ary avoahinareo ny harena fiantrana (Zakat)! Koa rehefa voadidy tamin’izy ireo ny ady, dia indro ny andiany tamin’izy ireo fa natahotra ny olombelona tahaka ny fatahorany an’i Allah, na fatahorana mihoatra izany aza. Ary niteny izy ireo manao hoe : “Tomponay ô ! Nahoana no nodidianao taminay ny ady? Raha mba hahemotrao kely amin’ny fotoana manaraka!”. Teneno hoe : “Ny fahafinaretana eto an-tany dia kely, fa ny fiainana any ankoatra kosa dia tsara ho an’izay manam-patahorana, ary tsy ho ambakaina ianareo na dia kely mitovy amin’ny singan’ny atrendry aza!”
78أَيْنَمَا تَكُونُوا يُدْرِككُّمُ الْمَوْتُ وَلَوْ كُنتُمْ فِي بُرُوجٍ مُّشَيَّدَةٍ ۗ وَإِن تُصِبْهُمْ حَسَنَةٌ يَقُولُوا هَٰذِهِ مِنْ عِندِ اللَّهِ ۖ وَإِن تُصِبْهُمْ سَيِّئَةٌ يَقُولُوا هَٰذِهِ مِنْ عِندِكَ ۚ قُلْ كُلٌّ مِّنْ عِندِ اللَّهِ ۖ فَمَالِ هَٰؤُلَاءِ الْقَوْمِ لَا يَكَادُونَ يَفْقَهُونَ حَدِيثًا
N’aiza n’aiza no misy anareo, dia manaraka anareo ny fahafatesana, na dia ao anaty trano mijoalajoala matanjaka aza ianareo. Ary rehefa mahazo zavatra tsara izy ireo, dia miteny hoe : “Itony dia avy amin’I Allah”. Fa rehefa misy voina manjò azy ireo kosa, dia miteny izy ireo hoe : “Itony dia avy aminao !”. Teneno hoe : “Ny zava-drehetra dia avy amin’I Allah avokoa”. Fa inona no mahazo ireo vahoaka ireo no tsy mba hiezaka hahazo resaka na dia kely aza ?”
79مَّا أَصَابَكَ مِنْ حَسَنَةٍ فَمِنَ اللَّهِ ۖ وَمَا أَصَابَكَ مِن سَيِّئَةٍ فَمِن نَّفْسِكَ ۚ وَأَرْسَلْنَاكَ لِلنَّاسِ رَسُولًا ۚ وَكَفَىٰ بِاللَّهِ شَهِيدًا
Izay tsara mahazo anao dia avy amin’I Allah, fa izay ratsy mahavoa anao kosa dia avy amin’ny tenanao ihany. Ary nalefanay ho Iraka ho an’ny olombelona ianao. Ary ampy ho vavolombelona I Allah.
80مَّن يُطِعِ الرَّسُولَ فَقَدْ أَطَاعَ اللَّهَ ۖ وَمَن تَوَلَّىٰ فَمَا أَرْسَلْنَاكَ عَلَيْهِمْ حَفِيظًا
N’iza n’iza mankatò ny Iraka dia efa mankatò an’i Allah. Ary n’iza n’iza mitodi-damosina, dia tsy nalefanay ho mpiaro azy ireo ianao.
An-NisaFizahan-takila Koraña
176Andininy
MedinanRevelation
78Andininy

Fandikana — An-Nisa 78

Surah An-Nisa Andininy 78 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : N’aiza n’aiza no misy anareo, dia manaraka anareo ny fahafatesana,…

Surah Andininy 78/176 — An-Nisa النساء (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: An-Nisa Henoy, An-Nisa Fandikana, An-Nisa mp3, An-Nisa pdf. Andininy 76–80. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers