An-Nisa · 88/176
Fandikana Fanononana — Surah An-Nisa
۞ فَمَا لَكُمْ فِي الْمُنَافِقِينَ فِئَتَيْنِ وَاللَّهُ أَرْكَسَهُم بِمَا كَسَبُوا ۚ أَتُرِيدُونَ أَن تَهْدُوا مَنْ أَضَلَّ اللَّهُ ۖ وَمَن يُضْلِلِ اللَّهُ فَلَن تَجِدَ لَهُ سَبِيلًا ۝٨٨
Famaa lakum filmuna afiqeena fi`ataini wallaahu arkasahum bimaa kasaboo; atureedoona an tahdoo man adallal laahu wa mmai yudlilil laahu falan tajida lahoo sabeelaa
📖 Dikany Malagasy
Fa inona no nahazo anareo, ka nizara ho andiany roa, momba ireo mpihatsaravelatsihy ? Kanefa I Allah dia namerina azy ireo amin’ny tsy finoana noho izay nataon’izy ireo ihany. Mila hitari-dàlana izay efa noverezin’I Allah ve ianareo ? Ary izay verezin’I Allah dia tsy ahitanao lalana intsony.

🎧 Henoy


📜 Andininy 86-90 — Surah An-Nisa

86وَإِذَا حُيِّيتُم بِتَحِيَّةٍ فَحَيُّوا بِأَحْسَنَ مِنْهَا أَوْ رُدُّوهَا ۗ إِنَّ اللَّهَ كَانَ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ حَسِيبًا
Ary rehefa arabaina amin’ny fiarahabana ianareo, dia miarahabà tsaratsaran’izany ianareo; na koa valio mitovy aminy. Tena marina fa I Allah no mpitsara ny zava-drehetra.
87اللَّهُ لَا إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ ۚ لَيَجْمَعَنَّكُمْ إِلَىٰ يَوْمِ الْقِيَامَةِ لَا رَيْبَ فِيهِ ۗ وَمَنْ أَصْدَقُ مِنَ اللَّهِ حَدِيثًا
Allah ! Tsy misy Tompo afa-tsy Izy ! Havoriny tokoa ianareo amin’ny andro fitsanganana. Tsy misy fisalasalana ny amin’izany. Ary iza no marin-teny kokoa mihoatra an'I Allah ?
88۞ فَمَا لَكُمْ فِي الْمُنَافِقِينَ فِئَتَيْنِ وَاللَّهُ أَرْكَسَهُم بِمَا كَسَبُوا ۚ أَتُرِيدُونَ أَن تَهْدُوا مَنْ أَضَلَّ اللَّهُ ۖ وَمَن يُضْلِلِ اللَّهُ فَلَن تَجِدَ لَهُ سَبِيلًا
Fa inona no nahazo anareo, ka nizara ho andiany roa, momba ireo mpihatsaravelatsihy ? Kanefa I Allah dia namerina azy ireo amin’ny tsy finoana noho izay nataon’izy ireo ihany. Mila hitari-dàlana izay efa noverezin’I Allah ve ianareo ? Ary izay verezin’I Allah dia tsy ahitanao lalana intsony.
89وَدُّوا لَوْ تَكْفُرُونَ كَمَا كَفَرُوا فَتَكُونُونَ سَوَاءً ۖ فَلَا تَتَّخِذُوا مِنْهُمْ أَوْلِيَاءَ حَتَّىٰ يُهَاجِرُوا فِي سَبِيلِ اللَّهِ ۚ فَإِن تَوَلَّوْا فَخُذُوهُمْ وَاقْتُلُوهُمْ حَيْثُ وَجَدتُّمُوهُمْ ۖ وَلَا تَتَّخِذُوا مِنْهُمْ وَلِيًّا وَلَا نَصِيرًا
Maniry izy ireo mba tsy hino ianareo, tahaka izy ireo tsy nino, dia ho tonga mitovy ianareo, ka aoka ianareo tsy handray sakaiza avy amin’izy ireo, mandra-pifindram-ponenan’izy ireo amin’ny làlan’I Allah. Koa raha mitodi-damosina amin’izany izy ireo dia raisonareo sy vonoinareo , n’aiza n’aiza ahitanareo azy ireo. Ary aoka ianareo tsy handray sakaiza na mpanavotra avy amin’izy ireo.
90إِلَّا الَّذِينَ يَصِلُونَ إِلَىٰ قَوْمٍ بَيْنَكُمْ وَبَيْنَهُم مِّيثَاقٌ أَوْ جَاءُوكُمْ حَصِرَتْ صُدُورُهُمْ أَن يُقَاتِلُوكُمْ أَوْ يُقَاتِلُوا قَوْمَهُمْ ۚ وَلَوْ شَاءَ اللَّهُ لَسَلَّطَهُمْ عَلَيْكُمْ فَلَقَاتَلُوكُمْ ۚ فَإِنِ اعْتَزَلُوكُمْ فَلَمْ يُقَاتِلُوكُمْ وَأَلْقَوْا إِلَيْكُمُ السَّلَمَ فَمَا جَعَلَ اللَّهُ لَكُمْ عَلَيْهِمْ سَبِيلًا
Afa-tsy ireo izay manatona ny vahoaka izay nanaovanareo fifanarahana (fifanakena), na ireo tonga aminareo (nanatona anareo), nohon'ny fon’izy ireo tsy mankasitraka ny hiady aminareo, na koa hiady amin’ny foko niaviany. Raha sitrak’I Allah dia nomeny fahefana aminareo izy ireo, ka niady taminareo. Fa raha nihataka anareo izy ireo, sy tsy niady taminareo, ary nanolotra fandriam-pahalemana ho anareo, dia tsy nomen’I Allah alàlana hiady amin’izy ireo ianareo.
An-NisaFizahan-takila Koraña
176Andininy
MedinanRevelation
88Andininy

Fandikana — An-Nisa 88

Surah An-Nisa Andininy 88 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Fa inona no nahazo anareo, ka nizara ho andiany roa,…

Surah Andininy 88/176 — Surah An-Nisa النساء (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah An-Nisa Henoy, Surah An-Nisa Fandikana, Surah An-Nisa mp3, Surah An-Nisa pdf. Andininy 86–90. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers