An-Nisa · 96/176
Fandikana Fanononana — Surah An-Nisa
دَرَجَاتٍ مِّنْهُ وَمَغْفِرَةً وَرَحْمَةً ۚ وَكَانَ اللَّهُ غَفُورًا رَّحِيمًا ۝٩٦
Darajaatim minhu wa maghfiratanw wa rahmah; wa kaanal laahu Ghafoorar Raheema
📖 Dikany Malagasy
Mari-boninahitra maro avy Aminy, sy ny famelan-keloka ary ny famindram-po. Ary I Allah dia tena be Famelan-keloka sy be Indrafo.

🎧 Henoy


📜 Andininy 94-98 — Surah An-Nisa

94يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا إِذَا ضَرَبْتُمْ فِي سَبِيلِ اللَّهِ فَتَبَيَّنُوا وَلَا تَقُولُوا لِمَنْ أَلْقَىٰ إِلَيْكُمُ السَّلَامَ لَسْتَ مُؤْمِنًا تَبْتَغُونَ عَرَضَ الْحَيَاةِ الدُّنْيَا فَعِندَ اللَّهِ مَغَانِمُ كَثِيرَةٌ ۚ كَذَٰلِكَ كُنتُم مِّن قَبْلُ فَمَنَّ اللَّهُ عَلَيْكُمْ فَتَبَيَّنُوا ۚ إِنَّ اللَّهَ كَانَ بِمَا تَعْمَلُونَ خَبِيرًا
Ô ianareo izay nino ! Raha mivoaka amin’ny làlan’I Allah ianareo, dia aoka hanadihady tsara, ary tsy hiteny ianareo amin’ny olona izay miarahaba anareo hoe : “Tsy mpino ianao”. Mikatsaka ny tombontsoa eto an-tany ianareo. Kanefa eo anatrehan’I Allah no misy ny harena babo an’ady maro. Tahaka izany ianareo teo aloha, nefa nomen’I Allah tombony, ka aoka mba hanadihady tsara. Ary tena marina, fa I Allah dia mahafantatra tsara izay ataonareo.
95لَّا يَسْتَوِي الْقَاعِدُونَ مِنَ الْمُؤْمِنِينَ غَيْرُ أُولِي الضَّرَرِ وَالْمُجَاهِدُونَ فِي سَبِيلِ اللَّهِ بِأَمْوَالِهِمْ وَأَنفُسِهِمْ ۚ فَضَّلَ اللَّهُ الْمُجَاهِدِينَ بِأَمْوَالِهِمْ وَأَنفُسِهِمْ عَلَى الْقَاعِدِينَ دَرَجَةً ۚ وَكُلًّا وَعَدَ اللَّهُ الْحُسْنَىٰ ۚ وَفَضَّلَ اللَّهُ الْمُجَاهِدِينَ عَلَى الْقَاعِدِينَ أَجْرًا عَظِيمًا
Tsy mitovy ireo mpino mipetraka ao an-trano, ankoatr'ireo manan-takaitra, sy ireo mivoaka amin’ny lalàn’I Allah, miaraka amin’ny haren’izy ireo sy ny vatan’izy ireo. Nomen’I Allah tombony ireo mivoaka miaraka amin’ny haren'izy ireo sy vatan’izy ireo, noho ireo izay mipetraka ao an-trano; eo amin’ny mari-boninahitra. Ary ny rehetra dia nampanantenain’I Allah valisoa mendrika, ary nomen’I Allah tombony amin’ny valisoa lehibe ireo Miady amin'ny lalan'I Allah noho ireo izay mipetraka ao an-trano.
96دَرَجَاتٍ مِّنْهُ وَمَغْفِرَةً وَرَحْمَةً ۚ وَكَانَ اللَّهُ غَفُورًا رَّحِيمًا
Mari-boninahitra maro avy Aminy, sy ny famelan-keloka ary ny famindram-po. Ary I Allah dia tena be Famelan-keloka sy be Indrafo.
97إِنَّ الَّذِينَ تَوَفَّاهُمُ الْمَلَائِكَةُ ظَالِمِي أَنفُسِهِمْ قَالُوا فِيمَ كُنتُمْ ۖ قَالُوا كُنَّا مُسْتَضْعَفِينَ فِي الْأَرْضِ ۚ قَالُوا أَلَمْ تَكُنْ أَرْضُ اللَّهِ وَاسِعَةً فَتُهَاجِرُوا فِيهَا ۚ فَأُولَٰئِكَ مَأْوَاهُمْ جَهَنَّمُ ۖ وَسَاءَتْ مَصِيرًا
Tena marina, fa ireo izay noraisin’ny Anjely ny fanahiny, ka nanao tsy rariny tamin’ny tenany, dia hiteny ireo Anjely hoe : “Taiza ianareo manoloana ny finoanareo ?”. Dia hamaly izy ireo hoe : “Fadiranovana izahay teny ambonin’ny tany”, dia hiteny ireo Anjely manao hoe : “Moa ve tsy nalalaka ny tanin’I Allah, mba nahafahanareo nifindra-monina teo aminy ?”. Ka izy ireny dia ny afobe no toeran-kialofany, ary toeran-kaleha tena ratsy tokoa izany !
98إِلَّا الْمُسْتَضْعَفِينَ مِنَ الرِّجَالِ وَالنِّسَاءِ وَالْوِلْدَانِ لَا يَسْتَطِيعُونَ حِيلَةً وَلَا يَهْتَدُونَ سَبِيلًا
Afa-tsy ireo fadiranovana : lehilahy, sy vehivavy ary ankizy, ka tsy afaka manao na inona na inona, ary tsy mahita lalana ivoahana.
An-NisaFizahan-takila Koraña
176Andininy
MedinanRevelation
96Andininy

Fandikana — An-Nisa 96

Surah An-Nisa Andininy 96 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Mari-boninahitra maro avy Aminy, sy ny famelan-keloka ary ny famindram-po.…

Surah Andininy 96/176 — Surah An-Nisa النساء (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah An-Nisa Henoy, Surah An-Nisa Fandikana, Surah An-Nisa mp3, Surah An-Nisa pdf. Andininy 94–98. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers