Al-Maidah · 35/120
Fandikana Fanononana — Al-Maidah
يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا اتَّقُوا اللَّهَ وَابْتَغُوا إِلَيْهِ الْوَسِيلَةَ وَجَاهِدُوا فِي سَبِيلِهِ لَعَلَّكُمْ تُفْلِحُونَ ۝٣٥
yaaa aiyuhal lazeena aamanut taqul laaha wabtaghooo ilaihil waseelata wa jaahidoo fee sabeelihee la`allakum tuflihoon
📖 Dikany Malagasy
O ianareo izay mpino! Matahora an’I Allah ianareo ary tadiavonareo ny fomba hanatonanareo Azy akaiky. Ary manaova ady masina amin’ny làlany ianareo. Angamba hahazoanareo fahombiazana.

🎧 Henoy


📜 Andininy 33-37 — Al-Maidah

33إِنَّمَا جَزَاءُ الَّذِينَ يُحَارِبُونَ اللَّهَ وَرَسُولَهُ وَيَسْعَوْنَ فِي الْأَرْضِ فَسَادًا أَن يُقَتَّلُوا أَوْ يُصَلَّبُوا أَوْ تُقَطَّعَ أَيْدِيهِمْ وَأَرْجُلُهُم مِّنْ خِلَافٍ أَوْ يُنفَوْا مِنَ الْأَرْضِ ۚ ذَٰلِكَ لَهُمْ خِزْيٌ فِي الدُّنْيَا ۖ وَلَهُمْ فِي الْآخِرَةِ عَذَابٌ عَظِيمٌ
Ny tena valin’asan’ireo izay miady amin’I Allah sy amin’ny Irany ary manaparitaka eto an-tany ny asa fanimbàna, dia ny hamonoana azy ireo na ny hamantsihana azy ireo ambony hazo na ny hanapahana ny tanan’ izy ireo sy ny tongotr’izy ireo mifanohitra amin’ny andaniny na koa ny hanaovana azy ireo sesitany. Izany no fahafaham-barakan’izy ireo eto an-tany. Ary any ankoatra izy ireo dia hahazo famaizana lehibe.
34إِلَّا الَّذِينَ تَابُوا مِن قَبْلِ أَن تَقْدِرُوا عَلَيْهِمْ ۖ فَاعْلَمُوا أَنَّ اللَّهَ غَفُورٌ رَّحِيمٌ
Afa-tsy ireo izay nibebaka alohan’ny hahatongavany eo ambany fahefanareo. Fantaronareo ary fa I Allah dia be Famelan-keloka sy be Fiantrana.
35يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا اتَّقُوا اللَّهَ وَابْتَغُوا إِلَيْهِ الْوَسِيلَةَ وَجَاهِدُوا فِي سَبِيلِهِ لَعَلَّكُمْ تُفْلِحُونَ
O ianareo izay mpino! Matahora an’I Allah ianareo ary tadiavonareo ny fomba hanatonanareo Azy akaiky. Ary manaova ady masina amin’ny làlany ianareo. Angamba hahazoanareo fahombiazana.
36إِنَّ الَّذِينَ كَفَرُوا لَوْ أَنَّ لَهُم مَّا فِي الْأَرْضِ جَمِيعًا وَمِثْلَهُ مَعَهُ لِيَفْتَدُوا بِهِ مِنْ عَذَابِ يَوْمِ الْقِيَامَةِ مَا تُقُبِّلَ مِنْهُمْ ۖ وَلَهُمْ عَذَابٌ أَلِيمٌ
Tena marina fa ireo izay tsy mpino raha ananan’izy ireo izay rehetra eto an-tany sy ny mitovy amin’izany koa mbola miampy aminy ka omen’izy ireo hatao onitra ho amin’ny famaizana amin’ny andron’ny fitsanganana dia tsy ho raisina avy amin’izy ireo izany. Ary ho azy ireo famaizana mangirifiry.
37يُرِيدُونَ أَن يَخْرُجُوا مِنَ النَّارِ وَمَا هُم بِخَارِجِينَ مِنْهَا ۖ وَلَهُمْ عَذَابٌ مُّقِيمٌ
Maniry ny hivoaka avy ao amin’ny Afobe izy ireo, kanefa dia tsy hivoaka ao mihitsy izy ireo. Ary ho azy ireo ny famaizana maharitra.
Al-MaidahFizahan-takila Koraña
120Andininy
MedinanRevelation
35Andininy

Fandikana — Al-Maidah 35

Surah Al-Maidah Andininy 35 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : O ianareo izay mpino! Matahora an’I Allah ianareo ary tadiavonareo…

Surah Andininy 35/120 — Al-Maidah المائدة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Maidah Henoy, Al-Maidah Fandikana, Al-Maidah mp3, Al-Maidah pdf. Andininy 33–37. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers