Al-Maidah · 73/120
Fandikana Fanononana — Al-Maidah
لَّقَدْ كَفَرَ الَّذِينَ قَالُوا إِنَّ اللَّهَ ثَالِثُ ثَلَاثَةٍ ۘ وَمَا مِنْ إِلَٰهٍ إِلَّا إِلَٰهٌ وَاحِدٌ ۚ وَإِن لَّمْ يَنتَهُوا عَمَّا يَقُولُونَ لَيَمَسَّنَّ الَّذِينَ كَفَرُوا مِنْهُمْ عَذَابٌ أَلِيمٌ ۝٧٣
laqad kafaral lazeena qaalooo innal laaha saalisu salaasah; wa maa min ilaahin illaaa Ilaahunw Waahid; wa illam yantahoo `ammaa yaqooloona layamas sannal lazeena kafaroo minhum `azaabun aleem
📖 Dikany Malagasy
Tena efa tsy mpino ireo izay miteny hoe: “Allah dia tena Iray amin’ny Telo ”. Nefa tsy misy Zanahary Tompo afa tsy Allah tokana ihany. Ary raha tsy mijanona amin’izay teneniny izy ireo, dia tena hahazo ny famaizana mangirifiry ireo izay tsy nino amin’izy ireo.

🎧 Henoy


📜 Andininy 71-75 — Al-Maidah

71وَحَسِبُوا أَلَّا تَكُونَ فِتْنَةٌ فَعَمُوا وَصَمُّوا ثُمَّ تَابَ اللَّهُ عَلَيْهِمْ ثُمَّ عَمُوا وَصَمُّوا كَثِيرٌ مِّنْهُمْ ۚ وَاللَّهُ بَصِيرٌ بِمَا يَعْمَلُونَ
Ary eritreretin’izy ireo fa tsy hisy ny famaizana ka lasa jamba sy marenina izy ireo. Avy eo dia noraisin’I Allah ny fibebahan’izy ireo. Avy eo dia lasa jamba sy marenina indray ny ankamaroan’izy ireo. Ary I Allah dia mahita tokoa izay ataon’izy ireo.
72لَقَدْ كَفَرَ الَّذِينَ قَالُوا إِنَّ اللَّهَ هُوَ الْمَسِيحُ ابْنُ مَرْيَمَ ۖ وَقَالَ الْمَسِيحُ يَا بَنِي إِسْرَائِيلَ اعْبُدُوا اللَّهَ رَبِّي وَرَبَّكُمْ ۖ إِنَّهُ مَن يُشْرِكْ بِاللَّهِ فَقَدْ حَرَّمَ اللَّهُ عَلَيْهِ الْجَنَّةَ وَمَأْوَاهُ النَّارُ ۖ وَمَا لِلظَّالِمِينَ مِنْ أَنصَارٍ
Efa tena tsy mpino tokoa ireo izay niteny hoe: “Tena marina fa Allah dia i Jesoa zanak’i Maria”.Kanefa niteny i Mesia (Jesoa) hoe: “O ry zanak’Israely! Aoka hanompo an’I Allah, Tompoko sy Tomponareo ianareo”. Tena marina fa n’iza n’iza mampikambana an’I Allah amin’ny zavatra hafa dia efa noraran’I Allah aminy ny Paradisa ary ny Afobe no ho fonenany. Ary tsy hanana mpanavotra mihitsy ireo mpanao ny tsy rariny.
73لَّقَدْ كَفَرَ الَّذِينَ قَالُوا إِنَّ اللَّهَ ثَالِثُ ثَلَاثَةٍ ۘ وَمَا مِنْ إِلَٰهٍ إِلَّا إِلَٰهٌ وَاحِدٌ ۚ وَإِن لَّمْ يَنتَهُوا عَمَّا يَقُولُونَ لَيَمَسَّنَّ الَّذِينَ كَفَرُوا مِنْهُمْ عَذَابٌ أَلِيمٌ
Tena efa tsy mpino ireo izay miteny hoe: “Allah dia tena Iray amin’ny Telo ”. Nefa tsy misy Zanahary Tompo afa tsy Allah tokana ihany. Ary raha tsy mijanona amin’izay teneniny izy ireo, dia tena hahazo ny famaizana mangirifiry ireo izay tsy nino amin’izy ireo.
74أَفَلَا يَتُوبُونَ إِلَى اللَّهِ وَيَسْتَغْفِرُونَهُ ۚ وَاللَّهُ غَفُورٌ رَّحِيمٌ
Moa ve tsy hibebaka amin’I Allah izy ireo sy hangataka amin'I Allah ny famelan-keloka? Ary Allah dia be famelan-keloka, be fiantrana.
75مَّا الْمَسِيحُ ابْنُ مَرْيَمَ إِلَّا رَسُولٌ قَدْ خَلَتْ مِن قَبْلِهِ الرُّسُلُ وَأُمُّهُ صِدِّيقَةٌ ۖ كَانَا يَأْكُلَانِ الطَّعَامَ ۗ انظُرْ كَيْفَ نُبَيِّنُ لَهُمُ الْآيَاتِ ثُمَّ انظُرْ أَنَّىٰ يُؤْفَكُونَ
Tsy iza akory i Mesia zanak’i Maria afa tsy Iraka ihany. Efa maro ireo Iraka nandalo teo alohany. Ary ny reniny dia vehivavy marina. Samy nihinana sakafo izy roa. Jereo fa ahoana no anazavanay amin’izy ireo ny famantarana avy eo jereo manao ahoana ny fomba hivadihan’izy ireo!
Al-MaidahFizahan-takila Koraña
120Andininy
MedinanRevelation
73Andininy

Fandikana — Al-Maidah 73

Surah Al-Maidah Andininy 73 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Tena efa tsy mpino ireo izay miteny hoe: “Allah dia…

Surah Andininy 73/120 — Al-Maidah المائدة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Maidah Henoy, Al-Maidah Fandikana, Al-Maidah mp3, Al-Maidah pdf. Andininy 71–75. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers