Al-An'am · 107/165
Fandikana Fanononana — Al-An'am
وَلَوْ شَاءَ اللَّهُ مَا أَشْرَكُوا ۗ وَمَا جَعَلْنَاكَ عَلَيْهِمْ حَفِيظًا ۖ وَمَا أَنتَ عَلَيْهِم بِوَكِيلٍ ۝١٠٧
Wa law shaaa`al laahu maaa ashrakoo; wa maa ja`alnaaka `alaihim hafeezanw wa maaa anta `alaihim biwakeel
📖 Dikany Malagasy
Ary raha sitrak’I Allah dia tsy nanakambana Azy amin’ny zavatra hafa izy ireo. Tsy nataonay ho Mpiambina Ianao amin’izy ireo, ary Ianao dia tsy Mpiantoka azy ireo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 105-109 — Al-An'am

105وَكَذَٰلِكَ نُصَرِّفُ الْآيَاتِ وَلِيَقُولُوا دَرَسْتَ وَلِنُبَيِّنَهُ لِقَوْمٍ يَعْلَمُونَ
Ary tahaka izany no hamakafakanay ireo fanambarana mba hitenenan’izy ireo manao hoe : “nianatra Ianao”. Ary mba hanazavanay izany amin’ny vahoaka mahalala.
106اتَّبِعْ مَا أُوحِيَ إِلَيْكَ مِن رَّبِّكَ ۖ لَا إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ ۖ وَأَعْرِضْ عَنِ الْمُشْرِكِينَ
Araho ny fanambarana izay nalefa Aminao avy amin’ny Tomponao. Tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izy ihany. Atodiho ny lamosinao amin’ireo mpanompo sampy.
107وَلَوْ شَاءَ اللَّهُ مَا أَشْرَكُوا ۗ وَمَا جَعَلْنَاكَ عَلَيْهِمْ حَفِيظًا ۖ وَمَا أَنتَ عَلَيْهِم بِوَكِيلٍ
Ary raha sitrak’I Allah dia tsy nanakambana Azy amin’ny zavatra hafa izy ireo. Tsy nataonay ho Mpiambina Ianao amin’izy ireo, ary Ianao dia tsy Mpiantoka azy ireo.
108وَلَا تَسُبُّوا الَّذِينَ يَدْعُونَ مِن دُونِ اللَّهِ فَيَسُبُّوا اللَّهَ عَدْوًا بِغَيْرِ عِلْمٍ ۗ كَذَٰلِكَ زَيَّنَّا لِكُلِّ أُمَّةٍ عَمَلَهُمْ ثُمَّ إِلَىٰ رَبِّهِم مَّرْجِعُهُمْ فَيُنَبِّئُهُم بِمَا كَانُوا يَعْمَلُونَ
Ary aoka ianareo tsy hanompa ireo izay antsoin’izy ireo ankoatr’i Allah, ka hanompa Allah amim-pankahalana (amim-pietraketrahana) ao anaty tsy fahalalana izy ireo. Tahaka izany koa, nohatsarainay tamin’ny vahoaka tsirairay ny asany ary any amin’ny Tompon’izy ireo no fiverenan’izy ireo, ka ho lazainy azy ireo ny asa rehetra izay nataony.
109وَأَقْسَمُوا بِاللَّهِ جَهْدَ أَيْمَانِهِمْ لَئِن جَاءَتْهُمْ آيَةٌ لَّيُؤْمِنُنَّ بِهَا ۚ قُلْ إِنَّمَا الْآيَاتُ عِندَ اللَّهِ ۖ وَمَا يُشْعِرُكُمْ أَنَّهَا إِذَا جَاءَتْ لَا يُؤْمِنُونَ
Ary mianiana amin’I Allah izy ireo eram-po tamin’ireo finianany, raha misy fahagagana tonga amin’izy ireo dia tena hino izany izy ireo. Teneno hoe : “Tena marina fa ireo fahagagana dia miankina amin’I Allah”. Ary inona àry no ahatsapanareo (ry mpino) raha tonga tokoa izany, dia tsy hino ihany izy ireo ?
Al-An'amFizahan-takila Koraña
165Andininy
MeccanRevelation
107Andininy

Fandikana — Al-An'am 107

Surah Al-An'am Andininy 107 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary raha sitrak’I Allah dia tsy nanakambana Azy amin’ny zavatra…

Surah Andininy 107/165 — Al-An'am الأنعام (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-An'am Henoy, Al-An'am Fandikana, Al-An'am mp3, Al-An'am pdf. Andininy 105–109. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers