Al-A'raf · 147/206
Fandikana Fanononana — Al-A'raf
وَالَّذِينَ كَذَّبُوا بِآيَاتِنَا وَلِقَاءِ الْآخِرَةِ حَبِطَتْ أَعْمَالُهُمْ ۚ هَلْ يُجْزَوْنَ إِلَّا مَا كَانُوا يَعْمَلُونَ ۝١٤٧
Wallazeena kazzaboo bi Aayaatinaa wa liqaaa`il Aakhirati habitat `amaaluhum; hal yujzawna illaa maa kaanoo ya`maloon
📖 Dikany Malagasy
Ary ireo izay milaza fa lainga ny famantaranay sy ny fihaonana amin’ny fiainana any an-koatra, dia foana ny asan’izy ireo. Moa ve omena valiny izy ireo afa-tsy amin’ny izay asa nataon’izy ireo ihany ?
🎧 Henoy

📜 Andininy 145-149 — Al-A'raf

145وَكَتَبْنَا لَهُ فِي الْأَلْوَاحِ مِن كُلِّ شَيْءٍ مَّوْعِظَةً وَتَفْصِيلًا لِّكُلِّ شَيْءٍ فَخُذْهَا بِقُوَّةٍ وَأْمُرْ قَوْمَكَ يَأْخُذُوا بِأَحْسَنِهَا ۚ سَأُرِيكُمْ دَارَ الْفَاسِقِينَ
Ary nosoratanay ho Azy, tamin’ny takela-bato, ny fananarana mikasika ny zava-drehetra sy ny fanazavana amin’ny antsipiriany. Raiso izany ary tazony mafy, ka didio ny vahoakanao handray izany amin’ny tsara indrindra. Tsy ho ela dia hasehoko anareo ny fonenan’ireo mpanao asa ratsy.
146سَأَصْرِفُ عَنْ آيَاتِيَ الَّذِينَ يَتَكَبَّرُونَ فِي الْأَرْضِ بِغَيْرِ الْحَقِّ وَإِن يَرَوْا كُلَّ آيَةٍ لَّا يُؤْمِنُوا بِهَا وَإِن يَرَوْا سَبِيلَ الرُّشْدِ لَا يَتَّخِذُوهُ سَبِيلًا وَإِن يَرَوْا سَبِيلَ الْغَيِّ يَتَّخِذُوهُ سَبِيلًا ۚ ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمْ كَذَّبُوا بِآيَاتِنَا وَكَانُوا عَنْهَا غَافِلِينَ
Halaviriko amin’ireo famantarana avy Amiko ireo izay miavonavona tsy amim-pahamarinana eto an-tany. Na dia mahita ny fahagagana rehetra aza izy ireo dia tsy hino izany. Ary na dia mahita ny lalana tsara aza izy ireo, dia tsy handray izany ho lalan-kaleha. Fa raha mahita ny lalan’ny fahaverezana izy ireo, dia raisin’izy ireo ho lalan-kaleha izany. Izany dia satria, milaza ireo famantarana avy Aminay ho lainga izy ireo ka tsy miraharaha izany.
147وَالَّذِينَ كَذَّبُوا بِآيَاتِنَا وَلِقَاءِ الْآخِرَةِ حَبِطَتْ أَعْمَالُهُمْ ۚ هَلْ يُجْزَوْنَ إِلَّا مَا كَانُوا يَعْمَلُونَ
Ary ireo izay milaza fa lainga ny famantaranay sy ny fihaonana amin’ny fiainana any an-koatra, dia foana ny asan’izy ireo. Moa ve omena valiny izy ireo afa-tsy amin’ny izay asa nataon’izy ireo ihany ?
148وَاتَّخَذَ قَوْمُ مُوسَىٰ مِن بَعْدِهِ مِنْ حُلِيِّهِمْ عِجْلًا جَسَدًا لَّهُ خُوَارٌ ۚ أَلَمْ يَرَوْا أَنَّهُ لَا يُكَلِّمُهُمْ وَلَا يَهْدِيهِمْ سَبِيلًا ۘ اتَّخَذُوهُ وَكَانُوا ظَالِمِينَ
Ary ireo vahoakan’i Mosesy taorian’ny nandehanany dia nanamboatra vatana zanak’omby lahy mitrena avy tamin’ny firavak’izy ireo. Moa ve tsy hitan’izy ireo fa tsy afaka miresaka amin’izy ireo no sady tsy mitari-dalana azy ireo amin’ny lala-mihitsy izany ? Noraisin’izy ireo izany, ary izy ireo dia mpanao ny tsy rariny.
149وَلَمَّا سُقِطَ فِي أَيْدِيهِمْ وَرَأَوْا أَنَّهُمْ قَدْ ضَلُّوا قَالُوا لَئِن لَّمْ يَرْحَمْنَا رَبُّنَا وَيَغْفِرْ لَنَا لَنَكُونَنَّ مِنَ الْخَاسِرِينَ
Ary rehefa nahatsapa fanenenana izy ireo, sy nahita fa tena very lalana tokoa, dia niteny izy ireo nanao hoe : “Raha toa ka tsy mamindra fo aminay sy tsy mamela ny helokay ny Tomponay dia tena anisan’ireo maty antoka izahay”.
Al-A'rafFizahan-takila Koraña
206Andininy
MeccanRevelation
147Andininy

Fandikana — Al-A'raf 147

Surah Al-A'raf Andininy 147 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary ireo izay milaza fa lainga ny famantaranay sy ny…

Surah Andininy 147/206 — Al-A'raf الأعراف (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-A'raf Henoy, Al-A'raf Fandikana, Al-A'raf mp3, Al-A'raf pdf. Andininy 145–149. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers