Al-A'raf · 154/206
Fandikana Fanononana — Al-A'raf
وَلَمَّا سَكَتَ عَن مُّوسَى الْغَضَبُ أَخَذَ الْأَلْوَاحَ ۖ وَفِي نُسْخَتِهَا هُدًى وَرَحْمَةٌ لِّلَّذِينَ هُمْ لِرَبِّهِمْ يَرْهَبُونَ ۝١٥٤
Wa lammaa sakata `am Moosal ghadabu akhazal al waaha wa fee nnuskhatihaa hudanw wa rahmatul lillazeena hum li Rabbihim yarhaboon
📖 Dikany Malagasy
Ary rehefa nitony ny fahatezeran’i Mosesy dia noraisiny ilay takela-bato. Ary voarakitra tao anaty lahatsoratr’izany ny tari-dàlana sy ny famindram-po ho an’ireo izay matahotra ny Tompon’izy ireo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 152-156 — Al-A'raf

152إِنَّ الَّذِينَ اتَّخَذُوا الْعِجْلَ سَيَنَالُهُمْ غَضَبٌ مِّن رَّبِّهِمْ وَذِلَّةٌ فِي الْحَيَاةِ الدُّنْيَا ۚ وَكَذَٰلِكَ نَجْزِي الْمُفْتَرِينَ
Ireo izay nandray ny zanak’omby (ho Zanahariny) dia hianjady amin’izy ireo ny hatezeran’ny Tompony, sy ny fahambaniana amin’ny fiainana eto an-tany. Tahaka izany no hamalianay ny asan’ireo mpamoron-dainga .
153وَالَّذِينَ عَمِلُوا السَّيِّئَاتِ ثُمَّ تَابُوا مِن بَعْدِهَا وَآمَنُوا إِنَّ رَبَّكَ مِن بَعْدِهَا لَغَفُورٌ رَّحِيمٌ
Ary ireo izay nanao asa ratsy, avy eo izy ireo dia nibebaka taorian’izany sy nino.Marina fa ny Tomponao, aorian’izany, dia tena be Famelan-keloka sy be Fiantrana.
154وَلَمَّا سَكَتَ عَن مُّوسَى الْغَضَبُ أَخَذَ الْأَلْوَاحَ ۖ وَفِي نُسْخَتِهَا هُدًى وَرَحْمَةٌ لِّلَّذِينَ هُمْ لِرَبِّهِمْ يَرْهَبُونَ
Ary rehefa nitony ny fahatezeran’i Mosesy dia noraisiny ilay takela-bato. Ary voarakitra tao anaty lahatsoratr’izany ny tari-dàlana sy ny famindram-po ho an’ireo izay matahotra ny Tompon’izy ireo.
155وَاخْتَارَ مُوسَىٰ قَوْمَهُ سَبْعِينَ رَجُلًا لِّمِيقَاتِنَا ۖ فَلَمَّا أَخَذَتْهُمُ الرَّجْفَةُ قَالَ رَبِّ لَوْ شِئْتَ أَهْلَكْتَهُم مِّن قَبْلُ وَإِيَّايَ ۖ أَتُهْلِكُنَا بِمَا فَعَلَ السُّفَهَاءُ مِنَّا ۖ إِنْ هِيَ إِلَّا فِتْنَتُكَ تُضِلُّ بِهَا مَن تَشَاءُ وَتَهْدِي مَن تَشَاءُ ۖ أَنتَ وَلِيُّنَا فَاغْفِرْ لَنَا وَارْحَمْنَا ۖ وَأَنتَ خَيْرُ الْغَافِرِينَ
Ary nisafidy fitopolo lahy tamin’ireo vahoakany i Mosesy hiatrika ny fihaonana Aminay. Ary rehefa namely azy ireo ny horohoron-tany, dia niteny Izy (Mosa) nanao hoe : “Tompoko ! Raha sitrakao dia naringanao izy ireo teo aloha sy ny tenako. Haringanao ve izahay noho izay nataon’ireo kely fisainana taminay ? Tsy inona akory izany fa fitsapana avy Aminao ihany, ary amin’izany no hamerezanao izay sitrakao sy hitarihanao làlana izay sitrakao. Ianao no Mpiahy anay. Ka mamelà anay ary mamindra-fo aminay, fa Ianao no Mendrika indrindra amin’ireo mpamela heloka.
156۞ وَاكْتُبْ لَنَا فِي هَٰذِهِ الدُّنْيَا حَسَنَةً وَفِي الْآخِرَةِ إِنَّا هُدْنَا إِلَيْكَ ۚ قَالَ عَذَابِي أُصِيبُ بِهِ مَنْ أَشَاءُ ۖ وَرَحْمَتِي وَسِعَتْ كُلَّ شَيْءٍ ۚ فَسَأَكْتُبُهَا لِلَّذِينَ يَتَّقُونَ وَيُؤْتُونَ الزَّكَاةَ وَالَّذِينَ هُم بِآيَاتِنَا يُؤْمِنُونَ
Ary soraty ho anay ny tsara, eto an-tany sy any an-koatra, indro izahay dia hiverina Aminao am-panetrehan-tena”. Niteny Izy nanao hoe : “Ny famaizako dia ataoko mahazo izay sitrako, ary ny famindram-poko dia mahenika ny zava-drehetra, ho soratako izany ho an’ireo izay manam-patahorana sy mamoaka ny Zakat, ary ireo izay mino ny fanambaranay".
Al-A'rafFizahan-takila Koraña
206Andininy
MeccanRevelation
154Andininy

Fandikana — Al-A'raf 154

Surah Al-A'raf Andininy 154 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary rehefa nitony ny fahatezeran’i Mosesy dia noraisiny ilay takela-bato.…

Surah Andininy 154/206 — Al-A'raf الأعراف (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-A'raf Henoy, Al-A'raf Fandikana, Al-A'raf mp3, Al-A'raf pdf. Andininy 152–156. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers