Al-A'raf · 26/206
Fandikana Fanononana — Al-A'raf
يَا بَنِي آدَمَ قَدْ أَنزَلْنَا عَلَيْكُمْ لِبَاسًا يُوَارِي سَوْآتِكُمْ وَرِيشًا ۖ وَلِبَاسُ التَّقْوَىٰ ذَٰلِكَ خَيْرٌ ۚ ذَٰلِكَ مِنْ آيَاتِ اللَّهِ لَعَلَّهُمْ يَذَّكَّرُونَ ۝٢٦
Yaa Baneee Aadama qad anzalnaa `alaikum libaasany yuwaaree saw aatikum wa reeshanw wa libaasut taqwaa zaalika khair; zaalika min Aayaatil laahi la`allahum yaz zakkaroon
📖 Dikany Malagasy
Oh ry taranak’i Adama ! Efa nampidina fitafiana taminareo izahay mba hanafenanareo ny fitanjahanareo sy mba ho haingo ho anareo, ary ny fitafian’ny fatahorana no tsara indrindra. Izany dia anisan’ireo famantaran’I Allah, angamba hahatsiaro tena izy ireo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 24-28 — Al-A'raf

24قَالَ اهْبِطُوا بَعْضُكُمْ لِبَعْضٍ عَدُوٌّ ۖ وَلَكُمْ فِي الْأَرْضِ مُسْتَقَرٌّ وَمَتَاعٌ إِلَىٰ حِينٍ
Niteny Izy (Allah) nanao hoe : “Midìna ianareo, ho mpifahavalo ianareo samy ianareo, hisy fonenana sy fahafinaretana ho anareo eny ambonin’ny tany mandritra ny fotoana voafetra”.
25قَالَ فِيهَا تَحْيَوْنَ وَفِيهَا تَمُوتُونَ وَمِنْهَا تُخْرَجُونَ
Niteny Izy (Allah) nanao hoe : “Eny (ambonin’ny tany) no hiainanareo ary eny koa no hahafatesanareo, ary avy ao (anaty tany) no hamoahana anareo indray”.
26يَا بَنِي آدَمَ قَدْ أَنزَلْنَا عَلَيْكُمْ لِبَاسًا يُوَارِي سَوْآتِكُمْ وَرِيشًا ۖ وَلِبَاسُ التَّقْوَىٰ ذَٰلِكَ خَيْرٌ ۚ ذَٰلِكَ مِنْ آيَاتِ اللَّهِ لَعَلَّهُمْ يَذَّكَّرُونَ
Oh ry taranak’i Adama ! Efa nampidina fitafiana taminareo izahay mba hanafenanareo ny fitanjahanareo sy mba ho haingo ho anareo, ary ny fitafian’ny fatahorana no tsara indrindra. Izany dia anisan’ireo famantaran’I Allah, angamba hahatsiaro tena izy ireo.
27يَا بَنِي آدَمَ لَا يَفْتِنَنَّكُمُ الشَّيْطَانُ كَمَا أَخْرَجَ أَبَوَيْكُم مِّنَ الْجَنَّةِ يَنزِعُ عَنْهُمَا لِبَاسَهُمَا لِيُرِيَهُمَا سَوْآتِهِمَا ۗ إِنَّهُ يَرَاكُمْ هُوَ وَقَبِيلُهُ مِنْ حَيْثُ لَا تَرَوْنَهُمْ ۗ إِنَّا جَعَلْنَا الشَّيَاطِينَ أَوْلِيَاءَ لِلَّذِينَ لَا يُؤْمِنُونَ
Oh ry taranak’i Adama ! Aoka tsy hampiditra fakam-panahy aminareo i Satana tahaka ny namoahany ny ray aman-drenibenareo avy tao amin’ny paradisa, no sady nesoriny tamin’izy ireo ny fitafiany mba hampiharihariany amin’izy ireo ny fitanjahany. Tena mahita anareo izy sy ireo mpiray tsikombakomba aminany, nefa ianareo tsy mahita azy ireo. Marina fa Izy dia nanendry ireo Satana ho sakaizan’ireo izay tsy mino.
28وَإِذَا فَعَلُوا فَاحِشَةً قَالُوا وَجَدْنَا عَلَيْهَا آبَاءَنَا وَاللَّهُ أَمَرَنَا بِهَا ۗ قُلْ إِنَّ اللَّهَ لَا يَأْمُرُ بِالْفَحْشَاءِ ۖ أَتَقُولُونَ عَلَى اللَّهِ مَا لَا تَعْلَمُونَ
Ary raha manao asa vetaveta izy ireo dia niteny hoe : “Izahay dia nahita ireo razambenay tamin’izany ary i Allah no nandidy izany taminay”. Teneno hoe : “Allah dia tsy mandidy amin'ny fahavetavetana. Miteny mahakasik’i Allah amin’izay tsy fantatrareo ve ianareo?”
Al-A'rafFizahan-takila Koraña
206Andininy
MeccanRevelation
26Andininy

Fandikana — Al-A'raf 26

Surah Al-A'raf Andininy 26 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Oh ry taranak’i Adama ! Efa nampidina fitafiana taminareo izahay…

Surah Andininy 26/206 — Al-A'raf الأعراف (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-A'raf Henoy, Al-A'raf Fandikana, Al-A'raf mp3, Al-A'raf pdf. Andininy 24–28. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers