PDF —
15 Andininy Meccan PDF
Built right in your browser — download starts automatically

Surah Ash-Shams pdf — Alaino (Malagasy)

Surah Ash-Shams pdf Malagasy — Alaino Surah Ash-Shams Fandikana. Surah Ash-Shams (Meccan) 15 Andininy.

← Al-BaladSurah Ash-Shams Al-Layl →


15 Andininy · Meccan · Malagasy
bismillah
ﭜﭝﭞ
91:1 Mianiana Aho amin'ny masoandro sy ny fisandratany.
ﭟﭠﭡﭢ
91:2 Sy amin'ny volana rehefa nandimby ny masoandro Izy.
ﭣﭤﭥﭦ
91:3 Sy amin'ny andro rehefa mibaliaka ny masoandro,
ﭧﭨﭩﭪ
91:4 Sy amin'ny alina rehefa mandrakotra ny andro izy,
ﭫﭬﭭﭮ
91:5 Sy amin'ny lanitra sy izay nahariana azy,
ﭯﭰﭱﭲ
91:6 Sy amin'ny tany sy izay nampitoviana aminy tamin'ny namelarana azy.
ﭳﭴﭵﭶ
91:7 Sy amin'ny fanahy sy izay nandavorariany azy.
ﭷﭸﭹﭺ
91:8 Izay nampahafantatra azy ny fitondran-tena ratsy sy ny fahaizana mitandrina.
ﭻﭼﭽﭾﭿ
91:9 Sambatra tokoa izay nanadio ny fanahiny,
ﮀﮁﮂﮃﮄ
91:10 Ary tena maty antoka izay nandoto ny azy.
ﮅﮆﮇﮈ
91:11 Nandà tamin'ny alalan'ny fihoaram-pefy ireo vahoaka Thamodo.
ﮉﮊﮋﮌ
91:12 Rehefa nitsangana ilay mahantra indrindra tamin'izy ireo mba hamono ilay rameva.
ﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓﮔ
91:13 Ka niteny tamin'izy ireo ny irak'I Allah hoe : " tandremo fa ramevan'i Tompo Allah io ! Avelao izy hisotro rano."
ﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜ
91:14 Kanefa tsy nino izy ireo ary dia novonoiny ilay rameva. Ary nanafay azy rehetra noho izany ny Tompony, vokatry ny tsy fatahoran'izy ireo.
ﮝﮞﮟﮠ
91:15 Tsy nanan-tahotra na dia kely ny amin'ny mety ho vokatr'izany velively i Tompo Allah,

Koraña Masina


Wednesday, September 9, 2026

Don't forget us in your sincere prayers