Houd · 60/123
Fandikana Fanononana — Houd
وَأُتْبِعُوا فِي هَٰذِهِ الدُّنْيَا لَعْنَةً وَيَوْمَ الْقِيَامَةِ ۗ أَلَا إِنَّ عَادًا كَفَرُوا رَبَّهُمْ ۗ أَلَا بُعْدًا لِّعَادٍ قَوْمِ هُودٍ ۝٦٠
Wa utbi`oo fee haazihid dunyaa la`natanw wa Yawmal Qiyaamah; alaaa inna `Aadan kafaroo Rabbahum; alaa bu`dal li `Aadin qawmin Hood
📖 Dikany Malagasy
Ary narahana ozona izy ireo eto ambonin’ny tany sy amin’ny Andro Fitsanganana.Tena marina fa ireo Andy dia tsy nino ny Tompony. Ho ringana tanteraka anie ireo foko Andy izay vahoakan’i Hody !

🎧 Henoy


📜 Andininy 58-62 — Houd

58وَلَمَّا جَاءَ أَمْرُنَا نَجَّيْنَا هُودًا وَالَّذِينَ آمَنُوا مَعَهُ بِرَحْمَةٍ مِّنَّا وَنَجَّيْنَاهُم مِّنْ عَذَابٍ غَلِيظٍ
Ary rehefa tonga ny didinay, dia novonjenay i Hody tamin’ny alalan’ny famindram-po avy Taminay, sy ireo izay nino niaraka Taminy. Ary navotanay tamin’ny sazy henjana izy ireo.
59وَتِلْكَ عَادٌ ۖ جَحَدُوا بِآيَاتِ رَبِّهِمْ وَعَصَوْا رُسُلَهُ وَاتَّبَعُوا أَمْرَ كُلِّ جَبَّارٍ عَنِيدٍ
Indro ireo (vahoaka) Andy, nandà ireo famantarana avy amin’ny Tompon’izy ireo, tsy nankato ireo Irany fa nanaraka kosa ny didin’ireo mpanefoefo mahery loha.
60وَأُتْبِعُوا فِي هَٰذِهِ الدُّنْيَا لَعْنَةً وَيَوْمَ الْقِيَامَةِ ۗ أَلَا إِنَّ عَادًا كَفَرُوا رَبَّهُمْ ۗ أَلَا بُعْدًا لِّعَادٍ قَوْمِ هُودٍ
Ary narahana ozona izy ireo eto ambonin’ny tany sy amin’ny Andro Fitsanganana.Tena marina fa ireo Andy dia tsy nino ny Tompony. Ho ringana tanteraka anie ireo foko Andy izay vahoakan’i Hody !
61۞ وَإِلَىٰ ثَمُودَ أَخَاهُمْ صَالِحًا ۚ قَالَ يَا قَوْمِ اعْبُدُوا اللَّهَ مَا لَكُم مِّنْ إِلَٰهٍ غَيْرُهُ ۖ هُوَ أَنشَأَكُم مِّنَ الْأَرْضِ وَاسْتَعْمَرَكُمْ فِيهَا فَاسْتَغْفِرُوهُ ثُمَّ تُوبُوا إِلَيْهِ ۚ إِنَّ رَبِّي قَرِيبٌ مُّجِيبٌ
Ary (nalefanay) tamin’ireo foko Samody, ny ralahin’izy ireo Soalihy, izay nilaza ka nanao hoe : " Oh ry vahoakako ! tompoinareo i Allah. Tsy manana Zanahary hafa afa-tsy Izy ihany ianareo. Avy tamin’ny tany no nahariany Anareo, ary nataony ho nameno izany (tany) Ianareo. Koa mangataha famelan-keloka Aminy àry Ianareo, avy eo dia mibebaha Aminy Ihany koa. Tena marina fa ny Tompoko dia akaiky, ary mamaly lalandava ny hataka.
62قَالُوا يَا صَالِحُ قَدْ كُنتَ فِينَا مَرْجُوًّا قَبْلَ هَٰذَا ۖ أَتَنْهَانَا أَن نَّعْبُدَ مَا يَعْبُدُ آبَاؤُنَا وَإِنَّنَا لَفِي شَكٍّ مِّمَّا تَدْعُونَا إِلَيْهِ مُرِيبٍ
Namaly izy ireo ka nanao hoe : " Oh ry Soalihy ! taloha Ianao dia fanantenana tokoa ho Anay. Moa ve raranao Izahay hanompo izay efa notompoin’ny Razambenay ? Ankehitriny Izahay, dia hipetrahan’ny fisalasalana fatratra mahakasika izay hiantsoanao Anay.
HoudFizahan-takila Koraña
123Andininy
MeccanRevelation
60Andininy

Fandikana — Houd 60

Surah Houd Andininy 60 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary narahana ozona izy ireo eto ambonin’ny tany sy amin’ny…

Surah Andininy 60/123 — Houd هود (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Houd Henoy, Houd Fandikana, Houd mp3, Houd pdf. Andininy 58–62. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers