Al-Isra · 22/111
Fandikana Fanononana — Al-Isra
لَّا تَجْعَلْ مَعَ اللَّهِ إِلَٰهًا آخَرَ فَتَقْعُدَ مَذْمُومًا مَّخْذُولًا ۝٢٢
Laa taj`al ma`al laahi ilaahan aakhara fataq`uda mazoomam makhzoolaa
📖 Dikany Malagasy
Aza atao mihitsy ny mampitambatra an'I Allah amin’ny zanahary hafa raha tsy izany dia hipetraka ho voaheso sy hilaozana ianao.
🎧 Henoy

📜 Andininy 20-24 — Al-Isra

20كُلًّا نُّمِدُّ هَٰؤُلَاءِ وَهَٰؤُلَاءِ مِنْ عَطَاءِ رَبِّكَ ۚ وَمَا كَانَ عَطَاءُ رَبِّكَ مَحْظُورًا
Ny tsirairay dia hampianay na ny andaniny na ny ankilany, amin’ny fanomezan’ny Tomponao. Ary tsy ho lavina (na amin’iza na amin’iza)ny fanomezana avy amin’ny Tomponao.
21انظُرْ كَيْفَ فَضَّلْنَا بَعْضَهُمْ عَلَىٰ بَعْضٍ ۚ وَلَلْآخِرَةُ أَكْبَرُ دَرَجَاتٍ وَأَكْبَرُ تَفْضِيلًا
Jereo, fa ahoana àry ny fanomezanay tombony ny sasany amin’izy ireo mihoatra ny sasany hafa ! Ary ny any ankoatra dia ambony kokoa amin’ny laharana sy amin’ny fahamendrehana.
22لَّا تَجْعَلْ مَعَ اللَّهِ إِلَٰهًا آخَرَ فَتَقْعُدَ مَذْمُومًا مَّخْذُولًا
Aza atao mihitsy ny mampitambatra an'I Allah amin’ny zanahary hafa raha tsy izany dia hipetraka ho voaheso sy hilaozana ianao.
23۞ وَقَضَىٰ رَبُّكَ أَلَّا تَعْبُدُوا إِلَّا إِيَّاهُ وَبِالْوَالِدَيْنِ إِحْسَانًا ۚ إِمَّا يَبْلُغَنَّ عِندَكَ الْكِبَرَ أَحَدُهُمَا أَوْ كِلَاهُمَا فَلَا تَقُل لَّهُمَا أُفٍّ وَلَا تَنْهَرْهُمَا وَقُل لَّهُمَا قَوْلًا كَرِيمًا
Ary nandidy ny Tomponao nanao hoe : “Aza manompo afa-tsy Izy ihany ianareo ary manaova soa amin’ireo Ray aman-dreny. Raha tratran’ny fahanterany eo anatrehanao ny iray amin’izy ireo na izy roa mihitsy, dia aza miteny amin’izy ireo hoe : “Eisy !” ary aza mandrahona azy ireo ianao, fa mitenena amin’izy ireo teny feno fanajana.
24وَاخْفِضْ لَهُمَا جَنَاحَ الذُّلِّ مِنَ الرَّحْمَةِ وَقُل رَّبِّ ارْحَمْهُمَا كَمَا رَبَّيَانِي صَغِيرًا
Ary milefera tanteraka amin’izy ireo ianao amin’ny alalan’ny famindram-po ka mitenena hoe : “Tompo ô ! Mamindrà fo amin’izy roa ireo Ianao tahaka ny nitaizan’izy ireo ahy fony mbola kely”.
Al-IsraFizahan-takila Koraña
111Andininy
MeccanRevelation
22Andininy

Fandikana — Al-Isra 22

Surah Al-Isra Andininy 22 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Aza atao mihitsy ny mampitambatra an'I Allah amin’ny zanahary hafa…

Surah Andininy 22/111 — Al-Isra الإسراء (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Isra Henoy, Al-Isra Fandikana, Al-Isra mp3, Al-Isra pdf. Andininy 20–24. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers