Al-Isra · 24/111
Fandikana Fanononana — Surah Al-Isra
وَاخْفِضْ لَهُمَا جَنَاحَ الذُّلِّ مِنَ الرَّحْمَةِ وَقُل رَّبِّ ارْحَمْهُمَا كَمَا رَبَّيَانِي صَغِيرًا ۝٢٤
Wakhfid lahumaa janaahaz zulli minar rahmati wa qur Rabbir hamhumaa kamaa rabbayaanee sagheera
📖 Dikany Malagasy
Ary milefera tanteraka amin’izy ireo ianao amin’ny alalan’ny famindram-po ka mitenena hoe : “Tompo ô ! Mamindrà fo amin’izy roa ireo Ianao tahaka ny nitaizan’izy ireo ahy fony mbola kely”.

🎧 Henoy


📜 Andininy 22-26 — Surah Al-Isra

22لَّا تَجْعَلْ مَعَ اللَّهِ إِلَٰهًا آخَرَ فَتَقْعُدَ مَذْمُومًا مَّخْذُولًا
Aza atao mihitsy ny mampitambatra an'I Allah amin’ny zanahary hafa raha tsy izany dia hipetraka ho voaheso sy hilaozana ianao.
23۞ وَقَضَىٰ رَبُّكَ أَلَّا تَعْبُدُوا إِلَّا إِيَّاهُ وَبِالْوَالِدَيْنِ إِحْسَانًا ۚ إِمَّا يَبْلُغَنَّ عِندَكَ الْكِبَرَ أَحَدُهُمَا أَوْ كِلَاهُمَا فَلَا تَقُل لَّهُمَا أُفٍّ وَلَا تَنْهَرْهُمَا وَقُل لَّهُمَا قَوْلًا كَرِيمًا
Ary nandidy ny Tomponao nanao hoe : “Aza manompo afa-tsy Izy ihany ianareo ary manaova soa amin’ireo Ray aman-dreny. Raha tratran’ny fahanterany eo anatrehanao ny iray amin’izy ireo na izy roa mihitsy, dia aza miteny amin’izy ireo hoe : “Eisy !” ary aza mandrahona azy ireo ianao, fa mitenena amin’izy ireo teny feno fanajana.
24وَاخْفِضْ لَهُمَا جَنَاحَ الذُّلِّ مِنَ الرَّحْمَةِ وَقُل رَّبِّ ارْحَمْهُمَا كَمَا رَبَّيَانِي صَغِيرًا
Ary milefera tanteraka amin’izy ireo ianao amin’ny alalan’ny famindram-po ka mitenena hoe : “Tompo ô ! Mamindrà fo amin’izy roa ireo Ianao tahaka ny nitaizan’izy ireo ahy fony mbola kely”.
25رَّبُّكُمْ أَعْلَمُ بِمَا فِي نُفُوسِكُمْ ۚ إِن تَكُونُوا صَالِحِينَ فَإِنَّهُ كَانَ لِلْأَوَّابِينَ غَفُورًا
Ny Tomponareo dia mahalala indrindra izay ao amin’ny tenanareo. Raha tsara fanahy ianareo, dia tena Mpamela heloka tokoa Izy ho an’ireo izay miverina (mibebaka) Aminy.
26وَآتِ ذَا الْقُرْبَىٰ حَقَّهُ وَالْمِسْكِينَ وَابْنَ السَّبِيلِ وَلَا تُبَذِّرْ تَبْذِيرًا
Ary omeo ireo havana akaiky ny zony, ary koa ny mahantra sy ny mpandeha lavitra. Ary aza manao ny fandanindaniam-poana.
Al-IsraFizahan-takila Koraña
111Andininy
MeccanRevelation
24Andininy

Fandikana — Al-Isra 24

Surah Al-Isra Andininy 24 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary milefera tanteraka amin’izy ireo ianao amin’ny alalan’ny famindram-po ka…

Surah Andininy 24/111 — Surah Al-Isra الإسراء (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah Al-Isra Henoy, Surah Al-Isra Fandikana, Surah Al-Isra mp3, Surah Al-Isra pdf. Andininy 22–26. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers