Al-Isra · 6/111
Fandikana Fanononana — Al-Isra
ثُمَّ رَدَدْنَا لَكُمُ الْكَرَّةَ عَلَيْهِمْ وَأَمْدَدْنَاكُم بِأَمْوَالٍ وَبَنِينَ وَجَعَلْنَاكُمْ أَكْثَرَ نَفِيرًا ۝٦
Summa radadnaa lakumul karrata `alaihim wa amdad-naakum-bi amwaalinuw wa baneen; wa ja`alnaakum aksara nafeeraa
📖 Dikany Malagasy
Avy eo, dia naverinay taminareo ny tanjaka hamaly faty azy ireo ary nampitomboinay tanjaka ianareo amin’ny fananana harena sy zanaka. Ka nataonay vahoaka maro an’isa tokoa ianareo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 4-8 — Al-Isra

4وَقَضَيْنَا إِلَىٰ بَنِي إِسْرَائِيلَ فِي الْكِتَابِ لَتُفْسِدُنَّ فِي الْأَرْضِ مَرَّتَيْنِ وَلَتَعْلُنَّ عُلُوًّا كَبِيرًا
Ary nataonay didy tamin’ny zanak’Israely tao amin’ny Boky (Taoraty) manao hoe : “Tena hanao fanimbana eto ambonin’ny tany in-droa miantoana ianareo ary handika lalàna amin’ny fomba diso tafahoatra ianareo”.
5فَإِذَا جَاءَ وَعْدُ أُولَاهُمَا بَعَثْنَا عَلَيْكُمْ عِبَادًا لَّنَا أُولِي بَأْسٍ شَدِيدٍ فَجَاسُوا خِلَالَ الدِّيَارِ ۚ وَكَانَ وَعْدًا مَّفْعُولًا
Nony tonga ny fanatanterahana ny voalohany tamin’ireo (faminaniana) anankiroa, dia nalefanay nanohitra anareo ny sasantsasany tamin’ireo mpanomponay, manana tanjaka mahery, izay niditra tamin’ireo trano fonenana. Dia tanteraka tokoa ny faminaniana (voalohany).
6ثُمَّ رَدَدْنَا لَكُمُ الْكَرَّةَ عَلَيْهِمْ وَأَمْدَدْنَاكُم بِأَمْوَالٍ وَبَنِينَ وَجَعَلْنَاكُمْ أَكْثَرَ نَفِيرًا
Avy eo, dia naverinay taminareo ny tanjaka hamaly faty azy ireo ary nampitomboinay tanjaka ianareo amin’ny fananana harena sy zanaka. Ka nataonay vahoaka maro an’isa tokoa ianareo.
7إِنْ أَحْسَنتُمْ أَحْسَنتُمْ لِأَنفُسِكُمْ ۖ وَإِنْ أَسَأْتُمْ فَلَهَا ۚ فَإِذَا جَاءَ وَعْدُ الْآخِرَةِ لِيَسُوءُوا وُجُوهَكُمْ وَلِيَدْخُلُوا الْمَسْجِدَ كَمَا دَخَلُوهُ أَوَّلَ مَرَّةٍ وَلِيُتَبِّرُوا مَا عَلَوْا تَتْبِيرًا
Raha manao ny tsara ianareo, dia nanao tsara tamin’ny tenanareo ihany ; ary raha manao ny ratsy ianareo dia ho anareo ihany. Ary rehefa tonga ny faminaniana farany, dia ny mba hampahorian'izy ireo ny endrikareo sy mba hidiran’izy ireo ao amin’ny toeram-pivavahana tahaka ny nidiran’izy ireo tamin’ny voalohany ary ny mba hanimban’izy ireo tanteraka izay voababon’izy ireo.
8عَسَىٰ رَبُّكُمْ أَن يَرْحَمَكُمْ ۚ وَإِنْ عُدتُّمْ عُدْنَا ۘ وَجَعَلْنَا جَهَنَّمَ لِلْكَافِرِينَ حَصِيرًا
Angamba hamindra fo aminareo ny Tomponareo (raha mibebaka ianareo). Nefa raha miverina (amin’ny fahotana) ianareo dia hiverina ihany koa Izahay (amin’ny fanasaziana). Ary nataonay toeram-pigadrana ny afobe, ho an’ireo tsy mpino.
Al-IsraFizahan-takila Koraña
111Andininy
MeccanRevelation
6Andininy

Fandikana — Al-Isra 6

Surah Al-Isra Andininy 6 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Avy eo, dia naverinay taminareo ny tanjaka hamaly faty azy…

Surah Andininy 6/111 — Al-Isra الإسراء (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Isra Henoy, Al-Isra Fandikana, Al-Isra mp3, Al-Isra pdf. Andininy 4–8. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers