Iloaran'i Imrana · 159/200
Fandikana Fanononana — Iloaran'i Imrana
فَبِمَا رَحْمَةٍ مِّنَ اللَّهِ لِنتَ لَهُمْ ۖ وَلَوْ كُنتَ فَظًّا غَلِيظَ الْقَلْبِ لَانفَضُّوا مِنْ حَوْلِكَ ۖ فَاعْفُ عَنْهُمْ وَاسْتَغْفِرْ لَهُمْ وَشَاوِرْهُمْ فِي الْأَمْرِ ۖ فَإِذَا عَزَمْتَ فَتَوَكَّلْ عَلَى اللَّهِ ۚ إِنَّ اللَّهَ يُحِبُّ الْمُتَوَكِّلِينَ ۝١٥٩
Fabimaa rahmatim minal laahi linta lahum wa law kunta fazzan ghaleezal qalbi lanfaddoo min hawlika fafu `anhum wastaghfir lahum wa shaawirhum fil amri fa izaa `azamta fatawakkal `alal laah; innallaaha yuhibbul mutawak kileen
📖 Dikany Malagasy
Nohon'ny indrafo avy amin’i Allah, dia nalemy Fo tamin’izy ireo Ianao. Ary raha Ianao no henjana sy mafy Fo, dia hiataka ny manodidina Anao izy ireo. Ka andefero àry izy ireo, sy angataho famelan-keloka. Ary makà hevitra amin’izy ireo, mahakasika ny raharaha izay atao Ianao. Koa rehefa tapa-kevitra Ianao, dia ankino amin’i Allah izany. Tena marina fa i Allah dia tia ireo mpiankina Aminy.
🎧 Henoy

📜 Andininy 157-161 — Iloaran'i Imrana

157وَلَئِن قُتِلْتُمْ فِي سَبِيلِ اللَّهِ أَوْ مُتُّمْ لَمَغْفِرَةٌ مِّنَ اللَّهِ وَرَحْمَةٌ خَيْرٌ مِّمَّا يَجْمَعُونَ
Ary raha novonoina tamin’ny lalàn’i Allah na maty Ianareo, eny, ny famelan-keloka avy amin’i Allah sy ny indrafony dia tsara lavitra noho izay voahangon’izy ireo.
158وَلَئِن مُّتُّمْ أَوْ قُتِلْتُمْ لَإِلَى اللَّهِ تُحْشَرُونَ
Ary raha maty na novonoina Ianareo dia tsy maintsy any amin’i Allah no hamoriana Anareo.
159فَبِمَا رَحْمَةٍ مِّنَ اللَّهِ لِنتَ لَهُمْ ۖ وَلَوْ كُنتَ فَظًّا غَلِيظَ الْقَلْبِ لَانفَضُّوا مِنْ حَوْلِكَ ۖ فَاعْفُ عَنْهُمْ وَاسْتَغْفِرْ لَهُمْ وَشَاوِرْهُمْ فِي الْأَمْرِ ۖ فَإِذَا عَزَمْتَ فَتَوَكَّلْ عَلَى اللَّهِ ۚ إِنَّ اللَّهَ يُحِبُّ الْمُتَوَكِّلِينَ
Nohon'ny indrafo avy amin’i Allah, dia nalemy Fo tamin’izy ireo Ianao. Ary raha Ianao no henjana sy mafy Fo, dia hiataka ny manodidina Anao izy ireo. Ka andefero àry izy ireo, sy angataho famelan-keloka. Ary makà hevitra amin’izy ireo, mahakasika ny raharaha izay atao Ianao. Koa rehefa tapa-kevitra Ianao, dia ankino amin’i Allah izany. Tena marina fa i Allah dia tia ireo mpiankina Aminy.
160إِن يَنصُرْكُمُ اللَّهُ فَلَا غَالِبَ لَكُمْ ۖ وَإِن يَخْذُلْكُمْ فَمَن ذَا الَّذِي يَنصُرُكُم مِّن بَعْدِهِ ۗ وَعَلَى اللَّهِ فَلْيَتَوَكَّلِ الْمُؤْمِنُونَ
Raha manampy Anareo i Allah dia tsy hisy handresy Anareo mihitsy, fa raha mandao Anareo kosa Izy (Allah), dia iza indray no hanampy Anareo aoriany ? Ary aoka amin’i Allah no iankinan’ny mpino rehetra.
161وَمَا كَانَ لِنَبِيٍّ أَن يَغُلَّ ۚ وَمَن يَغْلُلْ يَأْتِ بِمَا غَلَّ يَوْمَ الْقِيَامَةِ ۚ ثُمَّ تُوَفَّىٰ كُلُّ نَفْسٍ مَّا كَسَبَتْ وَهُمْ لَا يُظْلَمُونَ
Tsy ny Mpaminany (s.w.a) mihitsy no mibodo ny zavatra azo babo. N'iza n'iza mibodo ny zavatra azo babo, dia mitondra miaraka Aminy izay nobodoiny amin’ny Andro fitsanganana amin’ny maty Izy. Avy eo dia omena tanteraka ny tsirairay ny valin’asany, ary izy ireo dia tsy ho ambakaina.
Iloaran'i ImranaFizahan-takila Koraña
200Andininy
MedinanRevelation
159Andininy

Fandikana — Iloaran'i Imrana 159

Surah Iloaran'i Imrana Andininy 159 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Nohon'ny indrafo avy amin’i Allah, dia nalemy Fo tamin’izy ireo…

Surah Andininy 159/200 — Iloaran'i Imrana آل عمران (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Iloaran'i Imrana Henoy, Iloaran'i Imrana Fandikana, Iloaran'i Imrana mp3, Iloaran'i Imrana pdf. Andininy 157–161. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers