Al-Maidah · 66/120
Fandikana Fanononana — Al-Maidah
وَلَوْ أَنَّهُمْ أَقَامُوا التَّوْرَاةَ وَالْإِنجِيلَ وَمَا أُنزِلَ إِلَيْهِم مِّن رَّبِّهِمْ لَأَكَلُوا مِن فَوْقِهِمْ وَمِن تَحْتِ أَرْجُلِهِم ۚ مِّنْهُمْ أُمَّةٌ مُّقْتَصِدَةٌ ۖ وَكَثِيرٌ مِّنْهُمْ سَاءَ مَا يَعْمَلُونَ ۝٦٦
Wa law annahum aqaamut Tawraata wal Injeela wa maaa unzila ilaihim mir Rabbihim la akaloo min fawqihim wa min tahti arjulihim; minhum ummatum muqta sidatunw wa kaseerum minhum saaa`a maa ya`maloon
📖 Dikany Malagasy
Ary raha tena nampihatra ny Toraty sy Evanjily izy ireo sy izay nampidinina tamin’izy ireo avy tamin’ny Tompony dia tena nihinana an-kafaliana ny avy ao amboniny sy ny avy ao ambanin’ny tongony izy ireo. Misy amin’izy ireo no vahoaka mandala ny fomba mendrika ary maro amin’izy ireo no ratsy tokoa ny asa izay ataony.
🎧 Henoy

📜 Andininy 64-68 — Al-Maidah

64وَقَالَتِ الْيَهُودُ يَدُ اللَّهِ مَغْلُولَةٌ ۚ غُلَّتْ أَيْدِيهِمْ وَلُعِنُوا بِمَا قَالُوا ۘ بَلْ يَدَاهُ مَبْسُوطَتَانِ يُنفِقُ كَيْفَ يَشَاءُ ۚ وَلَيَزِيدَنَّ كَثِيرًا مِّنْهُم مَّا أُنزِلَ إِلَيْكَ مِن رَّبِّكَ طُغْيَانًا وَكُفْرًا ۚ وَأَلْقَيْنَا بَيْنَهُمُ الْعَدَاوَةَ وَالْبَغْضَاءَ إِلَىٰ يَوْمِ الْقِيَامَةِ ۚ كُلَّمَا أَوْقَدُوا نَارًا لِّلْحَرْبِ أَطْفَأَهَا اللَّهُ ۚ وَيَسْعَوْنَ فِي الْأَرْضِ فَسَادًا ۚ وَاللَّهُ لَا يُحِبُّ الْمُفْسِدِينَ
Ary niteny ireo jiosy hoe: "Ny tanan’I Allah dia mikombona". Ny Tanan’izy ireo no mikombona ary voahozona izy ireo noho ny teny nataony. Tsia! Ny tanany roa dia mivelatra tsara sy mizara araka izay sitrany Izy. Ary tena marina fa izay nampidinina taminao avy amin’ny Tomponao dia tena hampitombo betsaka amin’ny ankamaroan’izy ireo ny fihoaram-pefy sy ny tsy finoana. Ary norangitina tamin’izy ireo ny fifanoherana sy ny fifankahalana, mandra-pahatongan’ny andron’ny fitsanganana. Isaky izy ireo mandrehitra afo ho amin’ny ady dia vonoin’I Allah izany. Ary miezaka izy ireo mampiely eto ambonin-tany ny asa fanimbana. Ary I Allah dia tsy tia ireo mpanao ny asa fanimbana.
65وَلَوْ أَنَّ أَهْلَ الْكِتَابِ آمَنُوا وَاتَّقَوْا لَكَفَّرْنَا عَنْهُمْ سَيِّئَاتِهِمْ وَلَأَدْخَلْنَاهُمْ جَنَّاتِ النَّعِيمِ
Ary raha tena nino sy natahotra ireo olon’ny Boky dia tena nofafanay amin’izy ireo ny asa ratsiny ary tena ampidirinay ao anatin’ny zaridainan’ny fahasambarana (Paradisa) izy ireo.
66وَلَوْ أَنَّهُمْ أَقَامُوا التَّوْرَاةَ وَالْإِنجِيلَ وَمَا أُنزِلَ إِلَيْهِم مِّن رَّبِّهِمْ لَأَكَلُوا مِن فَوْقِهِمْ وَمِن تَحْتِ أَرْجُلِهِم ۚ مِّنْهُمْ أُمَّةٌ مُّقْتَصِدَةٌ ۖ وَكَثِيرٌ مِّنْهُمْ سَاءَ مَا يَعْمَلُونَ
Ary raha tena nampihatra ny Toraty sy Evanjily izy ireo sy izay nampidinina tamin’izy ireo avy tamin’ny Tompony dia tena nihinana an-kafaliana ny avy ao amboniny sy ny avy ao ambanin’ny tongony izy ireo. Misy amin’izy ireo no vahoaka mandala ny fomba mendrika ary maro amin’izy ireo no ratsy tokoa ny asa izay ataony.
67۞ يَا أَيُّهَا الرَّسُولُ بَلِّغْ مَا أُنزِلَ إِلَيْكَ مِن رَّبِّكَ ۖ وَإِن لَّمْ تَفْعَلْ فَمَا بَلَّغْتَ رِسَالَتَهُ ۚ وَاللَّهُ يَعْصِمُكَ مِنَ النَّاسِ ۗ إِنَّ اللَّهَ لَا يَهْدِي الْقَوْمَ الْكَافِرِينَ
Ry Iraka! Ampitao izay nampidinina taminao avy amin’ny Tomponao. Fa raha tsy manao izany ianao dia tsy tafitanao ny Hafany, ary I Allah dia hiaro anao amin’ny olombelona. Tena marina fa I Allah dia tsy mitari-dalana ireo vahoaka tsy mpino.
68قُلْ يَا أَهْلَ الْكِتَابِ لَسْتُمْ عَلَىٰ شَيْءٍ حَتَّىٰ تُقِيمُوا التَّوْرَاةَ وَالْإِنجِيلَ وَمَا أُنزِلَ إِلَيْكُم مِّن رَّبِّكُمْ ۗ وَلَيَزِيدَنَّ كَثِيرًا مِّنْهُم مَّا أُنزِلَ إِلَيْكَ مِن رَّبِّكَ طُغْيَانًا وَكُفْرًا ۖ فَلَا تَأْسَ عَلَى الْقَوْمِ الْكَافِرِينَ
Teneno hoe: “O ry olon’ny boky! Tsy inona na inona ianareo raha tsy mampihatra ny Taoraty sy ny Evanjily sy izay nampidinina taminareo avy tamin’ny Tomponareo”. Ary tena nampitombo ny fihoaram-pefy sy ny tsy finoana tamin’ny maro amin’izy ireo izay nampidinina taminao avy amin’ny Tomponao. Ka aza atao mampahory anao ny amin’ireo vahoaka tsy mpino.
Al-MaidahFizahan-takila Koraña
120Andininy
MedinanRevelation
66Andininy

Fandikana — Al-Maidah 66

Surah Al-Maidah Andininy 66 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary raha tena nampihatra ny Toraty sy Evanjily izy ireo…

Surah Andininy 66/120 — Al-Maidah المائدة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Maidah Henoy, Al-Maidah Fandikana, Al-Maidah mp3, Al-Maidah pdf. Andininy 64–68. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers