Al-An'am · 95/165
Fandikana Fanononana — Surah Al-An'am
۞ إِنَّ اللَّهَ فَالِقُ الْحَبِّ وَالنَّوَىٰ ۖ يُخْرِجُ الْحَيَّ مِنَ الْمَيِّتِ وَمُخْرِجُ الْمَيِّتِ مِنَ الْحَيِّ ۚ ذَٰلِكُمُ اللَّهُ ۖ فَأَنَّىٰ تُؤْفَكُونَ ۝٩٥
Innal laaha faaliqul habbi wannawaa yukhrijul haiya minal maiyiti wa mukhrijul maiyiti minal haiy; zaalikumul laahu fa annaa tu`fakoon
📖 Dikany Malagasy
Tena marina fa I Allah dia mamaky mason’ny voa sy ny vihy, Izy no mamoaka ny velona avy amin’ny maty ary mamoaka ny maty avy amin’ny velona. Toy izany I Allah. Ka ahoana àry ianareo no mbola mivily làlana ?

🎧 Henoy


📜 Andininy 93-97 — Surah Al-An'am

93وَمَنْ أَظْلَمُ مِمَّنِ افْتَرَىٰ عَلَى اللَّهِ كَذِبًا أَوْ قَالَ أُوحِيَ إِلَيَّ وَلَمْ يُوحَ إِلَيْهِ شَيْءٌ وَمَن قَالَ سَأُنزِلُ مِثْلَ مَا أَنزَلَ اللَّهُ ۗ وَلَوْ تَرَىٰ إِذِ الظَّالِمُونَ فِي غَمَرَاتِ الْمَوْتِ وَالْمَلَائِكَةُ بَاسِطُو أَيْدِيهِمْ أَخْرِجُوا أَنفُسَكُمُ ۖ الْيَوْمَ تُجْزَوْنَ عَذَابَ الْهُونِ بِمَا كُنتُمْ تَقُولُونَ عَلَى اللَّهِ غَيْرَ الْحَقِّ وَكُنتُمْ عَنْ آيَاتِهِ تَسْتَكْبِرُونَ
Ary iza no tena manao ny tsy rariny mihoatra izay mamoron-dainga mahakasik’I Allah, na koa miteny hoe : “Nandefasana fanambarana aho” nefa tsy nandefasana fanambarana akory izy na dia kely aza. Sy izay miteny hoe : “Hampidina mitovy amin’izay nampidinin’I Allah aho”. Raha hitanao ireo mpanao tsy rariny rehefa eo ambavahaonan’ny fahafatesana, ka manolotra ny tànany ireo anjely manao hoe : “Avoahy ny fanahinareo ! Fa androany dia omena anareo ny famaizan’ny fahafaham-baraka nohon'ny tsy marina izay noteneninareo mahakasik’I Allah, ary noho ianareo nanambony tena tamin’ireo famantarany.
94وَلَقَدْ جِئْتُمُونَا فُرَادَىٰ كَمَا خَلَقْنَاكُمْ أَوَّلَ مَرَّةٍ وَتَرَكْتُم مَّا خَوَّلْنَاكُمْ وَرَاءَ ظُهُورِكُمْ ۖ وَمَا نَرَىٰ مَعَكُمْ شُفَعَاءَكُمُ الَّذِينَ زَعَمْتُمْ أَنَّهُمْ فِيكُمْ شُرَكَاءُ ۚ لَقَد تَّقَطَّعَ بَيْنَكُمْ وَضَلَّ عَنكُم مَّا كُنتُمْ تَزْعُمُونَ
Ary efa tena tonga irery aty Aminay ianareo tahaka ny namoronanay anareo tamin’ny voalohany, ary navelanareo any an-damosinareo izay rehetra nomenay anareo. Ary tsy hitanay miaraka aminareo mihitsy ireo mpanelanelana izay noheverinareo ho mpikambana (amin’I Allah). Tena efa tapaka ny fifandraisana nisy taminareo, ary niala lavitra anareo izay noheverinareo (ho mpanelanelana).
95۞ إِنَّ اللَّهَ فَالِقُ الْحَبِّ وَالنَّوَىٰ ۖ يُخْرِجُ الْحَيَّ مِنَ الْمَيِّتِ وَمُخْرِجُ الْمَيِّتِ مِنَ الْحَيِّ ۚ ذَٰلِكُمُ اللَّهُ ۖ فَأَنَّىٰ تُؤْفَكُونَ
Tena marina fa I Allah dia mamaky mason’ny voa sy ny vihy, Izy no mamoaka ny velona avy amin’ny maty ary mamoaka ny maty avy amin’ny velona. Toy izany I Allah. Ka ahoana àry ianareo no mbola mivily làlana ?
96فَالِقُ الْإِصْبَاحِ وَجَعَلَ اللَّيْلَ سَكَنًا وَالشَّمْسَ وَالْقَمَرَ حُسْبَانًا ۚ ذَٰلِكَ تَقْدِيرُ الْعَزِيزِ الْعَلِيمِ
Izy no mpamoaka ny maraina mangiran-dratsy ary nataony ny alina ho fialan-tsasatra, ary ny masoandro sy ny volana ho fandrefesana ny fotoana. Izany no fandaharan’Ilay Mahery sy Ilay Mahalala ny zava-drehetra.
97وَهُوَ الَّذِي جَعَلَ لَكُمُ النُّجُومَ لِتَهْتَدُوا بِهَا فِي ظُلُمَاتِ الْبَرِّ وَالْبَحْرِ ۗ قَدْ فَصَّلْنَا الْآيَاتِ لِقَوْمٍ يَعْلَمُونَ
Ary Izy ilay nanao ho anareo ireo kintana mba hitari-dàlana anareo ao anatin’ny haizin’ny tanety sy ny ranomasina. Tena nohazavainay amin’ny an-tsipiriany ireo famantarana ho an’ireo vahoaka mahafantatra.
Al-An'amFizahan-takila Koraña
165Andininy
MeccanRevelation
95Andininy

Fandikana — Al-An'am 95

Surah Al-An'am Andininy 95 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Tena marina fa I Allah dia mamaky mason’ny voa sy…

Surah Andininy 95/165 — Surah Al-An'am الأنعام (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah Al-An'am Henoy, Surah Al-An'am Fandikana, Surah Al-An'am mp3, Surah Al-An'am pdf. Andininy 93–97. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers