Al-A'raf · 166/206
Fandikana Fanononana — Al-A'raf
فَلَمَّا عَتَوْا عَن مَّا نُهُوا عَنْهُ قُلْنَا لَهُمْ كُونُوا قِرَدَةً خَاسِئِينَ ۝١٦٦
Falammaa `ataw `ammmaa nuhoo `anhu qulna lahum kkoonoo qiradatan khaasi`een
📖 Dikany Malagasy
Ary raha mbola nihizingizina nandà izay nandraràna azy ireo izy ireo, dia niteny Izahay tamin’izy ireo nanao hoe : “Mivadiha rajako mahatsiravina ianareo”.
🎧 Henoy

📜 Andininy 164-168 — Al-A'raf

164وَإِذْ قَالَتْ أُمَّةٌ مِّنْهُمْ لِمَ تَعِظُونَ قَوْمًا ۙ اللَّهُ مُهْلِكُهُمْ أَوْ مُعَذِّبُهُمْ عَذَابًا شَدِيدًا ۖ قَالُوا مَعْذِرَةً إِلَىٰ رَبِّكُمْ وَلَعَلَّهُمْ يَتَّقُونَ
Ary raha niteny ny vahoaka iray tamin’izy ireo nanao hoe : “Nahoana ianareo no mbola mananatra vahoaka izay haringan’I Allah, na ho faiziny amin’ny famaizana mafy ?” Dia niteny izy ireo nanao hoe : “Ho fialanay tsiny amin’ny Tomponareo, ary angamba hanam-patahorana izy ireo”.
165فَلَمَّا نَسُوا مَا ذُكِّرُوا بِهِ أَنجَيْنَا الَّذِينَ يَنْهَوْنَ عَنِ السُّوءِ وَأَخَذْنَا الَّذِينَ ظَلَمُوا بِعَذَابٍ بَئِيسٍ بِمَا كَانُوا يَفْسُقُونَ
Ary rehefa nanadino tamin’izay nampahatsahivana azy izy ireo, dia navotanay ireo izay nandrara ny ratsy, ary noraisinay tamin’ny famaizana henjana kosa ireo mpanao ny tsy rariny noho izy ireo nanao ny asa ratsy.
166فَلَمَّا عَتَوْا عَن مَّا نُهُوا عَنْهُ قُلْنَا لَهُمْ كُونُوا قِرَدَةً خَاسِئِينَ
Ary raha mbola nihizingizina nandà izay nandraràna azy ireo izy ireo, dia niteny Izahay tamin’izy ireo nanao hoe : “Mivadiha rajako mahatsiravina ianareo”.
167وَإِذْ تَأَذَّنَ رَبُّكَ لَيَبْعَثَنَّ عَلَيْهِمْ إِلَىٰ يَوْمِ الْقِيَامَةِ مَن يَسُومُهُمْ سُوءَ الْعَذَابِ ۗ إِنَّ رَبَّكَ لَسَرِيعُ الْعِقَابِ ۖ وَإِنَّهُ لَغَفُورٌ رَّحِيمٌ
Ary rehefa nilaza ny Tomponao fa tena handefa amin’izy ireo mandra-pahatongan’ny andro fitsanganana, izay hampihatra sazy ratsy amin’izy ireo Izy ! Marina fa ny Tomponao dia haingam-panasaziana, ary Izy dia tena be Famelan-keloka sy be Fiantrana.
168وَقَطَّعْنَاهُمْ فِي الْأَرْضِ أُمَمًا ۖ مِّنْهُمُ الصَّالِحُونَ وَمِنْهُمْ دُونَ ذَٰلِكَ ۖ وَبَلَوْنَاهُم بِالْحَسَنَاتِ وَالسَّيِّئَاتِ لَعَلَّهُمْ يَرْجِعُونَ
Ary nozarazarainay ho vahoaka maro izy ireo eto an-tany. Misy amin’izy ireo no olona mendrika, ary misy kosa amin’izy ireo no ambanin’izany. Ary notsapainay izy ireo amin’ny tsara sy ny ratsy, angamba izy ireo hahalala hiverina.
Al-A'rafFizahan-takila Koraña
206Andininy
MeccanRevelation
166Andininy

Fandikana — Al-A'raf 166

Surah Al-A'raf Andininy 166 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary raha mbola nihizingizina nandà izay nandraràna azy ireo izy…

Surah Andininy 166/206 — Al-A'raf الأعراف (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-A'raf Henoy, Al-A'raf Fandikana, Al-A'raf mp3, Al-A'raf pdf. Andininy 164–168. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers