An-Nahl · 79/128
Fandikana Fanononana — An-Nahl
أَلَمْ يَرَوْا إِلَى الطَّيْرِ مُسَخَّرَاتٍ فِي جَوِّ السَّمَاءِ مَا يُمْسِكُهُنَّ إِلَّا اللَّهُ ۗ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَآيَاتٍ لِّقَوْمٍ يُؤْمِنُونَ ۝٧٩
Alam yaraw ilat tairi musakhkharaatin fee jawwis samaaa`i maa yumsikuhunna illal laah; inna fee zaalika la Aayaatil liqawminy yu`minoon
📖 Dikany Malagasy
Tsy mba hitan’izy ireo ve ireo vorona afa-manidina eny amin’ny habakabaka, tsy misy mitazona azy ireny raha tsy i Allah. Tena marina fa ao anatin’izany dia misy porofo maro ho an’ireo vahoaka izay mino.
🎧 Henoy

📜 Andininy 77-81 — An-Nahl

77وَلِلَّهِ غَيْبُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ ۚ وَمَا أَمْرُ السَّاعَةِ إِلَّا كَلَمْحِ الْبَصَرِ أَوْ هُوَ أَقْرَبُ ۚ إِنَّ اللَّهَ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ
Ary an’i Allah ny zava-miafin’ireo lanitra sy ny tany. Ary ny didy mahakasika ny Ora dia tsy inona akory, fa toy ny indray mipi-maso monja na haingana kokoa noho izany ! Marina fa i Allah dia manam-pahefana amin’ny zava-drehetra.
78وَاللَّهُ أَخْرَجَكُم مِّن بُطُونِ أُمَّهَاتِكُمْ لَا تَعْلَمُونَ شَيْئًا وَجَعَلَ لَكُمُ السَّمْعَ وَالْأَبْصَارَ وَالْأَفْئِدَةَ ۙ لَعَلَّكُمْ تَشْكُرُونَ
Ary i Allah dia namoaka Anareo avy tao an-kibon-dreninareo, ka tsy misy zavatra fantatrareo akory, ary nataony teo Aminareo ny fandrenesana sy ny fahitana ary ny fo, angamba ahalala ankasitraka Ianareo.
79أَلَمْ يَرَوْا إِلَى الطَّيْرِ مُسَخَّرَاتٍ فِي جَوِّ السَّمَاءِ مَا يُمْسِكُهُنَّ إِلَّا اللَّهُ ۗ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَآيَاتٍ لِّقَوْمٍ يُؤْمِنُونَ
Tsy mba hitan’izy ireo ve ireo vorona afa-manidina eny amin’ny habakabaka, tsy misy mitazona azy ireny raha tsy i Allah. Tena marina fa ao anatin’izany dia misy porofo maro ho an’ireo vahoaka izay mino.
80وَاللَّهُ جَعَلَ لَكُم مِّن بُيُوتِكُمْ سَكَنًا وَجَعَلَ لَكُم مِّن جُلُودِ الْأَنْعَامِ بُيُوتًا تَسْتَخِفُّونَهَا يَوْمَ ظَعْنِكُمْ وَيَوْمَ إِقَامَتِكُمْ ۙ وَمِنْ أَصْوَافِهَا وَأَوْبَارِهَا وَأَشْعَارِهَا أَثَاثًا وَمَتَاعًا إِلَىٰ حِينٍ
Ary nataon’i Allah fonenana ho Anareo ny tranonareo, ary nataony ho Anareo ny trano vita amin’ny hoditry ny biby, izay maivana ho Anareo amin’ny Andro andehananareo sy amin’ny Andro hipetrahanareo. Ary avy amin’ny volon’izy ireo sy ny rambon’izy ireo, ary ny vombon’izy ireo, (hanaovanareo) ireo fanaka sy fitaovana izay hifalianareo mandritry ny fotoana voafetra.
81وَاللَّهُ جَعَلَ لَكُم مِّمَّا خَلَقَ ظِلَالًا وَجَعَلَ لَكُم مِّنَ الْجِبَالِ أَكْنَانًا وَجَعَلَ لَكُمْ سَرَابِيلَ تَقِيكُمُ الْحَرَّ وَسَرَابِيلَ تَقِيكُم بَأْسَكُمْ ۚ كَذَٰلِكَ يُتِمُّ نِعْمَتَهُ عَلَيْكُمْ لَعَلَّكُمْ تُسْلِمُونَ
Ary i Allah dia nanao avy amin’izay nohariany ny aloka mba ho anareo. Ary nataony ho anareo ny tendrombohitra ho fialofana. Ary nataony ho anareo ny akanjo ho fiarovana amin’ny hafanana, ary koa ny akanjo (vy) miaro anareo amin’ny lozan’ny ady. Tahaka izany no hamenoany ny fahasoavany eo aminareo, angamba ianareo hanetri-tena.
An-NahlFizahan-takila Koraña
128Andininy
MeccanRevelation
79Andininy

Fandikana — An-Nahl 79

Surah An-Nahl Andininy 79 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Tsy mba hitan’izy ireo ve ireo vorona afa-manidina eny amin’ny…

Surah Andininy 79/128 — An-Nahl النحل (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: An-Nahl Henoy, An-Nahl Fandikana, An-Nahl mp3, An-Nahl pdf. Andininy 77–81. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers