An-Nahl · 92/128
Fandikana Fanononana — An-Nahl
وَلَا تَكُونُوا كَالَّتِي نَقَضَتْ غَزْلَهَا مِن بَعْدِ قُوَّةٍ أَنكَاثًا تَتَّخِذُونَ أَيْمَانَكُمْ دَخَلًا بَيْنَكُمْ أَن تَكُونَ أُمَّةٌ هِيَ أَرْبَىٰ مِنْ أُمَّةٍ ۚ إِنَّمَا يَبْلُوكُمُ اللَّهُ بِهِ ۚ وَلَيُبَيِّنَنَّ لَكُمْ يَوْمَ الْقِيَامَةِ مَا كُنتُمْ فِيهِ تَخْتَلِفُونَ ۝٩٢
Wa laa takoonoo kallatee naqadat ghazlahaa mim ba`di quwwatin ankaasaa; tattakhizoona aimaanakum dakhlalam bainakum an takoona ummatun hiya arbaa min ummah; innnamaa yablookumul laahu bih; wa la yubaiyinanna lakum yawmal Qiyaamati maa kuntum fee takhtalifoon
📖 Dikany Malagasy
Aza manao tahaka ny vehivavy izay nandrava tsirairay ny tadim-panenomany efa nafatotra mafy Ianareo, ka mampiasa ny fianiananareo ho fitaovam-pamitahana aminareo samy Anareo, nohon'ny fahitanareo vahoaka maro an’isa sy matanjaka noho ny hafa. Ho fitsapana anareo ihany no nanaovan’i Allah izany. Ary marina fa hasehony mazava tsara aminareo, amin’ny andro Fitsanganana (amin’ny maty) izay rehetra nampifanditra anareo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 90-94 — An-Nahl

90۞ إِنَّ اللَّهَ يَأْمُرُ بِالْعَدْلِ وَالْإِحْسَانِ وَإِيتَاءِ ذِي الْقُرْبَىٰ وَيَنْهَىٰ عَنِ الْفَحْشَاءِ وَالْمُنكَرِ وَالْبَغْيِ ۚ يَعِظُكُمْ لَعَلَّكُمْ تَذَكَّرُونَ
Tena marina fa Allah dia mandidy ny rariny, sy ny fanaovan-tsoa ary ny fanampiana ireo havana akaiky. Fa mandrara kosa ny vetaveta, sy ny asa ratsy ary ny fikomiana. Mananatra Anareo Izy, angamba Ianareo ahatsiaro tena.
91وَأَوْفُوا بِعَهْدِ اللَّهِ إِذَا عَاهَدتُّمْ وَلَا تَنقُضُوا الْأَيْمَانَ بَعْدَ تَوْكِيدِهَا وَقَدْ جَعَلْتُمُ اللَّهَ عَلَيْكُمْ كَفِيلًا ۚ إِنَّ اللَّهَ يَعْلَمُ مَا تَفْعَلُونَ
Ary tanterahanareo ny fifanekena amin’i Allah rehefa manao fifanekena Aminy Ianareo. Ary aza mandika ny fianianana nataonareo, rehefa avy nanao izany ankarihary sy nandray Allah ho mpiantoka. Marina fa i Allah dia mahafantatra tokoa izay Ataonareo.
92وَلَا تَكُونُوا كَالَّتِي نَقَضَتْ غَزْلَهَا مِن بَعْدِ قُوَّةٍ أَنكَاثًا تَتَّخِذُونَ أَيْمَانَكُمْ دَخَلًا بَيْنَكُمْ أَن تَكُونَ أُمَّةٌ هِيَ أَرْبَىٰ مِنْ أُمَّةٍ ۚ إِنَّمَا يَبْلُوكُمُ اللَّهُ بِهِ ۚ وَلَيُبَيِّنَنَّ لَكُمْ يَوْمَ الْقِيَامَةِ مَا كُنتُمْ فِيهِ تَخْتَلِفُونَ
Aza manao tahaka ny vehivavy izay nandrava tsirairay ny tadim-panenomany efa nafatotra mafy Ianareo, ka mampiasa ny fianiananareo ho fitaovam-pamitahana aminareo samy Anareo, nohon'ny fahitanareo vahoaka maro an’isa sy matanjaka noho ny hafa. Ho fitsapana anareo ihany no nanaovan’i Allah izany. Ary marina fa hasehony mazava tsara aminareo, amin’ny andro Fitsanganana (amin’ny maty) izay rehetra nampifanditra anareo.
93وَلَوْ شَاءَ اللَّهُ لَجَعَلَكُمْ أُمَّةً وَاحِدَةً وَلَٰكِن يُضِلُّ مَن يَشَاءُ وَيَهْدِي مَن يَشَاءُ ۚ وَلَتُسْأَلُنَّ عَمَّا كُنتُمْ تَعْمَلُونَ
Raha sitrak’i Allah, dia nataony ho vahoaka iray ihany Ianareo. Kanefa mamery izay sitrany hoverezina Izy, sy mitarika izay sitrany hotarihana. Ary marina fa hanontaniana Ianareo amin’izay nataonareo.
94وَلَا تَتَّخِذُوا أَيْمَانَكُمْ دَخَلًا بَيْنَكُمْ فَتَزِلَّ قَدَمٌ بَعْدَ ثُبُوتِهَا وَتَذُوقُوا السُّوءَ بِمَا صَدَدتُّمْ عَن سَبِيلِ اللَّهِ ۖ وَلَكُمْ عَذَابٌ عَظِيمٌ
Ary aza mampiasa ny fianiananareo ho fitaovam-pamitahana Aminareo samy Anareo, raha tsy izany, dia hibolisatra ny tongotra rehefa avy namahatra tsara ary hanandrana ny fahoriana Ianareo, nohon'ny fisakananareo ny làlan’i Allah. Ary ahazo famaizana goavana Ianareo.
An-NahlFizahan-takila Koraña
128Andininy
MeccanRevelation
92Andininy

Fandikana — An-Nahl 92

Surah An-Nahl Andininy 92 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Aza manao tahaka ny vehivavy izay nandrava tsirairay ny tadim-panenomany…

Surah Andininy 92/128 — An-Nahl النحل (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: An-Nahl Henoy, An-Nahl Fandikana, An-Nahl mp3, An-Nahl pdf. Andininy 90–94. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers