Al-Baqarah · 132/286
Fandikana Fanononana — Surah Al-Baqarah
وَوَصَّىٰ بِهَا إِبْرَاهِيمُ بَنِيهِ وَيَعْقُوبُ يَا بَنِيَّ إِنَّ اللَّهَ اصْطَفَىٰ لَكُمُ الدِّينَ فَلَا تَمُوتُنَّ إِلَّا وَأَنتُم مُّسْلِمُونَ ۝١٣٢
Wa wassaa bihaaa Ibraaheemu baneehi wa Ya`qoob, yaa baniyya innal laahas tafaa lakumud deena falaa tamootunna illaa wa antum muslimoon
📖 Dikany Malagasy
Ary mbola nanafatrafatra ireo taranany tamin’izany ihany koa i Ibrahim sy Yaqoub hoe : “Ry zanako! Lazaiko marina aminareo, fa Allah no nisafidy manokana izay Finoana sahaza anareo, ka aoka mihitsy ianareo tsy ho faty raha tsy efa mpanolotena tanteraka”.

🎧 Henoy


📜 Andininy 130-134 — Surah Al-Baqarah

130وَمَن يَرْغَبُ عَن مِّلَّةِ إِبْرَاهِيمَ إِلَّا مَن سَفِهَ نَفْسَهُ ۚ وَلَقَدِ اصْطَفَيْنَاهُ فِي الدُّنْيَا ۖ وَإِنَّهُ فِي الْآخِرَةِ لَمِنَ الصَّالِحِينَ
Ary iza no tsy mankasitraka ny finoan'i Mpaminany Ibrahim (A.s) raha tsy olona izay nanambany ny fisainany ? ! Efa nofidinay manokana izy teto an-tany; ary any ankoatra dia ho anisan'ireo olona mendrika tokoa Izy.
131إِذْ قَالَ لَهُ رَبُّهُ أَسْلِمْ ۖ قَالَ أَسْلَمْتُ لِرَبِّ الْعَالَمِينَ
Raha niteny taminy ny Tompony hoe : “Manolora tena”, dia namaly ny antso izy hoe : “Efa mpanolotena ho an’ny Tompon’izao tontolo izao aho”.
132وَوَصَّىٰ بِهَا إِبْرَاهِيمُ بَنِيهِ وَيَعْقُوبُ يَا بَنِيَّ إِنَّ اللَّهَ اصْطَفَىٰ لَكُمُ الدِّينَ فَلَا تَمُوتُنَّ إِلَّا وَأَنتُم مُّسْلِمُونَ
Ary mbola nanafatrafatra ireo taranany tamin’izany ihany koa i Ibrahim sy Yaqoub hoe : “Ry zanako! Lazaiko marina aminareo, fa Allah no nisafidy manokana izay Finoana sahaza anareo, ka aoka mihitsy ianareo tsy ho faty raha tsy efa mpanolotena tanteraka”.
133أَمْ كُنتُمْ شُهَدَاءَ إِذْ حَضَرَ يَعْقُوبَ الْمَوْتُ إِذْ قَالَ لِبَنِيهِ مَا تَعْبُدُونَ مِن بَعْدِي قَالُوا نَعْبُدُ إِلَٰهَكَ وَإِلَٰهَ آبَائِكَ إِبْرَاهِيمَ وَإِسْمَاعِيلَ وَإِسْحَاقَ إِلَٰهًا وَاحِدًا وَنَحْنُ لَهُ مُسْلِمُونَ
Moa nanatri-maso va ianareo raha nindaosin’ny fahafatesana i Yaqoub, ka nilazany tamin’ireo zanany hoe : “Iza no ho tompoinareo aoriako?”. Dia namaly izy ireo : “Hanompo ny tomponao sy tompon’ireo Razanao, Ibrahim, Ismail, ary Ishaq izahay, Ilay tompo tokana, ary izahay dia efa mpanolotena ho Azy”.
134تِلْكَ أُمَّةٌ قَدْ خَلَتْ ۖ لَهَا مَا كَسَبَتْ وَلَكُم مَّا كَسَبْتُمْ ۖ وَلَا تُسْأَلُونَ عَمَّا كَانُوا يَعْمَلُونَ
Izany dia vahoaka efa lasa; ka ho azy ireo izay nataony ary ho Anareo izay nataonareo; ary tsy hanontaniana Ianareo ny amin'izay nataon'izy ireo.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
132Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 132

Surah Al-Baqarah Andininy 132 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary mbola nanafatrafatra ireo taranany tamin’izany ihany koa i Ibrahim…

Surah Andininy 132/286 — Surah Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah Al-Baqarah Henoy, Surah Al-Baqarah Fandikana, Surah Al-Baqarah mp3, Surah Al-Baqarah pdf. Andininy 130–134. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers