Al-Baqarah · 226/286
Fandikana Fanononana — Surah Al-Baqarah
لِّلَّذِينَ يُؤْلُونَ مِن نِّسَائِهِمْ تَرَبُّصُ أَرْبَعَةِ أَشْهُرٍ ۖ فَإِن فَاءُوا فَإِنَّ اللَّهَ غَفُورٌ رَّحِيمٌ ۝٢٢٦
Lillazeena yu`loona min nisaaa`ihim tarabbusu arba`ati ashhurin fain faaa`oo fa innal laaha Ghafoorur Raheem
📖 Dikany Malagasy
Ho an’ireo izay mianiana tsy hanao firaisana (ara-nofo) amin’ny vehivaviny (vadiny) dia miandry mandritry ny efa-bolana. koa raha miverina amin’ny fanapahan-keviny izy ireo, tena marina fa Allah dia Mpamela heloka sy be fiantrana.

🎧 Henoy


📜 Andininy 224-228 — Surah Al-Baqarah

224وَلَا تَجْعَلُوا اللَّهَ عُرْضَةً لِّأَيْمَانِكُمْ أَن تَبَرُّوا وَتَتَّقُوا وَتُصْلِحُوا بَيْنَ النَّاسِ ۗ وَاللَّهُ سَمِيعٌ عَلِيمٌ
Ary aoka ianareo tsy hampiasa ny anaran’Allah eo amin’ny voady ataonareo ho fanafenan-javatra, mba tsy hanaovanareo asa soa sy tsy hahavontompinoana anareo, ary mba tsy hidiranareo amin’ny fampihavanana ny olona. Fa Allah dia Mandre sy Mahalala ny zavatra rehetra.
225لَّا يُؤَاخِذُكُمُ اللَّهُ بِاللَّغْوِ فِي أَيْمَانِكُمْ وَلَٰكِن يُؤَاخِذُكُم بِمَا كَسَبَتْ قُلُوبُكُمْ ۗ وَاللَّهُ غَفُورٌ حَلِيمٌ
Allah dia tsy handray anareo amin’ny fianianana tsy vokatry ny fonareo fa handray anareo kosa Izy amin’ny tena fikasana ao am-ponareo. ary Allah dia Mpamela heloka sy tsara fanahy.
226لِّلَّذِينَ يُؤْلُونَ مِن نِّسَائِهِمْ تَرَبُّصُ أَرْبَعَةِ أَشْهُرٍ ۖ فَإِن فَاءُوا فَإِنَّ اللَّهَ غَفُورٌ رَّحِيمٌ
Ho an’ireo izay mianiana tsy hanao firaisana (ara-nofo) amin’ny vehivaviny (vadiny) dia miandry mandritry ny efa-bolana. koa raha miverina amin’ny fanapahan-keviny izy ireo, tena marina fa Allah dia Mpamela heloka sy be fiantrana.
227وَإِنْ عَزَمُوا الطَّلَاقَ فَإِنَّ اللَّهَ سَمِيعٌ عَلِيمٌ
Ary raha tapa-kevitra ny hisaraka izy ireo dia tsy maninona, fa Allah dia Maheno sy Mahalala ny zavatra rehetra.
228وَالْمُطَلَّقَاتُ يَتَرَبَّصْنَ بِأَنفُسِهِنَّ ثَلَاثَةَ قُرُوءٍ ۚ وَلَا يَحِلُّ لَهُنَّ أَن يَكْتُمْنَ مَا خَلَقَ اللَّهُ فِي أَرْحَامِهِنَّ إِن كُنَّ يُؤْمِنَّ بِاللَّهِ وَالْيَوْمِ الْآخِرِ ۚ وَبُعُولَتُهُنَّ أَحَقُّ بِرَدِّهِنَّ فِي ذَٰلِكَ إِنْ أَرَادُوا إِصْلَاحًا ۚ وَلَهُنَّ مِثْلُ الَّذِي عَلَيْهِنَّ بِالْمَعْرُوفِ ۚ وَلِلرِّجَالِ عَلَيْهِنَّ دَرَجَةٌ ۗ وَاللَّهُ عَزِيزٌ حَكِيمٌ
Ary ireo vehivavy nisara-panambadiana dia tsy maintsy manaja (mipetraka tsy manambady mandritry) ny fadim-bolana telo, ary tsy azon’izy ireo atao ny manafina izay noforonin’i Allah ao anatin’ny tranon-janany raha tena mino tokoa an’i Allah sy ny andro farany izy ireo. ary ny lehilahy vadin'izy ireo dia manan-jò feno amin'ny famerenana azy ireo raha te-hifanaraka izy ireo. ary manan-jò izy ireo tahaka ny fisian’ny adidy miandry azy am-pahamendrehana (araka ny lalàna).fa ireo lehilahy kosa dia manana adidy amin’izy ireo. ary Allah dia mahery sy hendry.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
226Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 226

Surah Al-Baqarah Andininy 226 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ho an’ireo izay mianiana tsy hanao firaisana (ara-nofo) amin’ny vehivaviny…

Surah Andininy 226/286 — Surah Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah Al-Baqarah Henoy, Surah Al-Baqarah Fandikana, Surah Al-Baqarah mp3, Surah Al-Baqarah pdf. Andininy 224–228. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers