Iloaran'i Imrana · 26/200
Fandikana Fanononana — Iloaran'i Imrana
قُلِ اللَّهُمَّ مَالِكَ الْمُلْكِ تُؤْتِي الْمُلْكَ مَن تَشَاءُ وَتَنزِعُ الْمُلْكَ مِمَّن تَشَاءُ وَتُعِزُّ مَن تَشَاءُ وَتُذِلُّ مَن تَشَاءُ ۖ بِيَدِكَ الْخَيْرُ ۖ إِنَّكَ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ ۝٢٦
Qulil laahumma Maalikal Mulki tu`til mulka man tashaaa`u wa tanzi`ulmulka mimman tashhaaa`u wa tu`izzu man tashaaa`u wa tuzillu man tashaaa`u biyadikal khairu innaka `alaa kulli shai`in Qadeer
📖 Dikany Malagasy
Teneno hoe : " Ô Allah ! Tompon’ny fanjakana. Manome ny fanjakana ho an’izay sitrakao Ianao, sy mandrava ny fanjakana amin’izay sitrakao, ary manome hery izay sitrakao, ary manala-baraka izay sitrakao, eo am-pelatananao ny tsara rehetra. Tena marina fa Ianao dia Mahefa ny zava-drehetra.
🎧 Henoy

📜 Andininy 24-28 — Iloaran'i Imrana

24ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمْ قَالُوا لَن تَمَسَّنَا النَّارُ إِلَّا أَيَّامًا مَّعْدُودَاتٍ ۖ وَغَرَّهُمْ فِي دِينِهِم مَّا كَانُوا يَفْتَرُونَ
Izany, noho ny filazan’izy ireo : “Tsy hikasika anay velively ny afo, raha tsy andro vitsy azo isaina”. Ka dia nahavery azy ireny tokoa teo amin’ny finoany izany lainga noforonin’izy ireo izany.
25فَكَيْفَ إِذَا جَمَعْنَاهُمْ لِيَوْمٍ لَّا رَيْبَ فِيهِ وَوُفِّيَتْ كُلُّ نَفْسٍ مَّا كَسَبَتْ وَهُمْ لَا يُظْلَمُونَ
Ary ahoana rehefa havorinay izy ireo ho amin’ny Andro izay tsy hisalasalana ny Aminy, ary omena ny tsirairay tanteraka ny vokatry ny asa nataon'izy ireo ary izy ireo dia tsy ho ambakaina.
26قُلِ اللَّهُمَّ مَالِكَ الْمُلْكِ تُؤْتِي الْمُلْكَ مَن تَشَاءُ وَتَنزِعُ الْمُلْكَ مِمَّن تَشَاءُ وَتُعِزُّ مَن تَشَاءُ وَتُذِلُّ مَن تَشَاءُ ۖ بِيَدِكَ الْخَيْرُ ۖ إِنَّكَ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ
Teneno hoe : " Ô Allah ! Tompon’ny fanjakana. Manome ny fanjakana ho an’izay sitrakao Ianao, sy mandrava ny fanjakana amin’izay sitrakao, ary manome hery izay sitrakao, ary manala-baraka izay sitrakao, eo am-pelatananao ny tsara rehetra. Tena marina fa Ianao dia Mahefa ny zava-drehetra.
27تُولِجُ اللَّيْلَ فِي النَّهَارِ وَتُولِجُ النَّهَارَ فِي اللَّيْلِ ۖ وَتُخْرِجُ الْحَيَّ مِنَ الْمَيِّتِ وَتُخْرِجُ الْمَيِّتَ مِنَ الْحَيِّ ۖ وَتَرْزُقُ مَن تَشَاءُ بِغَيْرِ حِسَابٍ
Mampiditra ny alina ao anatin’ny Andro Ianao, ary mampiditra ny Andro ao anatin’ny alina, ary mamoaka ny velona avy amin’ny maty Ianao, ary mamoaka ny maty avy amin’ny velona. Ary manome izay sitrakao ny anjara tsy tambo isaina Ianao.
28لَّا يَتَّخِذِ الْمُؤْمِنُونَ الْكَافِرِينَ أَوْلِيَاءَ مِن دُونِ الْمُؤْمِنِينَ ۖ وَمَن يَفْعَلْ ذَٰلِكَ فَلَيْسَ مِنَ اللَّهِ فِي شَيْءٍ إِلَّا أَن تَتَّقُوا مِنْهُمْ تُقَاةً ۗ وَيُحَذِّرُكُمُ اللَّهُ نَفْسَهُ ۗ وَإِلَى اللَّهِ الْمَصِيرُ
Aoka ireo mpino mba tsy handray ireo tsy mpino ho namana ankoatra ireo mpino. Fa izay manao izany dia tsy misy tokony hantenainy mihitsy avy amin’i Allah, afa-tsy hoe miaro ny Tenanareo eo anatrehan’izy ireo Ianareo. Ary mampitandrina Anareo ny Aminy i Tompo Allah. Fa any amin’i Allah no fiverenana.
Iloaran'i ImranaFizahan-takila Koraña
200Andininy
MedinanRevelation
26Andininy

Fandikana — Iloaran'i Imrana 26

Surah Iloaran'i Imrana Andininy 26 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Teneno hoe : " Ô Allah ! Tompon’ny fanjakana. Manome…

Surah Andininy 26/200 — Iloaran'i Imrana آل عمران (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Iloaran'i Imrana Henoy, Iloaran'i Imrana Fandikana, Iloaran'i Imrana mp3, Iloaran'i Imrana pdf. Andininy 24–28. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers