Loqmana · 17/34
Fandikana Fanononana — Loqmana
يَا بُنَيَّ أَقِمِ الصَّلَاةَ وَأْمُرْ بِالْمَعْرُوفِ وَانْهَ عَنِ الْمُنكَرِ وَاصْبِرْ عَلَىٰ مَا أَصَابَكَ ۖ إِنَّ ذَٰلِكَ مِنْ عَزْمِ الْأُمُورِ ۝١٧
Yaa bunaiya aqimis-Salaata waamur bilma`roofi wanha `anil munkari wasbir `alaa maaa asaabaka inna zaalika min `azmil umoor
📖 Dikany Malagasy
Ô ry anaka ! Tanteraho ny vavaka (soalat), mandidia amin’ny tsara sy mandrarà ny ratsy ary mahareta amin’izay manjò anao. Izany no fanapahan-kevitra tsara indrindra amin’ny raharaha rehetra.

🎧 Henoy


📜 Andininy 15-19 — Loqmana

15وَإِن جَاهَدَاكَ عَلَىٰ أَن تُشْرِكَ بِي مَا لَيْسَ لَكَ بِهِ عِلْمٌ فَلَا تُطِعْهُمَا ۖ وَصَاحِبْهُمَا فِي الدُّنْيَا مَعْرُوفًا ۖ وَاتَّبِعْ سَبِيلَ مَنْ أَنَابَ إِلَيَّ ۚ ثُمَّ إِلَيَّ مَرْجِعُكُمْ فَأُنَبِّئُكُم بِمَا كُنتُمْ تَعْمَلُونَ
Fa raha manery anao izy roa (Ray aman-dreny) hanakambana Ahy amin’izay tsy anananao fahalalana, dia aoka ianao tsy hankatò azy ireo; kanefa miaraha amin’izy roa am-pahamendrehana eto an-tany ianao. Ary manaraha ny làlan’izay miverina aty Amiko. Fa aty Amiko no fiverenanareo, ka ho ambarako anareo izay rehetra nataonareo”.
16يَا بُنَيَّ إِنَّهَا إِن تَكُ مِثْقَالَ حَبَّةٍ مِّنْ خَرْدَلٍ فَتَكُن فِي صَخْرَةٍ أَوْ فِي السَّمَاوَاتِ أَوْ فِي الْأَرْضِ يَأْتِ بِهَا اللَّهُ ۚ إِنَّ اللَّهَ لَطِيفٌ خَبِيرٌ
Ô ry anaka ! Na dia mitovy lanja amin’ny voatsinampy iray aza (ny fahotana), izay ao anatin’ny karaobato, na any amin’ireo lanitra na eto an-tany dia ataon’i Allah ho tonga izany. Marina fa Allah dia be Fangorahana sy Mahalala tanteraka ny zava-drehetra.
17يَا بُنَيَّ أَقِمِ الصَّلَاةَ وَأْمُرْ بِالْمَعْرُوفِ وَانْهَ عَنِ الْمُنكَرِ وَاصْبِرْ عَلَىٰ مَا أَصَابَكَ ۖ إِنَّ ذَٰلِكَ مِنْ عَزْمِ الْأُمُورِ
Ô ry anaka ! Tanteraho ny vavaka (soalat), mandidia amin’ny tsara sy mandrarà ny ratsy ary mahareta amin’izay manjò anao. Izany no fanapahan-kevitra tsara indrindra amin’ny raharaha rehetra.
18وَلَا تُصَعِّرْ خَدَّكَ لِلنَّاسِ وَلَا تَمْشِ فِي الْأَرْضِ مَرَحًا ۖ إِنَّ اللَّهَ لَا يُحِبُّ كُلَّ مُخْتَالٍ فَخُورٍ
Ary aza ahodina hiala olona ny tavanao[101], ary aza manitsaka ny tany amim-piavonavonana ianao. Marina fa Allah dia tsy tia izay rehetra miavonavona sy feno fireharehana.
19وَاقْصِدْ فِي مَشْيِكَ وَاغْضُضْ مِن صَوْتِكَ ۚ إِنَّ أَنكَرَ الْأَصْوَاتِ لَصَوْتُ الْحَمِيرِ
Ary aoka ho maotina ianao amin’ny fomba famindranao, ary alefaho ny feonao, fa ny feo tena ratsy indrindra dia ny feon’ny apondra.
LoqmanaFizahan-takila Koraña
34Andininy
MeccanRevelation
17Andininy

Fandikana — Loqmana 17

Surah Loqmana Andininy 17 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ô ry anaka ! Tanteraho ny vavaka (soalat), mandidia amin’ny…

Surah Andininy 17/34 — Loqmana لقمان (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Loqmana Henoy, Loqmana Fandikana, Loqmana mp3, Loqmana pdf. Andininy 15–19. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers