An-Nisa · 64/176
Fandikana Fanononana — An-Nisa
وَمَا أَرْسَلْنَا مِن رَّسُولٍ إِلَّا لِيُطَاعَ بِإِذْنِ اللَّهِ ۚ وَلَوْ أَنَّهُمْ إِذ ظَّلَمُوا أَنفُسَهُمْ جَاءُوكَ فَاسْتَغْفَرُوا اللَّهَ وَاسْتَغْفَرَ لَهُمُ الرَّسُولُ لَوَجَدُوا اللَّهَ تَوَّابًا رَّحِيمًا ۝٦٤
Wa maa arsalnaa mir Rasoolin illaa liyutaa`a bi iznil laah; wa law annahum `iz zalamooo anfusahum jaaa`ooka fastaghfarul laaha wastaghfara lahumur Rasoolu la wajadul laaha Tawwaabar Raheemaa
📖 Dikany Malagasy
Ary tsy nandefa Iraka Izahay, raha tsy ho ankatoavina, amin’ny fahazoan-dàlana avy amin’I Allah. Ary izy ireo, rehefa avy nanao ny tsy rariny tamin’ny tenany, ka tonga aminao mangataka famelan-keloka amin’I Allah, ary ny Iraka dia mangataka ho azy ireo ny famelan-keloka, dia ho hitan’izy ireo fa I Allah dia tena mpandray ny fibebahana sy be Indrafo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 62-66 — An-Nisa

62فَكَيْفَ إِذَا أَصَابَتْهُم مُّصِيبَةٌ بِمَا قَدَّمَتْ أَيْدِيهِمْ ثُمَّ جَاءُوكَ يَحْلِفُونَ بِاللَّهِ إِنْ أَرَدْنَا إِلَّا إِحْسَانًا وَتَوْفِيقًا
Ka ahoana raha misy fahoriana manjo azy ireo noho izay nataon’ny tanan’izy ireo, avy eo ho tonga aminao izy ireo, hianiana amin’i Allah manao hoe : “Tsy mitady afa-tsy ny tsara sy ny hifanarahana izahay”.
63أُولَٰئِكَ الَّذِينَ يَعْلَمُ اللَّهُ مَا فِي قُلُوبِهِمْ فَأَعْرِضْ عَنْهُمْ وَعِظْهُمْ وَقُل لَّهُمْ فِي أَنفُسِهِمْ قَوْلًا بَلِيغًا
Izy ireny no efa fantatr’i Allah ny ao am-pony. Ka mihataha azy ireo, ary anaro sy teneno izy ireo amin’ny teny mafonja maharesy lahatra.
64وَمَا أَرْسَلْنَا مِن رَّسُولٍ إِلَّا لِيُطَاعَ بِإِذْنِ اللَّهِ ۚ وَلَوْ أَنَّهُمْ إِذ ظَّلَمُوا أَنفُسَهُمْ جَاءُوكَ فَاسْتَغْفَرُوا اللَّهَ وَاسْتَغْفَرَ لَهُمُ الرَّسُولُ لَوَجَدُوا اللَّهَ تَوَّابًا رَّحِيمًا
Ary tsy nandefa Iraka Izahay, raha tsy ho ankatoavina, amin’ny fahazoan-dàlana avy amin’I Allah. Ary izy ireo, rehefa avy nanao ny tsy rariny tamin’ny tenany, ka tonga aminao mangataka famelan-keloka amin’I Allah, ary ny Iraka dia mangataka ho azy ireo ny famelan-keloka, dia ho hitan’izy ireo fa I Allah dia tena mpandray ny fibebahana sy be Indrafo.
65فَلَا وَرَبِّكَ لَا يُؤْمِنُونَ حَتَّىٰ يُحَكِّمُوكَ فِيمَا شَجَرَ بَيْنَهُمْ ثُمَّ لَا يَجِدُوا فِي أَنفُسِهِمْ حَرَجًا مِّمَّا قَضَيْتَ وَيُسَلِّمُوا تَسْلِيمًا
Tsia ! Mianiana amin’ny Tomponao ! Fa tsy hino izy ireo mandra-pahatongan’izy ireo handray anao ho mpitsara amin’ny disadisa mitranga eo amin’izy ireo, avy eo, tsy mahita ho kianina ny tenan’izy ireo, amin’izay nitsaranao azy, ary manetry tena tanteraka izy ireo.
66وَلَوْ أَنَّا كَتَبْنَا عَلَيْهِمْ أَنِ اقْتُلُوا أَنفُسَكُمْ أَوِ اخْرُجُوا مِن دِيَارِكُم مَّا فَعَلُوهُ إِلَّا قَلِيلٌ مِّنْهُمْ ۖ وَلَوْ أَنَّهُمْ فَعَلُوا مَا يُوعَظُونَ بِهِ لَكَانَ خَيْرًا لَّهُمْ وَأَشَدَّ تَثْبِيتًا
Ary raha nandidy tamin’izy ireo Izahay hoe : “Vonoinareo ny tenanareo !” na “Mialà amin’ny tranonareo ianareo”, dia tsy notanterahan’izy ireo izany, afa-tsy vitsy tamin’izy ireo. Ary raha mba nanatanteraka izay nananarana azy ireo izy ireo, dia ho tena tsara tamin’izy ireo izany, sy ho nanamafy orina azy ireo.
An-NisaFizahan-takila Koraña
176Andininy
MedinanRevelation
64Andininy

Fandikana — An-Nisa 64

Surah An-Nisa Andininy 64 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary tsy nandefa Iraka Izahay, raha tsy ho ankatoavina, amin’ny…

Surah Andininy 64/176 — An-Nisa النساء (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: An-Nisa Henoy, An-Nisa Fandikana, An-Nisa mp3, An-Nisa pdf. Andininy 62–66. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers