Al-Maidah · 109/120
Fandikana Fanononana — Al-Maidah
۞ يَوْمَ يَجْمَعُ اللَّهُ الرُّسُلَ فَيَقُولُ مَاذَا أُجِبْتُمْ ۖ قَالُوا لَا عِلْمَ لَنَا ۖ إِنَّكَ أَنتَ عَلَّامُ الْغُيُوبِ ۝١٠٩
yawma yajma`ul laahur Rusula fa yaqoolu maazaaa ujibtum qaaloo laa `ilma lanaa innaka Anta `Allaamul Ghuyoob
📖 Dikany Malagasy
Amin’ny andro izay hamorian’I Allah ireo Iraka dia hiteny Izy manao hoe : “Inona ny valin-teny navaly anareo ?” Dia hiteny izy ireo manao hoe : “Tsy manam-pahalalana velively izahay, tena marina fa Ianao no tena Mahalala ny zava-miafina”.
🎧 Henoy

📜 Andininy 107-111 — Al-Maidah

107فَإِنْ عُثِرَ عَلَىٰ أَنَّهُمَا اسْتَحَقَّا إِثْمًا فَآخَرَانِ يَقُومَانِ مَقَامَهُمَا مِنَ الَّذِينَ اسْتَحَقَّ عَلَيْهِمُ الْأَوْلَيَانِ فَيُقْسِمَانِ بِاللَّهِ لَشَهَادَتُنَا أَحَقُّ مِن شَهَادَتِهِمَا وَمَا اعْتَدَيْنَا إِنَّا إِذًا لَّمِنَ الظَّالِمِينَ
Raha vao hita fa nahavita fahotana izy roa, dia aoka hisy roa hafa amin’ny fianakavian’ilay maty mitsangana hisolo toerana azy roa ka mianiana amin’I Allah izy roa manao hoe : “Tena marina fa ny fijoroanay vavolombelona dia tena marina kokoa noho ny fijoroan’izy roa vavolombelona, ary tsy mandika lalàna velively izahay, raha tsy izany dia anisan’ireo mpanao ny tsy rariny”.
108ذَٰلِكَ أَدْنَىٰ أَن يَأْتُوا بِالشَّهَادَةِ عَلَىٰ وَجْهِهَا أَوْ يَخَافُوا أَن تُرَدَّ أَيْمَانٌ بَعْدَ أَيْمَانِهِمْ ۗ وَاتَّقُوا اللَّهَ وَاسْمَعُوا ۗ وَاللَّهُ لَا يَهْدِي الْقَوْمَ الْفَاسِقِينَ
Izany no fomba mahomby indrindra mba hijoroan’izy ireo vavolombelona amin’ny tena endriny, na koa hatahotra izy ireo mba tsy haverina ny fianianana aorian’ny fianianan’izy ireo. Ary matahora an'I Allah ianareo sy mihainoa ary Allah dia tsy mitari-dalana ny vahoaka mpanao ratsy.
109۞ يَوْمَ يَجْمَعُ اللَّهُ الرُّسُلَ فَيَقُولُ مَاذَا أُجِبْتُمْ ۖ قَالُوا لَا عِلْمَ لَنَا ۖ إِنَّكَ أَنتَ عَلَّامُ الْغُيُوبِ
Amin’ny andro izay hamorian’I Allah ireo Iraka dia hiteny Izy manao hoe : “Inona ny valin-teny navaly anareo ?” Dia hiteny izy ireo manao hoe : “Tsy manam-pahalalana velively izahay, tena marina fa Ianao no tena Mahalala ny zava-miafina”.
110إِذْ قَالَ اللَّهُ يَا عِيسَى ابْنَ مَرْيَمَ اذْكُرْ نِعْمَتِي عَلَيْكَ وَعَلَىٰ وَالِدَتِكَ إِذْ أَيَّدتُّكَ بِرُوحِ الْقُدُسِ تُكَلِّمُ النَّاسَ فِي الْمَهْدِ وَكَهْلًا ۖ وَإِذْ عَلَّمْتُكَ الْكِتَابَ وَالْحِكْمَةَ وَالتَّوْرَاةَ وَالْإِنجِيلَ ۖ وَإِذْ تَخْلُقُ مِنَ الطِّينِ كَهَيْئَةِ الطَّيْرِ بِإِذْنِي فَتَنفُخُ فِيهَا فَتَكُونُ طَيْرًا بِإِذْنِي ۖ وَتُبْرِئُ الْأَكْمَهَ وَالْأَبْرَصَ بِإِذْنِي ۖ وَإِذْ تُخْرِجُ الْمَوْتَىٰ بِإِذْنِي ۖ وَإِذْ كَفَفْتُ بَنِي إِسْرَائِيلَ عَنكَ إِذْ جِئْتَهُم بِالْبَيِّنَاتِ فَقَالَ الَّذِينَ كَفَرُوا مِنْهُمْ إِنْ هَٰذَا إِلَّا سِحْرٌ مُّبِينٌ
Rehefa miteny I Allah manao hoe : “Oh ry Jesoa zanak’i Maria ! Tsarovy ny fahasoavako taminao sy tamin’ny reninao, raha nampahereziko ianao tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Niteny tamin’ny olombelona fony vao teraka teo ambony fandriana ianao sy tamin’ny fahamatorana ihany koa. Ary nampianariko ny boky sy ny fahendrena ary ny Taoraty sy ny Evanjely ianao. Ary raha nanamboatra toy ny endrika vorona (sarim-borona) avy tamin’ny tany manga nohon'ny heriko ka notsofinao izany, dia lasa tena vorona nohon'ny heriko. Ary nanasitrana ny jamba sy ny boka nohon'ny heriko ianao. Ary namelona ireo maty nohon'ny heriko ianao. Ary narovako tamin’ny zanak’Israely ianao raha nitondra tamin’izy ireo ny porofo mazava ianao”. Nefa niteny ireo tsy nino tamin’izy ireo nanao hoe : “Tsy inona io afa-tsy majika miharihary”.
111وَإِذْ أَوْحَيْتُ إِلَى الْحَوَارِيِّينَ أَنْ آمِنُوا بِي وَبِرَسُولِي قَالُوا آمَنَّا وَاشْهَدْ بِأَنَّنَا مُسْلِمُونَ
Ary tsarovy raha nilaza tamin’ireo Apostoly Aho nanao hoe : “Minoa Ahy sy ny Irako ianareo”, dia niteny izy ireo nanao hoe : “Mino izahay; ary aoka ianao ho vavolombelona fa izahay dia mpankato an'IAllah”.
Al-MaidahFizahan-takila Koraña
120Andininy
MedinanRevelation
109Andininy

Fandikana — Al-Maidah 109

Surah Al-Maidah Andininy 109 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Amin’ny andro izay hamorian’I Allah ireo Iraka dia hiteny Izy…

Surah Andininy 109/120 — Al-Maidah المائدة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Maidah Henoy, Al-Maidah Fandikana, Al-Maidah mp3, Al-Maidah pdf. Andininy 107–111. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers