Al-Maidah · 118/120
Fandikana Fanononana — Al-Maidah
إِن تُعَذِّبْهُمْ فَإِنَّهُمْ عِبَادُكَ ۖ وَإِن تَغْفِرْ لَهُمْ فَإِنَّكَ أَنتَ الْعَزِيزُ الْحَكِيمُ ۝١١٨
In tu`azzibhum fa innahum ibaaduka wa in taghfir lahum fa innaka Antal `Azzezul Hakeem
📖 Dikany Malagasy
Raha hanasazy azy ireo Ianao, izy ireo dia mpanomponao, raha hamela azy ireo kosa Ianao, tena marina fa Ianao no Ilay Mahery, Ilay be Fahendrena.

🎧 Henoy


📜 Andininy 116-120 — Al-Maidah

116وَإِذْ قَالَ اللَّهُ يَا عِيسَى ابْنَ مَرْيَمَ أَأَنتَ قُلْتَ لِلنَّاسِ اتَّخِذُونِي وَأُمِّيَ إِلَٰهَيْنِ مِن دُونِ اللَّهِ ۖ قَالَ سُبْحَانَكَ مَا يَكُونُ لِي أَنْ أَقُولَ مَا لَيْسَ لِي بِحَقٍّ ۚ إِن كُنتُ قُلْتُهُ فَقَدْ عَلِمْتَهُ ۚ تَعْلَمُ مَا فِي نَفْسِي وَلَا أَعْلَمُ مَا فِي نَفْسِكَ ۚ إِنَّكَ أَنتَ عَلَّامُ الْغُيُوبِ
Ary raha niteny I Allah nanao hoe : “Oh ry Jeso zanak’i Maria, moa ve Ianao no niteny tamin’olona hoe raiso aho sy ny reniko ho Tompo roa ankoatr’I Allah ?”. Niteny i Jesoa nanao hoe : “Dera sy voninahitra ho Anao ! Tsy afaka hiteny amin’izay tsy nananako zo aho ! Raha tsy niteny izany aho dia efa fantatrao. Mahalala ny ato amiko Ianao fa izaho kosa tsy mahalala ny ao Aminao .Tena marina fa Ianao no tena Mahalala ny miafina rehetra.
117مَا قُلْتُ لَهُمْ إِلَّا مَا أَمَرْتَنِي بِهِ أَنِ اعْبُدُوا اللَّهَ رَبِّي وَرَبَّكُمْ ۚ وَكُنتُ عَلَيْهِمْ شَهِيدًا مَّا دُمْتُ فِيهِمْ ۖ فَلَمَّا تَوَفَّيْتَنِي كُنتَ أَنتَ الرَّقِيبَ عَلَيْهِمْ ۚ وَأَنتَ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ شَهِيدٌ
Tsy niteny tamin’izy ireo aho afa-tsy izay nandidianao ahy hoe : “Tompoinareo I Allah Tompoko sy Tomponareo”. Ary izaho no vavolombelona tamin’izy ireo fony mbola teo amin’izy ireo aho. Fa rehefa nalainao kosa aho dia Ianao no Ilay Mpanara-maso azy ireo. Ary Ianao no Vavolombelona amin’ny zava-drehetra.
118إِن تُعَذِّبْهُمْ فَإِنَّهُمْ عِبَادُكَ ۖ وَإِن تَغْفِرْ لَهُمْ فَإِنَّكَ أَنتَ الْعَزِيزُ الْحَكِيمُ
Raha hanasazy azy ireo Ianao, izy ireo dia mpanomponao, raha hamela azy ireo kosa Ianao, tena marina fa Ianao no Ilay Mahery, Ilay be Fahendrena.
119قَالَ اللَّهُ هَٰذَا يَوْمُ يَنفَعُ الصَّادِقِينَ صِدْقُهُمْ ۚ لَهُمْ جَنَّاتٌ تَجْرِي مِن تَحْتِهَا الْأَنْهَارُ خَالِدِينَ فِيهَا أَبَدًا ۚ رَّضِيَ اللَّهُ عَنْهُمْ وَرَضُوا عَنْهُ ۚ ذَٰلِكَ الْفَوْزُ الْعَظِيمُ
Niteny Allah nanao hoe : “Ity no andro izay ahazoan’ireo olo-marina tombontsoa tamin’ny fahamarinan’izy ireo, ho azy ireo ny zaridaina maro misy renirano mikoriana eo ambaniny, hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Nankasitraka azy ireo I Allah ary izy ireo koa dia nankasitraka Azy. Izany ilay fahombiazana lehibe.
120لِلَّهِ مُلْكُ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضِ وَمَا فِيهِنَّ ۚ وَهُوَ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ
An’I Allah irery ihany ny fanjakana any amin’ireo lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy. Ary Izy no Mahefa ny zava-drehetra.
Al-MaidahFizahan-takila Koraña
120Andininy
MedinanRevelation
118Andininy

Fandikana — Al-Maidah 118

Surah Al-Maidah Andininy 118 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Raha hanasazy azy ireo Ianao, izy ireo dia mpanomponao, raha…

Surah Andininy 118/120 — Al-Maidah المائدة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Maidah Henoy, Al-Maidah Fandikana, Al-Maidah mp3, Al-Maidah pdf. Andininy 116–120. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers