Al-Maidah · 88/120
Fandikana Fanononana — Al-Maidah
وَكُلُوا مِمَّا رَزَقَكُمُ اللَّهُ حَلَالًا طَيِّبًا ۚ وَاتَّقُوا اللَّهَ الَّذِي أَنتُم بِهِ مُؤْمِنُونَ ۝٨٨
Wa kuloo mimmaa razaqakumul laahu halaalan taiyibaa; wattaqul laahallazeee antum bihee mu`minon
📖 Dikany Malagasy
Ary mihinàna amin’izay anjara tsy voarara sady tsara nomen’I Allah anareo ianareo. Ary matahora an’I Allah ianareo izay mpino Azy tanteraka.
🎧 Henoy

📜 Andininy 86-90 — Al-Maidah

86وَالَّذِينَ كَفَرُوا وَكَذَّبُوا بِآيَاتِنَا أُولَٰئِكَ أَصْحَابُ الْجَحِيمِ
Ary ireo izay tsy mino sy mampandainga ireo fanambaranay, izy ireny no olon’ny afobe.
87يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا لَا تُحَرِّمُوا طَيِّبَاتِ مَا أَحَلَّ اللَّهُ لَكُمْ وَلَا تَعْتَدُوا ۚ إِنَّ اللَّهَ لَا يُحِبُّ الْمُعْتَدِينَ
Ianareo mpino kosa! Aza mandrara ireo tsara amin’izay tsy nampifadian’i Allah taminareo ianareo ary aza mandika lalàna. Tena marina fa Allah dia tsy tia ireo mpandika lalàna.
88وَكُلُوا مِمَّا رَزَقَكُمُ اللَّهُ حَلَالًا طَيِّبًا ۚ وَاتَّقُوا اللَّهَ الَّذِي أَنتُم بِهِ مُؤْمِنُونَ
Ary mihinàna amin’izay anjara tsy voarara sady tsara nomen’I Allah anareo ianareo. Ary matahora an’I Allah ianareo izay mpino Azy tanteraka.
89لَا يُؤَاخِذُكُمُ اللَّهُ بِاللَّغْوِ فِي أَيْمَانِكُمْ وَلَٰكِن يُؤَاخِذُكُم بِمَا عَقَّدتُّمُ الْأَيْمَانَ ۖ فَكَفَّارَتُهُ إِطْعَامُ عَشَرَةِ مَسَاكِينَ مِنْ أَوْسَطِ مَا تُطْعِمُونَ أَهْلِيكُمْ أَوْ كِسْوَتُهُمْ أَوْ تَحْرِيرُ رَقَبَةٍ ۖ فَمَن لَّمْ يَجِدْ فَصِيَامُ ثَلَاثَةِ أَيَّامٍ ۚ ذَٰلِكَ كَفَّارَةُ أَيْمَانِكُمْ إِذَا حَلَفْتُمْ ۚ وَاحْفَظُوا أَيْمَانَكُمْ ۚ كَذَٰلِكَ يُبَيِّنُ اللَّهُ لَكُمْ آيَاتِهِ لَعَلَّكُمْ تَشْكُرُونَ
Allah dia tsy hanasazy anareo amin’ny teny tsy vokatry ny fo amin’ny voadinareo, fa hanasazy anareo kosa Izy amin’ny teny voady ao am-ponareo. Ka ny onitra amin'izany dia fampihinanana sakafo ny mahantra folo amin’ny antonony izay hampihinananareo ny fianakavianareo, na ny fampitafiana azy ireo, na koa ny famotsorana andevo iray. Ka ho an‘izay tsy mahita izany dia manao fifehezana telo andro izy. Izany no onitra ny fianiananareo rehefa nianiana ianareo. Ka aoka hitandrina tsara amin’ny fianiananareo ianareo. Toy izany no hanazavan’I Allah aminareo ireo fanambarany, angamba hankasitraka ianareo.
90يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا إِنَّمَا الْخَمْرُ وَالْمَيْسِرُ وَالْأَنصَابُ وَالْأَزْلَامُ رِجْسٌ مِّنْ عَمَلِ الشَّيْطَانِ فَاجْتَنِبُوهُ لَعَلَّكُمْ تُفْلِحُونَ
O ianareo mpino ! Tena marina fa ny toaka sy ny loka, ireo vato natao sampy, ireo zana-tsipika (fanandroana) dia zava-mahatsiravina anisan’ny asan’ny satana ka halavironareo izany, angamba ahazo fahombiazana ianareo.
Al-MaidahFizahan-takila Koraña
120Andininy
MedinanRevelation
88Andininy

Fandikana — Al-Maidah 88

Surah Al-Maidah Andininy 88 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary mihinàna amin’izay anjara tsy voarara sady tsara nomen’I Allah…

Surah Andininy 88/120 — Al-Maidah المائدة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Maidah Henoy, Al-Maidah Fandikana, Al-Maidah mp3, Al-Maidah pdf. Andininy 86–90. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers