Al-An'am · 131/165
Fandikana Fanononana — Al-An'am
ذَٰلِكَ أَن لَّمْ يَكُن رَّبُّكَ مُهْلِكَ الْقُرَىٰ بِظُلْمٍ وَأَهْلُهَا غَافِلُونَ ۝١٣١
Zaalika al lam yakkur Rabbuka muhlikal quraa bizulminw wa ahluhaa ghaafiloon
📖 Dikany Malagasy
Koa satria, ny Tomponao dia tsy mamotika amin’ny tsy rariny ireo tanàna raha mbola tsy nahazo fampitandremana ny vahoaka ao aminy.

🎧 Henoy


📜 Andininy 129-133 — Al-An'am

129وَكَذَٰلِكَ نُوَلِّي بَعْضَ الظَّالِمِينَ بَعْضًا بِمَا كَانُوا يَكْسِبُونَ
Tahaka izany no hanomezanay fahefana ny sasany amin’ireo mpanao ny tsy rariny manoloana ny sasany, noho izay nataon’izy ireo.
130يَا مَعْشَرَ الْجِنِّ وَالْإِنسِ أَلَمْ يَأْتِكُمْ رُسُلٌ مِّنكُمْ يَقُصُّونَ عَلَيْكُمْ آيَاتِي وَيُنذِرُونَكُمْ لِقَاءَ يَوْمِكُمْ هَٰذَا ۚ قَالُوا شَهِدْنَا عَلَىٰ أَنفُسِنَا ۖ وَغَرَّتْهُمُ الْحَيَاةُ الدُّنْيَا وَشَهِدُوا عَلَىٰ أَنفُسِهِمْ أَنَّهُمْ كَانُوا كَافِرِينَ
Oh ry vondron’ny Djiny sy olombelona ! Moa ve tsy tonga teo aminareo ireo Iraka avy taminareo, nitantara taminareo ireo fanambarako sy nampitandrina anareo mahakasika ny fihaonana amin’izao andronareo izao ? Dia hiteny izy ireo manao hoe : “Mijoro vavolombelona amin’ny fiampangana ny tenanay izahay”. Voafitaky ny fiainana an-tany izy ireo ary nijoro vavolombelona amin’ny fiampangana ny tenan’izy ireo fa nitsipaka.
131ذَٰلِكَ أَن لَّمْ يَكُن رَّبُّكَ مُهْلِكَ الْقُرَىٰ بِظُلْمٍ وَأَهْلُهَا غَافِلُونَ
Koa satria, ny Tomponao dia tsy mamotika amin’ny tsy rariny ireo tanàna raha mbola tsy nahazo fampitandremana ny vahoaka ao aminy.
132وَلِكُلٍّ دَرَجَاتٌ مِّمَّا عَمِلُوا ۚ وَمَا رَبُّكَ بِغَافِلٍ عَمَّا يَعْمَلُونَ
Ho an’ny tsirairay, ireo ambaratonga amin’izay asa nataon’izy ireo. Ary ny Tomponao dia tsy mba variana amin’izay asa ataon’izy ireo.
133وَرَبُّكَ الْغَنِيُّ ذُو الرَّحْمَةِ ۚ إِن يَشَأْ يُذْهِبْكُمْ وَيَسْتَخْلِفْ مِن بَعْدِكُم مَّا يَشَاءُ كَمَا أَنشَأَكُم مِّن ذُرِّيَّةِ قَوْمٍ آخَرِينَ
Ary ny Tomponao Ilay mpanan-karena sy Tompon’ny famindram-po. Raha sitrany dia ho nofoanany ianareo ary ho soloiny hafa aorianareo araka izay sitrany, tahaka ny nanamboarany anareo avy amin’ny taranaky ny vahoaka hafa.
Al-An'amFizahan-takila Koraña
165Andininy
MeccanRevelation
131Andininy

Fandikana — Al-An'am 131

Surah Al-An'am Andininy 131 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Koa satria, ny Tomponao dia tsy mamotika amin’ny tsy rariny…

Surah Andininy 131/165 — Al-An'am الأنعام (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-An'am Henoy, Al-An'am Fandikana, Al-An'am mp3, Al-An'am pdf. Andininy 129–133. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers