Al-An'am · 44/165
Fandikana Fanononana — Al-An'am
فَلَمَّا نَسُوا مَا ذُكِّرُوا بِهِ فَتَحْنَا عَلَيْهِمْ أَبْوَابَ كُلِّ شَيْءٍ حَتَّىٰ إِذَا فَرِحُوا بِمَا أُوتُوا أَخَذْنَاهُم بَغْتَةً فَإِذَا هُم مُّبْلِسُونَ ۝٤٤
Falammaa nasoo maa zukkiroo bihee fatahnaa `alaihim abwaaba kulli shai`in hattaaa izaa farihoo bimaaa ootooo akhaznaahum baghtatan fa izaa hum mmublisoon
📖 Dikany Malagasy
Rehefa nanadino izay nampahatsiahivina azy izy ireo dia nosokafanay ho azy ireo ny varavaran’ny zava-drehetra, ka rehefa faly tamin’izay nomena azy izy ireo dia noraisinay tampoka izy ireo, indro izy ireo fa tena diso fanantenana.

🎧 Henoy


📜 Andininy 42-46 — Al-An'am

42وَلَقَدْ أَرْسَلْنَا إِلَىٰ أُمَمٍ مِّن قَبْلِكَ فَأَخَذْنَاهُم بِالْبَأْسَاءِ وَالضَّرَّاءِ لَعَلَّهُمْ يَتَضَرَّعُونَ
Ary efa nandefa ireo Iraka tamin’ny vahoaka maro teo alohanao Izahay, ka notsapainay izy ireo tamin’ny alalan’ny fahoriana sy ny aretina, angamba hanetri-tena izy ireo.
43فَلَوْلَا إِذْ جَاءَهُم بَأْسُنَا تَضَرَّعُوا وَلَٰكِن قَسَتْ قُلُوبُهُمْ وَزَيَّنَ لَهُمُ الشَّيْطَانُ مَا كَانُوا يَعْمَلُونَ
Nahoana àry, rehefa tonga tamin’izy ireo ny fitsapanay no tsy mba nanetri-tena izy ireo ? Kanefa nihamafy ny fon’izy ireo ary nohaingohaingoin’ny Satana izay asa rehetra nataon’izy ireo.
44فَلَمَّا نَسُوا مَا ذُكِّرُوا بِهِ فَتَحْنَا عَلَيْهِمْ أَبْوَابَ كُلِّ شَيْءٍ حَتَّىٰ إِذَا فَرِحُوا بِمَا أُوتُوا أَخَذْنَاهُم بَغْتَةً فَإِذَا هُم مُّبْلِسُونَ
Rehefa nanadino izay nampahatsiahivina azy izy ireo dia nosokafanay ho azy ireo ny varavaran’ny zava-drehetra, ka rehefa faly tamin’izay nomena azy izy ireo dia noraisinay tampoka izy ireo, indro izy ireo fa tena diso fanantenana.
45فَقُطِعَ دَابِرُ الْقَوْمِ الَّذِينَ ظَلَمُوا ۚ وَالْحَمْدُ لِلَّهِ رَبِّ الْعَالَمِينَ
Ka notaperina ny sisa tavela tamin’ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny, ary dera ho an’i Allah Tompon’izao Tontolo izao.
46قُلْ أَرَأَيْتُمْ إِنْ أَخَذَ اللَّهُ سَمْعَكُمْ وَأَبْصَارَكُمْ وَخَتَمَ عَلَىٰ قُلُوبِكُم مَّنْ إِلَٰهٌ غَيْرُ اللَّهِ يَأْتِيكُم بِهِ ۗ انظُرْ كَيْفَ نُصَرِّفُ الْآيَاتِ ثُمَّ هُمْ يَصْدِفُونَ
Teneno hoe : “Ahoana ny fahitanao? Raha esorin'I Allah ny fandrenesanareo sy ny fahitanareo ary hidiny ny fonareo, iza no Tompo ankoatr’I Allah no hamerina izany aminareo ?” Jereo, ahoana no hanazavanay ireo famantarana, nefa mbola mivily lalana ihany izy ireo.
Al-An'amFizahan-takila Koraña
165Andininy
MeccanRevelation
44Andininy

Fandikana — Al-An'am 44

Surah Al-An'am Andininy 44 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Rehefa nanadino izay nampahatsiahivina azy izy ireo dia nosokafanay ho…

Surah Andininy 44/165 — Al-An'am الأنعام (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-An'am Henoy, Al-An'am Fandikana, Al-An'am mp3, Al-An'am pdf. Andininy 42–46. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers