Al-An'am · 82/165
Fandikana Fanononana — Al-An'am
الَّذِينَ آمَنُوا وَلَمْ يَلْبِسُوا إِيمَانَهُم بِظُلْمٍ أُولَٰئِكَ لَهُمُ الْأَمْنُ وَهُم مُّهْتَدُونَ ۝٨٢
Allazeena aamanoo wa lam yalbisooo eemaanahum bizulmin ulaaa`ika lahumul amnu wa hum muhtadoon
📖 Dikany Malagasy
Ireo izay nino ka tsy nampifangaro ny finoan’izy ireo tamin’ny tsy rariny (shirk, fanompoan-tsampy), izy ireny no hanana fitoniana ary izy ireo no voatari-dàlana.
🎧 Henoy

📜 Andininy 80-84 — Al-An'am

80وَحَاجَّهُ قَوْمُهُ ۚ قَالَ أَتُحَاجُّونِّي فِي اللَّهِ وَقَدْ هَدَانِ ۚ وَلَا أَخَافُ مَا تُشْرِكُونَ بِهِ إِلَّا أَن يَشَاءَ رَبِّي شَيْئًا ۗ وَسِعَ رَبِّي كُلَّ شَيْءٍ عِلْمًا ۗ أَفَلَا تَتَذَكَّرُونَ
Ary niady hevitra taminy ny vahoakany ; niteny izy nanao hoe : “Moa hiady hevitra amiko ve ianareo mahakasik’I Allah, nefa efa nitari-dalana ahy Izy ? Ary tsy matahotra ireo akambanareo Aminy aho, afa-tsy izay sitraky ny Tompoko. Manerana ny zava-drehetra ny Fahalalan’ny Tompoko. Ka tsy mba mahatsiaro tena ve ianareo ?
81وَكَيْفَ أَخَافُ مَا أَشْرَكْتُمْ وَلَا تَخَافُونَ أَنَّكُمْ أَشْرَكْتُم بِاللَّهِ مَا لَمْ يُنَزِّلْ بِهِ عَلَيْكُمْ سُلْطَانًا ۚ فَأَيُّ الْفَرِيقَيْنِ أَحَقُّ بِالْأَمْنِ ۖ إِن كُنتُمْ تَعْلَمُونَ
Ary ahoana moa aho no hatahotra ireo izay akambanareo nefa ianareo aza tsy mba matahotra manakambana Allah amin’ny hafa izay tsy nampidinany porofo na dia kely aza taminareo? Fa iza amin’ny andiany roa ireo no mendrika hanana fitoniana raha mahalala ianareo?
82الَّذِينَ آمَنُوا وَلَمْ يَلْبِسُوا إِيمَانَهُم بِظُلْمٍ أُولَٰئِكَ لَهُمُ الْأَمْنُ وَهُم مُّهْتَدُونَ
Ireo izay nino ka tsy nampifangaro ny finoan’izy ireo tamin’ny tsy rariny (shirk, fanompoan-tsampy), izy ireny no hanana fitoniana ary izy ireo no voatari-dàlana.
83وَتِلْكَ حُجَّتُنَا آتَيْنَاهَا إِبْرَاهِيمَ عَلَىٰ قَوْمِهِ ۚ نَرْفَعُ دَرَجَاتٍ مَّن نَّشَاءُ ۗ إِنَّ رَبَّكَ حَكِيمٌ عَلِيمٌ
Izany no porofonay nomenay an’i Ibrahim entiny hanohitra ny vahoakany. Mampiakatra ny voninahitra amin’izay sitrakay izahay. Tena marina fa ny Tomponao dia be Fahendrena sy Mahalala ny zava-drehetra.
84وَوَهَبْنَا لَهُ إِسْحَاقَ وَيَعْقُوبَ ۚ كُلًّا هَدَيْنَا ۚ وَنُوحًا هَدَيْنَا مِن قَبْلُ ۖ وَمِن ذُرِّيَّتِهِ دَاوُودَ وَسُلَيْمَانَ وَأَيُّوبَ وَيُوسُفَ وَمُوسَىٰ وَهَارُونَ ۚ وَكَذَٰلِكَ نَجْزِي الْمُحْسِنِينَ
Ary nomenay Azy (Abrahama) i Isaka sy i Jakoba. Izy roa dia samy notarihanay làlana avy ary talohan’izany dia efa nahitsinay i Noa ary avy amin’ny taranany (Abrahama) i Daodo (Davida), i Salomona, i Ayoba (Joba), i Yosofa (Josefa), i Mosa (Mosesy) ary Harona(Arona). Ary tahaka izany no hamalinay ireo mpanao ny tsara.
Al-An'amFizahan-takila Koraña
165Andininy
MeccanRevelation
82Andininy

Fandikana — Al-An'am 82

Surah Al-An'am Andininy 82 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ireo izay nino ka tsy nampifangaro ny finoan’izy ireo tamin’ny…

Surah Andininy 82/165 — Al-An'am الأنعام (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-An'am Henoy, Al-An'am Fandikana, Al-An'am mp3, Al-An'am pdf. Andininy 80–84. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers