Al-An'am · 83/165
Fandikana Fanononana — Surah Al-An'am
وَتِلْكَ حُجَّتُنَا آتَيْنَاهَا إِبْرَاهِيمَ عَلَىٰ قَوْمِهِ ۚ نَرْفَعُ دَرَجَاتٍ مَّن نَّشَاءُ ۗ إِنَّ رَبَّكَ حَكِيمٌ عَلِيمٌ ۝٨٣
Wa tilka hujjatunaaa aatainaahaaa Ibraaheema `alaa qawmih; narfa`u darajaatim man nashaaa`; inna Rabbaka Hakeemun `Aleem
📖 Dikany Malagasy
Izany no porofonay nomenay an’i Ibrahim entiny hanohitra ny vahoakany. Mampiakatra ny voninahitra amin’izay sitrakay izahay. Tena marina fa ny Tomponao dia be Fahendrena sy Mahalala ny zava-drehetra.

🎧 Henoy


📜 Andininy 81-85 — Surah Al-An'am

81وَكَيْفَ أَخَافُ مَا أَشْرَكْتُمْ وَلَا تَخَافُونَ أَنَّكُمْ أَشْرَكْتُم بِاللَّهِ مَا لَمْ يُنَزِّلْ بِهِ عَلَيْكُمْ سُلْطَانًا ۚ فَأَيُّ الْفَرِيقَيْنِ أَحَقُّ بِالْأَمْنِ ۖ إِن كُنتُمْ تَعْلَمُونَ
Ary ahoana moa aho no hatahotra ireo izay akambanareo nefa ianareo aza tsy mba matahotra manakambana Allah amin’ny hafa izay tsy nampidinany porofo na dia kely aza taminareo? Fa iza amin’ny andiany roa ireo no mendrika hanana fitoniana raha mahalala ianareo?
82الَّذِينَ آمَنُوا وَلَمْ يَلْبِسُوا إِيمَانَهُم بِظُلْمٍ أُولَٰئِكَ لَهُمُ الْأَمْنُ وَهُم مُّهْتَدُونَ
Ireo izay nino ka tsy nampifangaro ny finoan’izy ireo tamin’ny tsy rariny (shirk, fanompoan-tsampy), izy ireny no hanana fitoniana ary izy ireo no voatari-dàlana.
83وَتِلْكَ حُجَّتُنَا آتَيْنَاهَا إِبْرَاهِيمَ عَلَىٰ قَوْمِهِ ۚ نَرْفَعُ دَرَجَاتٍ مَّن نَّشَاءُ ۗ إِنَّ رَبَّكَ حَكِيمٌ عَلِيمٌ
Izany no porofonay nomenay an’i Ibrahim entiny hanohitra ny vahoakany. Mampiakatra ny voninahitra amin’izay sitrakay izahay. Tena marina fa ny Tomponao dia be Fahendrena sy Mahalala ny zava-drehetra.
84وَوَهَبْنَا لَهُ إِسْحَاقَ وَيَعْقُوبَ ۚ كُلًّا هَدَيْنَا ۚ وَنُوحًا هَدَيْنَا مِن قَبْلُ ۖ وَمِن ذُرِّيَّتِهِ دَاوُودَ وَسُلَيْمَانَ وَأَيُّوبَ وَيُوسُفَ وَمُوسَىٰ وَهَارُونَ ۚ وَكَذَٰلِكَ نَجْزِي الْمُحْسِنِينَ
Ary nomenay Azy (Abrahama) i Isaka sy i Jakoba. Izy roa dia samy notarihanay làlana avy ary talohan’izany dia efa nahitsinay i Noa ary avy amin’ny taranany (Abrahama) i Daodo (Davida), i Salomona, i Ayoba (Joba), i Yosofa (Josefa), i Mosa (Mosesy) ary Harona(Arona). Ary tahaka izany no hamalinay ireo mpanao ny tsara.
85وَزَكَرِيَّا وَيَحْيَىٰ وَعِيسَىٰ وَإِلْيَاسَ ۖ كُلٌّ مِّنَ الصَّالِحِينَ
Ary i Zakaria sy i Yahya (Jaona) ary i Issa (Jesoa) sy i Elias (Elia), izy ireo dia anisan’ny mpanao ny soa avokoa.
Al-An'amFizahan-takila Koraña
165Andininy
MeccanRevelation
83Andininy

Fandikana — Al-An'am 83

Surah Al-An'am Andininy 83 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Izany no porofonay nomenay an’i Ibrahim entiny hanohitra ny vahoakany.…

Surah Andininy 83/165 — Surah Al-An'am الأنعام (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah Al-An'am Henoy, Surah Al-An'am Fandikana, Surah Al-An'am mp3, Surah Al-An'am pdf. Andininy 81–85. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers