Al-A'raf · 151/206
Fandikana Fanononana — Al-A'raf
قَالَ رَبِّ اغْفِرْ لِي وَلِأَخِي وَأَدْخِلْنَا فِي رَحْمَتِكَ ۖ وَأَنتَ أَرْحَمُ الرَّاحِمِينَ ۝١٥١
Qaala Rabbigh fir lee wa li akhee wa adkhilnaa fee rahmatika wa Anta arhamur raahimeen
📖 Dikany Malagasy
Niteny Izy nanao hoe : “Tompo o ! Mamelà ahy sy ny rahalahiko Ianao, ary ampidiro amin’ny famindram-ponao izahay, fa Ianao Ilay be indrafo indrindra amin’ireo mpamindra-fo”.
🎧 Henoy

📜 Andininy 149-153 — Al-A'raf

149وَلَمَّا سُقِطَ فِي أَيْدِيهِمْ وَرَأَوْا أَنَّهُمْ قَدْ ضَلُّوا قَالُوا لَئِن لَّمْ يَرْحَمْنَا رَبُّنَا وَيَغْفِرْ لَنَا لَنَكُونَنَّ مِنَ الْخَاسِرِينَ
Ary rehefa nahatsapa fanenenana izy ireo, sy nahita fa tena very lalana tokoa, dia niteny izy ireo nanao hoe : “Raha toa ka tsy mamindra fo aminay sy tsy mamela ny helokay ny Tomponay dia tena anisan’ireo maty antoka izahay”.
150وَلَمَّا رَجَعَ مُوسَىٰ إِلَىٰ قَوْمِهِ غَضْبَانَ أَسِفًا قَالَ بِئْسَمَا خَلَفْتُمُونِي مِن بَعْدِي ۖ أَعَجِلْتُمْ أَمْرَ رَبِّكُمْ ۖ وَأَلْقَى الْأَلْوَاحَ وَأَخَذَ بِرَأْسِ أَخِيهِ يَجُرُّهُ إِلَيْهِ ۚ قَالَ ابْنَ أُمَّ إِنَّ الْقَوْمَ اسْتَضْعَفُونِي وَكَادُوا يَقْتُلُونَنِي فَلَا تُشْمِتْ بِيَ الْأَعْدَاءَ وَلَا تَجْعَلْنِي مَعَ الْقَوْمِ الظَّالِمِينَ
Ary rehefa niverina tamin’ny vahoakany i Mosesy, tezitra no sady nalahelo ka niteny nanao hoe : “Tena ratsy tokoa izay nataonareo tamin’ny tsy naha-teo ahy ! Moa ve mitady ny hanafaingana ny didin’ny Tomponareo ianareo ?” Natsipiny ny takela-bato, ary noraisiny tamin’ny lohany ny rahalahiny ka nosintoniny teo aminy, dia niteny Izy (Rahalahiny) nanao hoe : “O ry zanaky ny reniko ! Marina fa ny vahoaka dia nandray ahy ho kanosa, ary saika namono ahy mihitsy izy ireo. Koa aza atao ny hampifaly ireo fahavaloko amin’izay manjo ahy, ary aza atao miaraka amin’ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny aho”.
151قَالَ رَبِّ اغْفِرْ لِي وَلِأَخِي وَأَدْخِلْنَا فِي رَحْمَتِكَ ۖ وَأَنتَ أَرْحَمُ الرَّاحِمِينَ
Niteny Izy nanao hoe : “Tompo o ! Mamelà ahy sy ny rahalahiko Ianao, ary ampidiro amin’ny famindram-ponao izahay, fa Ianao Ilay be indrafo indrindra amin’ireo mpamindra-fo”.
152إِنَّ الَّذِينَ اتَّخَذُوا الْعِجْلَ سَيَنَالُهُمْ غَضَبٌ مِّن رَّبِّهِمْ وَذِلَّةٌ فِي الْحَيَاةِ الدُّنْيَا ۚ وَكَذَٰلِكَ نَجْزِي الْمُفْتَرِينَ
Ireo izay nandray ny zanak’omby (ho Zanahariny) dia hianjady amin’izy ireo ny hatezeran’ny Tompony, sy ny fahambaniana amin’ny fiainana eto an-tany. Tahaka izany no hamalianay ny asan’ireo mpamoron-dainga .
153وَالَّذِينَ عَمِلُوا السَّيِّئَاتِ ثُمَّ تَابُوا مِن بَعْدِهَا وَآمَنُوا إِنَّ رَبَّكَ مِن بَعْدِهَا لَغَفُورٌ رَّحِيمٌ
Ary ireo izay nanao asa ratsy, avy eo izy ireo dia nibebaka taorian’izany sy nino.Marina fa ny Tomponao, aorian’izany, dia tena be Famelan-keloka sy be Fiantrana.
Al-A'rafFizahan-takila Koraña
206Andininy
MeccanRevelation
151Andininy

Fandikana — Al-A'raf 151

Surah Al-A'raf Andininy 151 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Niteny Izy nanao hoe : “Tompo o ! Mamelà ahy…

Surah Andininy 151/206 — Al-A'raf الأعراف (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-A'raf Henoy, Al-A'raf Fandikana, Al-A'raf mp3, Al-A'raf pdf. Andininy 149–153. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers