Al-A'raf · 31/206
Fandikana Fanononana — Surah Al-A'raf
۞ يَا بَنِي آدَمَ خُذُوا زِينَتَكُمْ عِندَ كُلِّ مَسْجِدٍ وَكُلُوا وَاشْرَبُوا وَلَا تُسْرِفُوا ۚ إِنَّهُ لَا يُحِبُّ الْمُسْرِفِينَ ۝٣١
Yaa Banneee Adama khuzoo zeenatakum `inda kulli masjidinw wa kuloo washraboo wa laa tusrifoo; innahoo laa yuhibbul musrifeen
📖 Dikany Malagasy
Oh ry taranak’i Adama ! Anaovy ny haingonareo (fitafianareo) isaky ny toeram-pivavahana (Soalat), mihinàna sy misotroa ianareo, ary aza manao fandaniam-poana. Tena marina fa Izy (Allah) dia tsy tia ireo mpanao ny fandaniam-poana.

🎧 Henoy


📜 Andininy 29-33 — Surah Al-A'raf

29قُلْ أَمَرَ رَبِّي بِالْقِسْطِ ۖ وَأَقِيمُوا وُجُوهَكُمْ عِندَ كُلِّ مَسْجِدٍ وَادْعُوهُ مُخْلِصِينَ لَهُ الدِّينَ ۚ كَمَا بَدَأَكُمْ تَعُودُونَ
Teneno hoe : “Ny Tompoko dia nandidy ny fanaovana ny rariny. Ary antsangano mitodika Aminy (Allah) ny tavanareo isaky ny toerana hanaovanareo ny Soalat. Ary mangataha Aminy ianareo, amim-pahadiovam-po tanteraka ny fanompoanareo Azy. Tahaka ny nahariany anareo no hiverenanareo (any Aminy)”.
30فَرِيقًا هَدَىٰ وَفَرِيقًا حَقَّ عَلَيْهِمُ الضَّلَالَةُ ۗ إِنَّهُمُ اتَّخَذُوا الشَّيَاطِينَ أَوْلِيَاءَ مِن دُونِ اللَّهِ وَيَحْسَبُونَ أَنَّهُم مُّهْتَدُونَ
Misy ny andiany izay notarihiny làlana, ary misy ny andiany hafa izay mendrika azy ireo ny fahaverezana, satria izy ireo dia naka ireo Satana ho mpiahy ankoatr’I Allah, ary mihevitra izy ireo fa voatari-dàlana tanteraka.
31۞ يَا بَنِي آدَمَ خُذُوا زِينَتَكُمْ عِندَ كُلِّ مَسْجِدٍ وَكُلُوا وَاشْرَبُوا وَلَا تُسْرِفُوا ۚ إِنَّهُ لَا يُحِبُّ الْمُسْرِفِينَ
Oh ry taranak’i Adama ! Anaovy ny haingonareo (fitafianareo) isaky ny toeram-pivavahana (Soalat), mihinàna sy misotroa ianareo, ary aza manao fandaniam-poana. Tena marina fa Izy (Allah) dia tsy tia ireo mpanao ny fandaniam-poana.
32قُلْ مَنْ حَرَّمَ زِينَةَ اللَّهِ الَّتِي أَخْرَجَ لِعِبَادِهِ وَالطَّيِّبَاتِ مِنَ الرِّزْقِ ۚ قُلْ هِيَ لِلَّذِينَ آمَنُوا فِي الْحَيَاةِ الدُّنْيَا خَالِصَةً يَوْمَ الْقِيَامَةِ ۗ كَذَٰلِكَ نُفَصِّلُ الْآيَاتِ لِقَوْمٍ يَعْلَمُونَ
Teneno hoe : “Iza no nandrara ny haingo (fitafiana) avy amin’I Allah, izay navoakany ho an’ireo mpanompony sy ireo tsara amin’ny anjara sakafo ?” Teneno hoe : “Izy ireo dia ho an’ireo izay nino eto amin’ny fiainana ambonin’ny tany ary ho azy ireo manokana amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty”. Tahaka izany no hanazavanay amin’ny antsipiriany ireo fanambarana ho an’ireo vahoaka manam-pahalalana.
33قُلْ إِنَّمَا حَرَّمَ رَبِّيَ الْفَوَاحِشَ مَا ظَهَرَ مِنْهَا وَمَا بَطَنَ وَالْإِثْمَ وَالْبَغْيَ بِغَيْرِ الْحَقِّ وَأَن تُشْرِكُوا بِاللَّهِ مَا لَمْ يُنَزِّلْ بِهِ سُلْطَانًا وَأَن تَقُولُوا عَلَى اللَّهِ مَا لَا تَعْلَمُونَ
Teneno hoe : “Tena marina fa noraran’ny Tompoko ireo asa vetaveta, na ny miharihary Aminy izany na ny miafina sy ny fahotana, ny fihetraketrahana tsy amim-pahahamarinana, sy ny fanakambananareo Allah amin’ny zavatra izay tsy nampidinany porofo na dia kely aza ary ny fitenenanareo mahakasik’I Allah amin’izay tsy anananareo fahalalana”.
Al-A'rafFizahan-takila Koraña
206Andininy
MeccanRevelation
31Andininy

Fandikana — Al-A'raf 31

Surah Al-A'raf Andininy 31 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Oh ry taranak’i Adama ! Anaovy ny haingonareo (fitafianareo) isaky…

Surah Andininy 31/206 — Surah Al-A'raf الأعراف (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah Al-A'raf Henoy, Surah Al-A'raf Fandikana, Surah Al-A'raf mp3, Surah Al-A'raf pdf. Andininy 29–33. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, September 8, 2026

Don't forget us in your sincere prayers