Surah Ash-Shu'ara pdf — Alaino (Malagasy)
Surah Ash-Shu'ara pdf Malagasy — Alaino Surah Ash-Shu'ara Fandikana. Surah Ash-Shu'ara (Meccan) 227 Andininy.
Related
- Surah Ash-Shu'ara FandikanaMalagasy
- Surah Ash-Shu'ara mp3Henoy
- Quran Index Malagasy114
More Surah PDF
Surah Ash-Shu'ara

ﭑﭒ
26:1
Twa, Sin, Mim.
ﭓﭔﭕﭖﭗ
26:2
Indro ireo andinin’ilay Boky mazava.
ﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞ
26:3
Mety ho reraky ny alahelo ianao,fa tsy mino izy ireo.
ﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪ
26:4
Raha sitrakay dia ho nampidininay tamin’izy ireo avy eny an-danitra ny famantarana iray, ka ho tavela hiondrika amin’izany ny hatok’izy ireo.
ﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴﭵﭶ
26:5
Ary tsy misy fampahatsiahivana vaovao avy amin’Ilay be Fiantrana tonga amin’izy ireo, ka tsy mitodi-damosina amin’izany izy ireo.
ﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿ
26:6
Efa nilaza izy ireo fa lainga (izay rehetra avy amin’ny Tompony), ka ho tonga amin’izy ireo tsy ho ela ireo vaovao mahakasika izay nataon’izy ireo vazivazy.
ﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋ
26:7
Moa ve tsy hitan’izy ireo ny tany, firifiry no nampitsirinay teo aminy, amin’ireo karazana zavatra tsiroaroa mahasoa rehetra.
ﮌﮍﮎﮏﮐﮑﮒﮓﮔﮕ
26:8
Marina fa amin’izany dia misy fahagagana tokoa, nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mino.
ﮖﮗﮘﮙﮚﮛ
26:9
Ary marina fa ny Tomponao, Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo.
ﮜﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣﮤ
26:10
Ary rehefa niantso an’i Mosesy ny Tomponao hoe : “Aoka ianao ho tonga any amin’ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny.
ﮥﮦﮧﮨﮩﮪ
26:11
(Any) amin’ny vahoakan’i Faraona ; moa tsy mba hanam-patahorana (Azy) ve izy ireo ?
ﮫﮬﮭﮮﮯﮰﮱ
26:12
Niteny izy hoe : “Tompoko ô ! Tena matahotra aho sao ataon’izy ireo ho mpandainga".
ﯓﯔﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛ
26:13
Sy mihatery ny tratrako, ary hiraikitra ny lelako, ka mba alefaso i Harona.
ﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢ
26:14
Ary misy heloka bevava hanenjehan’izy ireo ahy, ka matahotra aho sao dia ho vonoin’izy ireo.
ﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬ
26:15
Niteny Izy (Allah) hoe : “Tsy izany ! Mandehana ianareo roa miaraka amin’ny fahagagana avy Aminay. Tena marina fa Izahay dia miaraka aminareo sy mihaino".
ﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳﯴ
26:16
Aoka ianareo roa ho tonga any amin’i Faraona, ka ilazao izy hoe : “Izahay dia irak'i Tompon’izao tontolo izao".
ﯵﯶﯷﯸﯹﯺ
26:17
"Mba handefasanao ireo zanak’Israely hiaraka aminay”
ﯻﯼﯽﯾﯿﰀﰁﰂﰃﰄﰅ
26:18
Niteny izy (Faraona) hoe : “Moa ve tsy nobeazinay teto aminay fony mbola kely ianao ? Ary tsy nipetraka teto aminay nandritra ny taona maromaro tamin’ny fiainanao ve ianao ?
ﰆﰇﰈﰉﰊﰋﰌﰍ
26:19
Avy eo dia nanao ny asa ratsy izay nataonao ianao, ary isan’ireo tsy mpankasitraka ianao.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗ
26:20
Niteny izy hoe : “Nataoko tokoa izany, fony aho mbola anisan’ireo very lalana".
ﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠﭡﭢﭣ
26:21
- Ka nandositra aho satria natahotra anareo, avy eo dia nomen’ny Tompoko fahendrena aho, ary nataony ho anisan’ireo Iraka.
ﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬ
26:22
Ary izany ve no fahasoavana izay ahindrahindranao amiko, nefa ianao nanandevo ireo zanak’Israely ?
ﭭﭮﭯﭰﭱﭲ
26:23
Niteny i Faraona hoe : “Fa iza no Tompon’izao tontolo izao ?”
ﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽ
26:24
Niteny izy hoe : “Ilay Tompon’ireo lanitra sy ny tany ary izay eo anelanelan’izy ireo, raha toa ka manana fitokisana marina ianareo”.
ﭾﭿﮀﮁﮂﮃ
26:25
Niteny izy tamin’ireo manodidina azy hoe : “Moa ve tsy henonareo (izany) ?”
ﮄﮅﮆﮇﮈﮉ
26:26
Niteny izy hoe : “Ilay Tomponareo sy Tompon’ireo razambenareo teo aloha”.
ﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑ
26:27
Niteny izy (Faraona) hoe : “Marina fa ny iraka izay nalefa eo aminareo dia tena adala tokoa”.
ﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜ
26:28
Niteny izy (Mosesy) hoe : “Ilay Tompon’ny atsinanana sy ny andrefana sy izay manelanelana azy ireo, raha mba misaina ianareo !”.
ﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣﮤﮥ
26:29
Niteny izy (Faraona) hoe : “Raha mandray zanahary hafa ankoatra ahy ianao, dia tena ataoko ho anisan’ireo voafonja”.
ﮦﮧﮨﮩﮪﮫ
26:30
Dia niteny izy (Mosesy) hoe : “Ary na dia hitondrako zavatra ho porofo miharihary ve ianao ?”.
ﮬﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔ
26:31
Niteny izy (Faraona) hoe : “Ento àry izany raha toa ka anisan’ireo olona marina ianao”.
ﯕﯖﯗﯘﯙﯚﯛ
26:32
Ka natorany ny tehiny, dia lasa bibilava lehibe miharihary izany.
ﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢ
26:33
Ary navoakany ny tanany, dia lasa fotsy mamirapiratra teo amin’ireo mpijery izany.
ﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪ
26:34
Niteny izy (Faraona) tamin’ireo loholona nanodidina azy hoe : “Izany tokoa no mpanao majika mahay”.
ﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳ
26:35
Mila hamoaka anareo hiala amin’ny tanànanareo amin’ny alalan’ny majikany izy, ka inona no hevitra homenareo ahy ?”
ﯴﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻ
26:36
Niteny izy ireo hoe : “Ampiandraso izy sy ny rahalahiny, ary andefaso iraka mankany amin’ireo tanàna mba hamory olona"
ﯼﯽﯾﯿﰀ
26:37
Ka ho tonga eo aminao izy ireo miaraka amin’ireo mpanao majika avo lenta tena mahay.
ﰁﰂﰃﰄﰅﰆ
26:38
Ka dia navory ireo mpanao majika, ho amin’ny fotoana, amin’ilay andro voatondro.
ﰇﰈﰉﰊﰋﰌ
26:39
Ary notenenina ireo olona hoe : “Moa ve hivory ianareo ?”
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘ
26:40
Angamba hanaraka ireo mpanao majika isika raha izy ireo no mivoaka mpandresy.
ﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥ
26:41
Ka rehefa tonga ireo mpanao majika dia niteny izy ireo tamin’i Faraona hoe : “Moa ve tena hisy valisoa marina ho anay, raha izahay no mivoaka ho mpandresy ?”
ﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬ
26:42
Niteny izy (Faraona) hoe : “Eny ! Ary tena ho isan’ireo akaiky ahy ianareo”.
ﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴ
26:43
Niteny tamin’izy ireo i Mosesy hoe : “Atsipazo izay hatsipinareo”.
ﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽﭾ
26:44
Ka natsipin’izy ireo ny tadiny sy ny tehiny ; ary niteny izy ireo hoe : “Amin’ny alalan’ny fahefan’i Faraona ! Izahay no tena hivoaka mpandresy !”.
ﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆﮇ
26:45
Avy eo dia natsipin’i Mosesy ny tehiny, dia indro izy fa mitsaingoka izay rehetra noforonin’izy ireo.
ﮈﮉﮊﮋ
26:46
Tamin’izay dia niantoraka niankohoka ireo mpanao majika.
ﮌﮍﮎﮏﮐ
26:47
Niteny izy ireo hoe : “Mino an’ny Tompon’izao Tontolo izao izahay".
ﮑﮒﮓﮔ
26:48
Tompon’i Mosesy sy Harona.
ﮕﮖﮗﮘﮙﮚﮛﮜﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣﮤﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬ
26:49
Niteny izy (Faraona) hoe : “Nino azy ve ianareo, alohan’ny hanomezako alalana anareo ? Tena marina fa izy no lehibenareo izay nampianatra anareo ny majika ; ka ho fantatrareo tsy ho ela ! Tena ho tapahiko ny tananareo sy ny tongotrareo izay mifanohitra amin’ny andaniny avy, ary ho fantsihiko amin’ny hazo ianareo rehetra”.
ﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔﯕﯖ
26:50
Niteny izy ireo hoe : “Tsy misy maharatsy izany ! Marina fa any amin’ny Tomponay no hiverenanay"
ﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢ
26:51
Tena marina fa maniry mafy izahay mba ho avelan’ny Tomponay ny fahadisoanay, noho izahay voalohany tamin’ireo mpino.
ﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬ
26:52
Ary nandefasanay fanambarana i Mosesy hoe : “Mandehana amin’ny alina miaraka amin’ireo mpanompoko ianao, fa hisy mpanenjika ianareo”.
ﯭﯮﯯﯰﯱﯲ
26:53
Ka nandefa mpamory any amin’ireo tanàna i Faraona (hilaza hoe) :
ﯳﯴﯵﯶﯷ
26:54
“Tena marina fa andian’olona vitsivitsy ihany izy ireny”.
ﯸﯹﯺﯻ
26:55
Nefa izy ireo dia mahatezitra anay.
ﯼﯽﯾﯿ
26:56
Ary isika rehetra kosa dia fatra mpitandrina.
ﰀﰁﰂﰃﰄ
26:57
Ka navoakanay izy ireo avy tamin’ireo zaridaina sy ireo loharano.
ﰅﰆﰇﰈ
26:58
Ary ireo harena sarobidy sy ny toerana mendrika.
ﰉﰊﰋﰌﰍﰎ
26:59
Tahaka izany ! Ary dia nampandovanay ireo zanak’Israely izany (rehetra izany).
ﰏﰐﰑ
26:60
Nanenjika azy ireo izy ireo rehefa niposaka ny masoandro.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗﭘﭙ
26:61
Avy eo, rehefa nifampitazana ny andiany roa, dia niteny ireo olon’i Mosesy hoe : “Marina fa efa ho tratra tokoa isika”.
ﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠﭡ
26:62
Niteny izy (Mosa) hoe : “Tsia! Tena miaraka amiko ny Tompoko, ka hitari-dalana ahy Izy”.
ﭢﭣﭤﭥﭦﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰ
26:63
Ka nandefa fanambarana tamin’i Mosesy Izahay hoe : “Kapohy amin’ny tehinao ny ranomasina”. Dia nizara roa izany, ka toy ny tendrombohitra lehibe avo ny andaniny sy ny ankilany.
ﭱﭲﭳﭴ
26:64
Ary nampanatoninay ny sasany (Faraona sy ny vahoakany)
ﭵﭶﭷﭸﭹﭺ
26:65
Fa navotanay i Mosesy sy ireo izay niaraka taminy rehetra.
ﭻﭼﭽﭾ
26:66
Avy eo dia narendrikay ireo sasany.
ﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆﮇﮈ
26:67
Marina fa amin’izany dia misy fahagagana tokoa, nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mpino.
ﮉﮊﮋﮌﮍﮎ
26:68
Ary marina fa ny Tomponao, Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo.
ﮏﮐﮑﮒﮓ
26:69
Ary vakio amin’izy ireo ny vaovaon’i (tantaran’i) Abrahama.
ﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚ
26:70
Rehefa niteny izy tamin’ny rainy sy ny vahoakany hoe : “Inona no tompoinareo ?”
ﮛﮜﮝﮞﮟﮠﮡ
26:71
Niteny izy ireo hoe : “Manompo sampy izahay, ary tsy hitsahatra hiraiki-po amin’izy ireo”.
ﮢﮣﮤﮥﮦﮧ
26:72
Niteny izy hoe : “Moa ve mandre anareo izy ireo rehefa miantso ianareo ?
ﮨﮩﮪﮫﮬ
26:73
Na koa manome tombontsoa anareo ? Na hanisy ratsy anareo ?
ﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔ
26:74
Niteny izy ireo hoe : “Tsia ! Fa izahay nahita ireo razambenay dia tahaka izany no nataony”.
ﯕﯖﯗﯘﯙﯚ
26:75
Niteny izy:moa ve hitanareo izay notompoinareo.
ﯛﯜﯝﯞ
26:76
Ianareo sy ireo razambenareo taloha ?
ﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥ
26:77
Tena marina fa izy ireo dia fahavaloko daholo, afa-tsy ny Tompon’izao tontolo izao.
ﯦﯧﯨﯩﯪ
26:78
Izay nahary ahy ary Izy no mitari-dalana ahy.
ﯫﯬﯭﯮﯯ
26:79
Ary Izy no nampihinana ahy sy nampisotro ahy.
ﯰﯱﯲﯳﯴ
26:80
Ary raha marary aho, dia Izy no manasitrana ahy.
ﯵﯶﯷﯸﯹ
26:81
Ary Izy no hamono ahy, avy eo hanome aina ahy indray.
ﯺﯻﯼﯽﯾﯿﰀﰁﰂ
26:82
Ary Izy ilay irìko hamela ireo fahadisoako, amin’ny andro fanomezana ny valin’asa.
ﰃﰄﰅﰆﰇﰈﰉ
26:83
Tompo ô ! Omeo fahendrena aho, ary ataovy miaraka amin’ireo olo-mendrika.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗ
26:84
Omeo laza tsara aho amin’ireo taranaka amam-para any aoriana.
ﭘﭙﭚﭛﭜﭝ
26:85
Ary ataovy an’isan’ireo mpandova ny Paradisan’ny «Na’ìm» (fahafinaretana) aho.
ﭞﭟﭠﭡﭢﭣﭤ
26:86
Ary mamelà ny heloky ny raiko, satria izy dia tena anisan’ireo very lalana.
ﭥﭦﭧﭨﭩ
26:87
Ary aza alaina baraka aho amin’ny andro hampitsanganana ireo maty.
ﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰ
26:88
Amin’ny andro izay tsy hitera-boka-tsoa, na ny harena na ny zanaka.
ﭱﭲﭳﭴﭵﭶﭷ
26:89
Afa-tsy izay tonga eo anatrehan’I Allah miaraka amin’ny fo madio.
ﭸﭹﭺﭻ
26:90
Ary hampanatonina ny Paradisa, ho an’ireo nanam-patahorana.
ﭼﭽﭾﭿ
26:91
Ary haseho ny afobe, ho an’ireo very lalana.
ﮀﮁﮂﮃﮄﮅﮆ
26:92
Ary ho tenenina amin’izy ireo hoe : “Aiza ireo izay notompoinareo?"
ﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎ
26:93
Ankoatr’I Allah ? Moa ve manavotra anareo izy ireo ? Sa afaka manavotra ny tenany ve izy ireo ?
ﮏﮐﮑﮒﮓ
26:94
Ary hatsipy hifangaro ao izy ireo, sy ireo very lalana.
ﮔﮕﮖﮗ
26:95
Toy izany koa ireo miaramilan’i Iblisa rehetra.
ﮘﮙﮚﮛﮜ
26:96
Hiteny izy ireo ao, sady mifanditra :
ﮝﮞﮟﮠﮡﮢﮣ
26:97
Mianiana amin’I Allah izahay fa tena ao anatin’ny fahaverezana miharihary tokoa.
ﮤﮥﮦﮧﮨ
26:98
Raha nampitovy anareo tamin’ny Tompon’izao Tontolo izao izahay !
ﮩﮪﮫﮬﮭ
26:99
Ary tsy nisy namery lalana anay afa-tsy ireo mpanao heloka bevava !
ﮮﮯﮰﮱﯓ
26:100
Ary tsy manana mpanelanelana izahay.
ﯔﯕﯖﯗ
26:101
Na sakaiza mafana fo !
ﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟ
26:102
Raha nanana fahafahana miverina izahay dia ho anisan’ireo mpino !
ﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧﯨﯩ
26:103
Marina fa amin’izany dia misy fahagagana tokoa, nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mpino.
ﯪﯫﯬﯭﯮﯯ
26:104
Ary marina fa ny Tomponao, Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo.
ﯰﯱﯲﯳﯴ
26:105
Nilaza ireo Iraka ho mpandainga ny vahoakan’i Noa.
ﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻﯼ
26:106
Rehefa niteny tamin’izy ireo i Noa, rahalahin’izy ireo, hoe : “Tsy matahotra (an’I Allah) ve ianareo ?
ﯽﯾﯿﰀﰁ
26:107
Izaho dia Iraka mendri-pitokisana ho anareo !
ﰂﰃﰄﰅ
26:108
Ary matahora an’I Allah àry ianareo, ary ankatoavy aho.
ﰆﰇﰈﰉﰊﰋﰌﰍﰎﰏﰐﰑﰒ
26:109
Ary tsy mangataka tambiny aminareo aho momba izany, tsy mila tambiny aho afa-tsy avy amin’ny Tompon’izao tontolo izao.
ﰓﰔﰕﰖ
26:110
Ary matahora an’I Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy.
ﰗﰘﰙﰚﰛﰜﰝ
26:111
Niteny izy ireo hoe : “Moa ve hino anao izahay, nefa ireny olona ambany saranga indrindra ireny no manaraka anao ?”
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗ
26:112
Niteny izy hoe : “Tsy manana fahalalana amin’izay zavatra ataon’izy ireo aho".
ﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟﭠ
26:113
Tsy misy fitsarana azy ireo afa-tsy any amin’ny Tompoko, raha mba tsapanareo izany.
ﭡﭢﭣﭤﭥ
26:114
Ary tsy izaho mihitsy no handroaka ireo mpino.
ﭦﭧﭨﭩﭪﭫ
26:115
Tsy iza akory aho afa-tsy mpananatra miharihary ihany.
ﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳﭴ
26:116
Niteny izy ireo hoe : “Raha tsy mitsahatra ianao ry Noa dia tena ho anisan’ireo voatora-bato tokoa”.
ﭵﭶﭷﭸﭹﭺ
26:117
Niteny izy (Noa) hoe : “Tompo ô ! Tena nilaza ahy ho mpandainga ny vahoakako !
ﭻﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄ
26:118
Ka tsarao amin’ny fitsarana mazava àry ny amiko sy ny amin’izy ireo ; ary avoty aho sy ireo mpino miaraka amiko”.
ﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋ
26:119
Dia navotanay izy sy ireo izay niaraka taminy, tao anatin’ny sambo fiara feno tanteraka.
ﮌﮍﮎﮏﮐ
26:120
Avy eo dia narendrikay taorian’izany ireo sisa tavela.
ﮑﮒﮓﮔﮕﮖﮗﮘﮙﮚ
26:121
Marina fa amin’izany dia misy fahagagana tokoa, nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mpino.
ﮛﮜﮝﮞﮟﮠ
26:122
Ary marina fa ny Tomponao, Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo.
ﮡﮢﮣﮤ
26:123
Nilaza ireo Iraka ho mpandainga ireo ‘Aad.
ﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫﮬ
26:124
Raha niteny tamin’izy ireo ny rahalahin’izy ireo Hod hoe : “Tsy manam-patahorana ve ianareo ?”
ﮭﮮﮯﮰﮱ
26:125
Izaho dia Iraka mendri-pitokisana ho anareo !
ﯓﯔﯕﯖ
26:126
Ary matahora an’i Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy.
ﯗﯘﯙﯚﯛﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣ
26:127
Ary tsy mangataka tambiny aminareo aho ny amin'izany, tsy misy karama afa-tsy avy amin’ny Tompon’izao Tontolo izao aho.
ﯤﯥﯦﯧﯨﯩ
26:128
Moa ve manorina tsangam-bato isaky ny havoana ianareo mba hanaovanareo rendrarendra ?
ﯪﯫﯬﯭﯮ
26:129
Ary moa ve manangana lapa ianareo tahaka ny hitoeranareo mandrakizay ?
ﯯﯰﯱﯲﯳ
26:130
Ary rehefa manasazy ianareo, dia manasazy tsy misy fiantràna .
ﯴﯵﯶﯷ
26:131
Ary matahora an’I Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy.
ﯸﯹﯺﯻﯼﯽ
26:132
Ary matahora izay nanome anareo zavatra (tsara rehetra) izay efa fantatrareo ianareo.
ﯾﯿﰀﰁ
26:133
Izay nanome anareo ireo biby fiompy sy ireo zanaka.
ﰂﰃﰄ
26:134
Ary ireo zaridaina sy ireo loharano.
ﰅﰆﰇﰈﰉﰊﰋ
26:135
Marina fa izaho dia matahotra ny famaizana ho anareo amin’ny Andro lehibe.
ﰌﰍﰎﰏﰐﰑﰒﰓﰔﰕ
26:136
Niteny izy ireo hoe : “Mitovy ihany izany aminay, na mananatra ianao na tsy anisan’ireo mpananatra !
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖ
26:137
Tsy inona izany fa fomba fiainan’ireo teo aloha ihany.
ﭗﭘﭙﭚ
26:138
Ary tsy ho faizina velively izahay.
ﭛﭜﭝﭞﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥﭦﭧ
26:139
Ka nilaza azy ho mpandainga izy ireo. Ary naringanay izy ireo.Tena marina fa amin’izany dia misy famantarana tokoa ! Nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mino.
ﭨﭩﭪﭫﭬﭭ
26:140
Ary marina fa ny Tomponao, Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo.
ﭮﭯﭰﭱ
26:141
Nilaza ireo iraka ho mpandainga, ireo Thamody.
ﭲﭳﭴﭵﭶﭷﭸﭹ
26:142
Raha niteny tamin’izy ireo ny rahalahin’izy ireo Soalihy hoe : “Tsy manam-patahorana ve ianareo ?”
ﭺﭻﭼﭽﭾ
26:143
Izaho dia Iraka mendri-pitokisana ho anareo !
ﭿﮀﮁﮂ
26:144
Ary matahora an’I Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy.
ﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎﮏ
26:145
Ary tsy mangataka tambiny aminareo aho momba izany, tsy misy karama aho afa-tsy avy amin’ny Tompon’izao Tontolo izao.
ﮐﮑﮒﮓﮔﮕ
26:146
Moa ve avela am-pilaminana amin’izao toe-javatra misy anareo izao ianareo ?
ﮖﮗﮘﮙ
26:147
Ao amin’ireo zaridaina sy loharano.
ﮚﮛﮜﮝﮞ
26:148
Ary ireo voly sy ireo hazo palma izay mora levonina ny voankazony”.
ﮟﮠﮡﮢﮣﮤ
26:149
Ary lavahanareo amin-pahakingana ireo tendrombohitra ho trano.
ﮥﮦﮧﮨ
26:150
Ary matahora an’I Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy.
ﮩﮪﮫﮬﮭ
26:151
Ary aza mankato ny baikon’ireo mpanao ny tafahoatra ianareo.
ﮮﮯﮰﮱﯓﯔﯕ
26:152
Ireo izay manao ny asa fanimbana eto an-tany, dia tsy manao mihitsy ny asa fanamboarana.
ﯖﯗﯘﯙﯚﯛ
26:153
Niteny izy ireo hoe : “Ianao dia tena anisan’ireo olona voan’ny mosavy".
ﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣﯤﯥﯦﯧ
26:154
Tsy iza akory ianao afa-tsy olombelona tahaka anay ihany. ka ento aty aminay àry ny fahagagana, raha anisan’ireo mpilaza ny marina ianao.
ﯨﯩﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱ
26:155
Niteny izy hoe : “Indro ny rameva vavy, ho azy ny anjara fisotroana amin’ny andro voatondro, ary ho anareo koa ny anjara fisotroana amin’ny andro hafa voatondro".
ﯲﯳﯴﯵﯶﯷﯸﯹ
26:156
Ary aza manao ratsy aminy na dia kely aza ianareo, raha tsy izany dia hiharan’ny famaizana ianareo amin’ny andro lehibe.
ﯺﯻﯼﯽ
26:157
Nefa mbola novonoin’izy ireo ihany izy (ny rameva vavy), noho izany dia nanenina izy ireo !
ﯾﯿﰀﰁﰂﰃﰄﰅﰆﰇﰈﰉﰊ
26:158
Koa niharan’ny famaizana izy ireo. Marina fa misy famantarana ny ao anatin’izany. Nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mino.
ﰋﰌﰍﰎﰏﰐ
26:159
Ary marina fa ny Tomponao, Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo.
ﭑﭒﭓﭔﭕ
26:160
Nilaza ireo Iraka ho mpandainga ny vahoakan' i Lota.
ﭖﭗﭘﭙﭚﭛﭜﭝ
26:161
Raha niteny tamin’izy ireo ny rahalahin’izy ireo Lota hoe : “Tsy manam-patahorana ve ianareo ?"
ﭞﭟﭠﭡﭢ
26:162
Izaho dia Iraka mendri-pitokisana ho anareo !
ﭣﭤﭥﭦ
26:163
Ary matahora an’I Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy.
ﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰﭱﭲﭳ
26:164
Ary tsy mangataka tambiny aminareo aho momba izany, tsy misy karama aho afa-tsy avy amin’i Tompon’izao Tontolo izao.
ﭴﭵﭶﭷﭸ
26:165
Moa ve manao firaisana ara-nofo amin’ny lehilahin’izao tontolo izao ianareo ?
ﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂﮃﮄﮅ
26:166
Ary avelanareo ireo vehivavy vadinareo izay noharian’i Tomponareo ho anareo ? Ary ianareo dia tena vahoaka mpandika lalàna.
ﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌﮍﮎ
26:167
Niteny izy ireo hoe : “Raha tsy mitsahatra ianao ry Lota, dia tena ho anisan’ireo atao sesi-tany".
ﮏﮐﮑﮒﮓﮔ
26:168
Niteny izy (Lota) hoe : “Marina fa izaho dia anisan’ireo mankahala ny asa izay ataonareo".
ﮕﮖﮗﮘﮙﮚ
26:169
Tompo o ! Avoty aho sy ny fianakaviako amin’izay ataon’izy ireo.
ﮛﮜﮝﮞ
26:170
Ka navotanay àry izy sy ny fianakaviany rehetra.
ﮟﮠﮡﮢﮣ
26:171
Afa-tsy vehivavy antitra iray anisan’ireo naringana.
ﮤﮥﮦﮧ
26:172
Avy eo dia nopotehinay koa ny sasany.
ﮨﮩﮪﮫﮬﮭﮮﮯ
26:173
Ary narotsakay tamin’izy ireo ny orana (oram-bato). Tena ratsy tokoa izany orana izany ho an’ireo izay nampitandremana.
ﮰﮱﯓﯔﯕﯖﯗﯘﯙﯚ
26:174
Marina fa amin’izany dia misy fahagagana tokoa, nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mpino.
ﯛﯜﯝﯞﯟﯠ
26:175
Ary marina fa ny Tomponao, Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo.
ﯡﯢﯣﯤﯥ
26:176
Nilaza ireo iraka ho mpandainga ireo olon’ny Al-Aikaty.
ﯦﯧﯨﯩﯪﯫﯬ
26:177
Rehefa niteny tamin’izy ireo i Choaymbo hoe : “Tsy manam-patahorana ve ianareo ?”
ﯭﯮﯯﯰﯱ
26:178
Izaho dia Iraka mendri-pitokisana ho anareo !
ﯲﯳﯴﯵ
26:179
Ary matahora an’I Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy.
ﯶﯷﯸﯹﯺﯻﯼﯽﯾﯿﰀﰁﰂ
26:180
Ary tsy mangataka tambiny aminareo aho momba izany, tsy misy karama aho afa-tsy avy amin’ny Tompon’izao Tontolo izao.
ﰃﰄﰅﰆﰇﰈﰉﰊ
26:181
Manomeza fatra feno ianareo,fa azamanao ho isan'ieo mpanena fatra.
ﰋﰌﰍﰎ
26:182
Ary mandanjà amin’ny fandanjana marina ianareo.
ﰏﰐﰑﰒﰓﰔﰕﰖﰗﰘ
26:183
Ary aza manome ny olona izay latsaky ny tokony ho azy ianareo; ary aza manao fanakorontanana sy asa fanimbana eto an-tany ianareo.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖ
26:184
Ary matahora Ilay Nahary anareo sy ireo taranaka teo aloha ianareo.
ﭗﭘﭙﭚﭛﭜ
26:185
Niteny izy ireo hoe : “Ianao dia tena anisan’ireo olona voan’ny mosavy".
ﭝﭞﭟﭠﭡﭢﭣﭤﭥﭦ
26:186
Tsy iza ianao afa-tsy olombelona tahaka anay ihany ; ary izahay dia mihevitra tokoa fa tena anisan’ireo mpandainga ianao.
ﭧﭨﭩﭪﭫﭬﭭﭮﭯﭰ
26:187
Noho izany dia andatsaho ny tapaky ny lanitra izahay raha toa ka milaza ny marina ianao !”
ﭱﭲﭳﭴﭵﭶ
26:188
Niteny izy hoe : “Ny Tompoko no tena mahalala izay ataonareo”.
ﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽﭾﭿﮀﮁﮂ
26:189
Nefa nolazain’izy ireo fa mpandainga izy. Ka niharan’ny famaizan’ny andron’ny aloka izy ireo. Ary izany dia tena famaizan’ny andro lehibe.
ﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉﮊﮋﮌ
26:190
Marina fa amin’izany dia misy fahagagana tokoa, nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mpino.
ﮍﮎﮏﮐﮑﮒ
26:191
Ary marina fa ny Tomponao, Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo.
ﮓﮔﮕﮖﮗ
26:192
Izy io (ny Kor’any) dia ny Tompon’izao tontolo izao no nampidina azy.
ﮘﮙﮚﮛﮜ
26:193
Ary nidina niaraka taminy ilay Fanahy mendri-pitokisana (Anjely Gabriely).
ﮝﮞﮟﮠﮡﮢ
26:194
(Hametraka azy) Ao amin’ny fonao, mba ho anisan’ireo mpampitandrina ianao.
ﮣﮤﮥﮦ
26:195
Amin’ny fiteny arabo mazava tsara.
ﮧﮨﮩﮪﮫ
26:196
Ary izy io dia efa voarakitra mazava tsara ao anatin’ny soratra masin’ireo teo aloha.
ﮬﮭﮮﮯﮰﮱﯓﯔﯕﯖ
26:197
Moa ve tsy famantarana ho azy ireo izany, fa ireo manam-pahaizan’ny zanak’Israely dia mahafantatra tsara izany ?
ﯗﯘﯙﯚﯛﯜ
26:198
Ary raha nampidina an’izany tamin’ny olon-kafa tsy arabo Izahay.
ﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣ
26:199
Ary novakiany tamin’izy ireo izany, dia tsy nino izany ihany izy ireo.
ﯤﯥﯦﯧﯨﯩ
26:200
Tahaka izany no nampidiranay azy (ny ahiahy) tao amin’ny fon’ireo mpanao heloka bevava.
ﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱ
26:201
Ka tsy hino izany (Kor’any izany) izy ireo alohan’ny ahitan’izy ireo ny famaizana mamirifiry.
ﯲﯳﯴﯵﯶﯷ
26:202
Izay ho tonga tampoka amin’izy ireo, ary tsy ahatsapa izany mihitsy izy ireo.
ﯸﯹﯺﯻﯼ
26:203
Dia hiteny izy ireo hoe : “Moa ve ahazo fe-potoana izahay ?”
ﯽﯾﯿ
26:204
Ny famaizana avy Aminay ve no tadiavin’izy ireo hafainganina ?
ﰀﰁﰂﰃﰄ
26:205
Hitanao ve raha omenay fahafinaretana izy ireo mandritra ny taona maro.
ﰅﰆﰇﰈﰉﰊ
26:206
Avy eo dia ho tonga amin’izy ireo izay nampitahorana azy ireo.
ﭑﭒﭓﭔﭕﭖﭗ
26:207
Tsy nahavita na inona na inona amin’izy ireo, ireo fahafinaretana izay nomena azy ireo.
ﭘﭙﭚﭛﭜﭝﭞﭟ
26:208
Ary tsy mandringana tanàna Izahay raha tsy efa nisy ireo mpampitandrina ao aminy.
ﭠﭡﭢﭣﭤ
26:209
Ho fampahatsiahivana ity, ary Izahay dia tsy mba mpanao ny tsy rariny.
ﭥﭦﭧﭨﭩ
26:210
Ary tsy mba ireo satana no nidina niaraka tamin’ity (Kor’any ity).
ﭪﭫﭬﭭﭮﭯ
26:211
Ary tsy mendrika ho azy ireo izany, no sady tsy manam-pahefana (amin’izany) izy ireo.
ﭰﭱﭲﭳﭴ
26:212
Satria izy ireo dia tena nohalavirina amin’ny fihainoana (ny hafatra masina).
ﭵﭶﭷﭸﭹﭺﭻﭼﭽﭾ
26:213
Ka aoka ianao tsy hiantso Tompo hafa miaraka amin’I Allah, raha tsy izany dia ho anisan’ireo ho faizina ianao.
ﭿﮀﮁﮂ
26:214
Ary ampitandremo (ry Mohammady) ireo havanao akaiky.
ﮃﮄﮅﮆﮇﮈﮉ
26:215
Ampidino ny elatrao (aoka ianao halemy fanahy) amin’ireo mpino izay manaraka anao.
ﮊﮋﮌﮍﮎﮏﮐﮑ
26:216
Ary raha tsy mankatò anao izy ireo, dia teneno hoe : “Izaho dia mitsipaka izay ataonareo”.
ﮒﮓﮔﮕﮖ
26:217
Ary ankino amin’Ilay Tsitoha, Ilay be Indrafo ny fitokisanao.
ﮗﮘﮙﮚﮛ
26:218
Izay mahita anao rehefa mitsangana ianao.
ﮜﮝﮞﮟ
26:219
Sy ny fihetsikao eo anivon’ireo mpiankohoka.
ﮠﮡﮢﮣﮤ
26:220
Izy no Ilay tena Maheno sy Mahalala .
ﮥﮦﮧﮨﮩﮪﮫ
26:221
Ho lazaiko anareo ve amin’iza no midina ireo satana ?
ﮬﮭﮮﮯﮰﮱ
26:222
Midina amin’izay rehetra be famoronan-dainga sy be fahotana izy ireo.
ﯓﯔﯕﯖﯗ
26:223
Mampandry sofina izy ireo nefa ny ankamaroan’izy ireo dia mpandainga avokoa.
ﯘﯙﯚﯛ
26:224
Fa ireo mpanao tononkalo kosa, dia manaraka azy ireo avy izay very lalana.
ﯜﯝﯞﯟﯠﯡﯢﯣ
26:225
Moa ve tsy hitanao fa izy ireo dia mirenireny isaky ny lohasaha.
ﯤﯥﯦﯧﯨﯩ
26:226
Ary izy ireo dia miteny izay tsy ataony.
ﯪﯫﯬﯭﯮﯯﯰﯱﯲﯳﯴﯵﯶﯷﯸﯹﯺﯻﯼﯽﯾ
26:227
Afa-tsy ireo izay mino sy manao ireo asa soa, ary mahatsiaro matetika an’I Allah sy miaro tena amin’ny tsy rariny izay natao azy ireo. Ary ho fantatr’ireo izay nanao ny tsy rariny fa fiverenana toy inona no hiverenan’izy ireo !
Koraña Masina
Wednesday, September 9, 2026
Don't forget us in your sincere prayers







