Surah Al-Haqqah amin'ny teny Arabo sy Malagasy

Vakio ny Surah Al-Haqqah miaraka amin'ny fandikana malagasy feno, fanononana ary feo fitononana. Dikan-teny isaky ny andininy. (52 Andininy — مكية). Al-Haqqah Henoy, Al-Haqqah Fandikana, Al-Haqqah mp3, Al-Haqqah pdf.

Vakio sy Henoy ny Surah Al-Haqqah

🎧 Andininy
M Mishary Rashid Alafasy
M Mahmoud Khalil Al-Husary
A Abdurrahman As-Sudais
M Mohamed Siddiq Al-Minshawi
A Abdul Basit Abdul Samad
A Ali Al-Hudhaify
A Ahmed ibn Ali al-Ajamy
A Abu Bakr Ash-Shaatree
M Muhammad Ayyoub
A Abdullah Basfar
A Abdullah Al-Juhani
M Maher Al Muaiqly
x1
الْحَاقَّةُ ۝١
📖 Fandikana Andininy 1
Ilay tsy azo ialana (isehoan'ny marina).
مَا الْحَاقَّةُ ۝٢
📖 Fandikana Andininy 2
Ka inona no tsy azo ialana (isehoan'ny marina)?
وَمَا أَدْرَاكَ مَا الْحَاقَّةُ ۝٣
📖 Fandikana Andininy 3
Ary iza no hilaza aminao ny amin'ny hoe tsy azo ialana (isehoan'ny marina)?
كَذَّبَتْ ثَمُودُ وَعَادٌ بِالْقَارِعَةِ ۝٤
📖 Fandikana Andininy 4
Nolazain'ireo Thamod sy ireo Aad ho lainga ireo loza.
فَأَمَّا ثَمُودُ فَأُهْلِكُوا بِالطَّاغِيَةِ ۝٥
📖 Fandikana Andininy 5
Ary ny Thamod dia ravan'ny hiaka tena mafy izy ireo.
وَأَمَّا عَادٌ فَأُهْلِكُوا بِرِيحٍ صَرْصَرٍ عَاتِيَةٍ ۝٦
📖 Fandikana Andininy 6
Fa ireo Aad indray dia ravan'ny rivotra mifofofofo ankatezerana izy ireo.
سَخَّرَهَا عَلَيْهِمْ سَبْعَ لَيَالٍ وَثَمَانِيَةَ أَيَّامٍ حُسُومًا فَتَرَى الْقَوْمَ فِيهَا صَرْعَىٰ كَأَنَّهُمْ أَعْجَازُ نَخْلٍ خَاوِيَةٍ ۝٧
📖 Fandikana Andininy 7
Ka nasafotofotony nandritran'ny fito alina, sy valo andro mifanarakaraka izy ireo ; dia hitanao mianjera amin'ny tany ireo olona, tahaka ny vodihazo "palma" poakaty.
فَهَلْ تَرَىٰ لَهُم مِّن بَاقِيَةٍ ۝٨
📖 Fandikana Andininy 8
Mbola misy hitanao tavela va izy ireo ?
وَجَاءَ فِرْعَوْنُ وَمَن قَبْلَهُ وَالْمُؤْتَفِكَاتُ بِالْخَاطِئَةِ ۝٩
📖 Fandikana Andininy 9
Ary tonga i Faraona sy ny teo alohany ary ireo tanàna noravana dia samy nanao fahotana avokoa.
فَعَصَوْا رَسُولَ رَبِّهِمْ فَأَخَذَهُمْ أَخْذَةً رَّابِيَةً ۝١٠
📖 Fandikana Andininy 10
Tsy nankato ny Iraky ny Tompony izy ireo, ka nosaziany tamin'ny fomba tsy ahafahany manohitra.
إِنَّا لَمَّا طَغَى الْمَاءُ حَمَلْنَاكُمْ فِي الْجَارِيَةِ ۝١١
📖 Fandikana Andininy 11
Rehefa tondraka ny rano dia Izahay no nampiditra anareo tao anatin'ny sambofiara.
لِنَجْعَلَهَا لَكُمْ تَذْكِرَةً وَتَعِيَهَا أُذُنٌ وَاعِيَةٌ ۝١٢
📖 Fandikana Andininy 12
Mba hataonay fampahatsiarovana ho anareo, ka ho voatahirin'ny sofina mahare tsara.
فَإِذَا نُفِخَ فِي الصُّورِ نَفْخَةٌ وَاحِدَةٌ ۝١٣
📖 Fandikana Andininy 13
Ka rehefa ho tsofina amin'ny feo tokana ny anjomara.
وَحُمِلَتِ الْأَرْضُ وَالْجِبَالُ فَدُكَّتَا دَكَّةً وَاحِدَةً ۝١٤
📖 Fandikana Andininy 14
Ary dia voahainga sy hazera indray mandeha ny tany sy ireo tendrombohitra.
فَيَوْمَئِذٍ وَقَعَتِ الْوَاقِعَةُ ۝١٥
📖 Fandikana Andininy 15
Amin'izay andro izay dia hiseho ilay toe-javatra.
وَانشَقَّتِ السَّمَاءُ فَهِيَ يَوْمَئِذٍ وَاهِيَةٌ ۝١٦
📖 Fandikana Andininy 16
Ary hitriatra ny lanitra, sady ho mora rava izy amin'io andro io.
وَالْمَلَكُ عَلَىٰ أَرْجَائِهَا ۚ وَيَحْمِلُ عَرْشَ رَبِّكَ فَوْقَهُمْ يَوْمَئِذٍ ثَمَانِيَةٌ ۝١٧
📖 Fandikana Andininy 17
Ary eo andanin'izany ireo, anjely ny valo hilanja ny seza fiandrianan'ny Tomponao amin'io andro io.
يَوْمَئِذٍ تُعْرَضُونَ لَا تَخْفَىٰ مِنكُمْ خَافِيَةٌ ۝١٨
📖 Fandikana Andininy 18
Haseho ianareo amin'io andro io ; ary tsy hisy hiafina ny aminareo.
فَأَمَّا مَنْ أُوتِيَ كِتَابَهُ بِيَمِينِهِ فَيَقُولُ هَاؤُمُ اقْرَءُوا كِتَابِيَهْ ۝١٩
📖 Fandikana Andininy 19
Fa ilay nomena ny bokiny amin'ny tanany ankavanana kosa, dia hiteny hoe : "Jereo ! Vakinareo ny bokiko."
إِنِّي ظَنَنتُ أَنِّي مُلَاقٍ حِسَابِيَهْ ۝٢٠
📖 Fandikana Andininy 20
Azoko antoka fa ho hitako ao ny tatitra momba ahy.
فَهُوَ فِي عِيشَةٍ رَّاضِيَةٍ ۝٢١
📖 Fandikana Andininy 21
Dia ho ao anatin'ny fiainam-pahasambarana feno fankasitrahana izy !
فِي جَنَّةٍ عَالِيَةٍ ۝٢٢
📖 Fandikana Andininy 22
Hiditra ny Paradisa mendrika tokoa.
قُطُوفُهَا دَانِيَةٌ ۝٢٣
📖 Fandikana Andininy 23
Izay misy voankazo azo takarina amin'ny tanana.
كُلُوا وَاشْرَبُوا هَنِيئًا بِمَا أَسْلَفْتُمْ فِي الْأَيَّامِ الْخَالِيَةِ ۝٢٤
📖 Fandikana Andininy 24
Mihinàna sy misotroa amim-pahafinaretana ianareo, noho izay efa nataonareo taloha.
وَأَمَّا مَنْ أُوتِيَ كِتَابَهُ بِشِمَالِهِ فَيَقُولُ يَا لَيْتَنِي لَمْ أُوتَ كِتَابِيَهْ ۝٢٥
📖 Fandikana Andininy 25
Fa izay hanolorana ny bokiny amin'ny tanany an-kavia kosa, dia hiteny hoe : "Indrisy mantsy ! Naleoko tsy natolotra ahy ny bokiko".
وَلَمْ أَدْرِ مَا حِسَابِيَهْ ۝٢٦
📖 Fandikana Andininy 26
Ka tsy nahafantarako ny tatitra momba ahy !
يَا لَيْتَهَا كَانَتِ الْقَاضِيَةَ ۝٢٧
📖 Fandikana Andininy 27
Indrisy, naleoko ihany nifarana tanteraka tamin'ny fahafatesako voalohany.
مَا أَغْنَىٰ عَنِّي مَالِيَهْ ۜ ۝٢٨
📖 Fandikana Andininy 28
Fa tsy nisy nilaivako ny harenako.
هَلَكَ عَنِّي سُلْطَانِيَهْ ۝٢٩
📖 Fandikana Andininy 29
"Rava ny fahefako ka nandao ahy !"
خُذُوهُ فَغُلُّوهُ ۝٣٠
📖 Fandikana Andininy 30
Raisinareo izy ! Ka asio gadra vy.
ثُمَّ الْجَحِيمَ صَلُّوهُ ۝٣١
📖 Fandikana Andininy 31
Avy eo dia doroy any amin’ny afo mamaivay.
ثُمَّ فِي سِلْسِلَةٍ ذَرْعُهَا سَبْعُونَ ذِرَاعًا فَاسْلُكُوهُ ۝٣٢
📖 Fandikana Andininy 32
Ary dia fatory amin’ny rojo mirefy fitopolo kiho.
إِنَّهُ كَانَ لَا يُؤْمِنُ بِاللَّهِ الْعَظِيمِ ۝٣٣
📖 Fandikana Andininy 33
Satria tsy nino an'I Allah ilay tena Lehibe izy ireo.
وَلَا يَحُضُّ عَلَىٰ طَعَامِ الْمِسْكِينِ ۝٣٤
📖 Fandikana Andininy 34
Ary tsy namporisika hanome sakafo ho an’ny mahantra.
فَلَيْسَ لَهُ الْيَوْمَ هَاهُنَا حَمِيمٌ ۝٣٥
📖 Fandikana Andininy 35
Tsy misy namana mihitsy izy eto anio.
وَلَا طَعَامٌ إِلَّا مِنْ غِسْلِينٍ ۝٣٦
📖 Fandikana Andininy 36
Ary tsisy sakafo hafa afa-tsy nàna.
لَّا يَأْكُلُهُ إِلَّا الْخَاطِئُونَ ۝٣٧
📖 Fandikana Andininy 37
Ireo meloka ihany no hihinana izany.
فَلَا أُقْسِمُ بِمَا تُبْصِرُونَ ۝٣٨
📖 Fandikana Andininy 38
Tsia;mianiana amin’izay hitanareo Aho.
وَمَا لَا تُبْصِرُونَ ۝٣٩
📖 Fandikana Andininy 39
Sy amin’izay tsy hitanareo ihany koa.
إِنَّهُ لَقَوْلُ رَسُولٍ كَرِيمٍ ۝٤٠
📖 Fandikana Andininy 40
Fa tenin’i Iraka iray mendri-kaja izany (Kor’any).
وَمَا هُوَ بِقَوْلِ شَاعِرٍ ۚ قَلِيلًا مَّا تُؤْمِنُونَ ۝٤١
📖 Fandikana Andininy 41
Fa tsy tenin'ny mpanao tononkalo akory, saingy zara raha mino ianareo.
وَلَا بِقَوْلِ كَاهِنٍ ۚ قَلِيلًا مَّا تَذَكَّرُونَ ۝٤٢
📖 Fandikana Andininy 42
Ary tsy tenin’ny mpisikidy; saingy zara raha mahatsiaro ianareo.
تَنزِيلٌ مِّن رَّبِّ الْعَالَمِينَ ۝٤٣
📖 Fandikana Andininy 43
Fanambarana avy amin’ny Tompon’izao tontolo izao izany.
وَلَوْ تَقَوَّلَ عَلَيْنَا بَعْضَ الْأَقَاوِيلِ ۝٤٤
📖 Fandikana Andininy 44
Ka raha namorona teny hafa izy, nitenenany Anay.
لَأَخَذْنَا مِنْهُ بِالْيَمِينِ ۝٤٥
📖 Fandikana Andininy 45
Dia noraisinay tamin’ny tanana an-kavanana izy.
ثُمَّ لَقَطَعْنَا مِنْهُ الْوَتِينَ ۝٤٦
📖 Fandikana Andininy 46
Avy eo dia notapahanay ny lalan-drà lehibe taminy (mifandray amin’ny fo).
فَمَا مِنكُم مِّنْ أَحَدٍ عَنْهُ حَاجِزِينَ ۝٤٧
📖 Fandikana Andininy 47
Ka tsy nisy afaka niaro azy ianareo.
وَإِنَّهُ لَتَذْكِرَةٌ لِّلْمُتَّقِينَ ۝٤٨
📖 Fandikana Andininy 48
Hamafisina, fa fampahatsiarovana ho an’ireo vontom-pinoana izany.
وَإِنَّا لَنَعْلَمُ أَنَّ مِنكُم مُّكَذِّبِينَ ۝٤٩
📖 Fandikana Andininy 49
Ary fantatray fa misy miampanga izany ho lainga aminareo.
وَإِنَّهُ لَحَسْرَةٌ عَلَى الْكَافِرِينَ ۝٥٠
📖 Fandikana Andininy 50
Ary fahanenenana ho an’ireo tsy mpino tokoa izany.
وَإِنَّهُ لَحَقُّ الْيَقِينِ ۝٥١
📖 Fandikana Andininy 51
Ary izany no tena marina azo antoka.
فَسَبِّحْ بِاسْمِ رَبِّكَ الْعَظِيمِ ۝٥٢
📖 Fandikana Andininy 52
Omeo voninahitra àry ny anaran’ny Tomponao, ilay Lehibe indrindra !
← 68 Al-Haqqah (69/114) 70 →
Vakio Surah Al-Haqqah Malagasy – Fandikana, Fanononana ary Feo

69الحاقة Al-Haqqah 📚 52 Andininy مكية

Andininy isan-tsokajy – Surah Al-Haqqah — 52 Andininy




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers