An-Nahl · 37/128
Fandikana Fanononana — An-Nahl
إِن تَحْرِصْ عَلَىٰ هُدَاهُمْ فَإِنَّ اللَّهَ لَا يَهْدِي مَن يُضِلُّ ۖ وَمَا لَهُم مِّن نَّاصِرِينَ ۝٣٧
In tahris `alaa hudaahum fa innal laaha laa yahdee mai yudillu wa maa lahum min naasireen
📖 Dikany Malagasy
Na dia miezaka mafy aza Ianao amin’ny fitarihana azy ireo fa tena marina fa i Allah dia tsy hitari-dàlana izay novereziny; ary tsy hanana mpanavotra izy ireo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 35-39 — An-Nahl

35وَقَالَ الَّذِينَ أَشْرَكُوا لَوْ شَاءَ اللَّهُ مَا عَبَدْنَا مِن دُونِهِ مِن شَيْءٍ نَّحْنُ وَلَا آبَاؤُنَا وَلَا حَرَّمْنَا مِن دُونِهِ مِن شَيْءٍ ۚ كَذَٰلِكَ فَعَلَ الَّذِينَ مِن قَبْلِهِمْ ۚ فَهَلْ عَلَى الرُّسُلِ إِلَّا الْبَلَاغُ الْمُبِينُ
Ary niteny ireo izay nanakambana an’i Allah amin’ny zavatra hafa ka nanao hoe : “ Raha sitrakan’i Allah dia tsy nanompo zavatra hafa Izahay ankoatra Azy, na Izahay na ireo razambenay, ary tsy nampifady na inona na inona Izahay ankoatra izay nampifadiany ”. Toy izany no nataon’ireo teo alohan’izy ireo. Moa ve manana adidy ireo Iraka afa-tsy ny fampielezana miharihary ihany.
36وَلَقَدْ بَعَثْنَا فِي كُلِّ أُمَّةٍ رَّسُولًا أَنِ اعْبُدُوا اللَّهَ وَاجْتَنِبُوا الطَّاغُوتَ ۖ فَمِنْهُم مَّنْ هَدَى اللَّهُ وَمِنْهُم مَّنْ حَقَّتْ عَلَيْهِ الضَّلَالَةُ ۚ فَسِيرُوا فِي الْأَرْضِ فَانظُرُوا كَيْفَ كَانَ عَاقِبَةُ الْمُكَذِّبِينَ
{Ary efa nandefa Iraka tokoa isaky ny vahoaka tsirairay Izahay (hilaza hanao hoe) : “ Manompoa an’i Allah ianareo, ary halavironareo ny sampy «Taghoty[94]» ”. Koa nisy tamin’izy ireo izay notarihin’i Allah làlana, ary nisy tamin’izy ireo no mendrika ny fahaverezana. koa mandehana ianareo manerana ny tany, ka jereo, ahoana no niafaran’ireo nilaza (ireo Iraka) ho mpandainga.}
37إِن تَحْرِصْ عَلَىٰ هُدَاهُمْ فَإِنَّ اللَّهَ لَا يَهْدِي مَن يُضِلُّ ۖ وَمَا لَهُم مِّن نَّاصِرِينَ
Na dia miezaka mafy aza Ianao amin’ny fitarihana azy ireo fa tena marina fa i Allah dia tsy hitari-dàlana izay novereziny; ary tsy hanana mpanavotra izy ireo.
38وَأَقْسَمُوا بِاللَّهِ جَهْدَ أَيْمَانِهِمْ ۙ لَا يَبْعَثُ اللَّهُ مَن يَمُوتُ ۚ بَلَىٰ وَعْدًا عَلَيْهِ حَقًّا وَلَٰكِنَّ أَكْثَرَ النَّاسِ لَا يَعْلَمُونَ
Ary mianiana amin’i Allah izy ireo amin’ny fianianana tena mafy manao hoe : “ Tsy hanangana izay efa maty i Allah ”. Tsia ! Fa izany dia fampanantenana marina avy Aminy, fa ny ankamaroan’ny Olona kosa dia tsy mahafantatra.
39لِيُبَيِّنَ لَهُمُ الَّذِي يَخْتَلِفُونَ فِيهِ وَلِيَعْلَمَ الَّذِينَ كَفَرُوا أَنَّهُمْ كَانُوا كَاذِبِينَ
Mba hanazavany amin’ireo izay miady hevitra momba izany, sy mba ahafantaran’ireo izay tsy nino, fa izy ireo dia mpandainga tokoa.
An-NahlFizahan-takila Koraña
128Andininy
MeccanRevelation
37Andininy

Fandikana — An-Nahl 37

Surah An-Nahl Andininy 37 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Na dia miezaka mafy aza Ianao amin’ny fitarihana azy ireo…

Surah Andininy 37/128 — An-Nahl النحل (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: An-Nahl Henoy, An-Nahl Fandikana, An-Nahl mp3, An-Nahl pdf. Andininy 35–39. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers