Al-Baqarah · 122/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
يَا بَنِي إِسْرَائِيلَ اذْكُرُوا نِعْمَتِيَ الَّتِي أَنْعَمْتُ عَلَيْكُمْ وَأَنِّي فَضَّلْتُكُمْ عَلَى الْعَالَمِينَ ۝١٢٢
Yaa Baneee Israaa`eelaz-kuroo ni`matiyal lateee an`amtu `alaikum wa annee faddaltukum `alal `aalameen
📖 Dikany Malagasy
Ry zanak’Israely ! Tsarovinareo ny fahasoavako izay nomeko anareo, ary ny nanomezako anareo tombom-pahasoavana teo anatrehan’izao tontolo izao.

🎧 Henoy


📜 Andininy 120-124 — Al-Baqarah

120وَلَن تَرْضَىٰ عَنكَ الْيَهُودُ وَلَا النَّصَارَىٰ حَتَّىٰ تَتَّبِعَ مِلَّتَهُمْ ۗ قُلْ إِنَّ هُدَى اللَّهِ هُوَ الْهُدَىٰ ۗ وَلَئِنِ اتَّبَعْتَ أَهْوَاءَهُم بَعْدَ الَّذِي جَاءَكَ مِنَ الْعِلْمِ ۙ مَا لَكَ مِنَ اللَّهِ مِن وَلِيٍّ وَلَا نَصِيرٍ
Ary tsy ho faly aminao velively ny Jiosy sy ireo Kristianina, raha tsy manaraka ny finoany ianao. Koa lazao azy ireo : “Lazaiko sy hamafisiko, fa ny taridàlan’Allah no làla-marina”. Fa raha ianao indray no hanaraka ny sitrapon’izy ireo taorian’ny nanomezan’Allah anao ny Fahalalàna, tsarovy, fa tsy hanana sakaiza mpiaro na koa mpamonjy afa-tsy Allah irery ihany ianao.
121الَّذِينَ آتَيْنَاهُمُ الْكِتَابَ يَتْلُونَهُ حَقَّ تِلَاوَتِهِ أُولَٰئِكَ يُؤْمِنُونَ بِهِ ۗ وَمَن يَكْفُرْ بِهِ فَأُولَٰئِكَ هُمُ الْخَاسِرُونَ
Ireo izay nomenay ny Boky ka namaky izany amin'ny famakiana tena marina, dia izy ireny no mino Azy; ary izay tsy mino Azy kosa dia lazaina fa izy ireny tokoa no olona maty antoka.
122يَا بَنِي إِسْرَائِيلَ اذْكُرُوا نِعْمَتِيَ الَّتِي أَنْعَمْتُ عَلَيْكُمْ وَأَنِّي فَضَّلْتُكُمْ عَلَى الْعَالَمِينَ
Ry zanak’Israely ! Tsarovinareo ny fahasoavako izay nomeko anareo, ary ny nanomezako anareo tombom-pahasoavana teo anatrehan’izao tontolo izao.
123وَاتَّقُوا يَوْمًا لَّا تَجْزِي نَفْسٌ عَن نَّفْسٍ شَيْئًا وَلَا يُقْبَلُ مِنْهَا عَدْلٌ وَلَا تَنفَعُهَا شَفَاعَةٌ وَلَا هُمْ يُنصَرُونَ
Aoka ianareo hatahotra ilay andro izay tsy hanomezana valisoa ny an-daniny noho ny asan’ny ankilany, sy tsy hankatoavana intsony izay fibabohana amin’ny heloka vita, ary tsy hamokatra intsony ny fanelanelanana. Ka tsy hisy intsony ny famonjena ho azy ireo.
124۞ وَإِذِ ابْتَلَىٰ إِبْرَاهِيمَ رَبُّهُ بِكَلِمَاتٍ فَأَتَمَّهُنَّ ۖ قَالَ إِنِّي جَاعِلُكَ لِلنَّاسِ إِمَامًا ۖ قَالَ وَمِن ذُرِّيَّتِي ۖ قَالَ لَا يَنَالُ عَهْدِي الظَّالِمِينَ
Ary tsarovinareo, raha nahazo fitsapana tamin’ny Tompony i Ibrahim tamin’ny alàlan’ireo teny, ka dia tanterany tokoa izany. Niteny taminy Izy : “Lazaiko ary hamafisiko, fa nanapa-kevitra ny hanendry anao ho mpitarika (Imam) ny olombelona Aho”. Dia hoy izy nanontany : “Ary izany va hahakasika ireo taranako?”, namaly azy Allah : “Tsy ho voakasiky ny fanekeko ireo mpanao ny tsy rariny”.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
122Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 122

Surah Al-Baqarah Andininy 122 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ry zanak’Israely ! Tsarovinareo ny fahasoavako izay nomeko anareo, ary…

Surah Andininy 122/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 120–124. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers