Al-Baqarah · 70/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
قَالُوا ادْعُ لَنَا رَبَّكَ يُبَيِّن لَّنَا مَا هِيَ إِنَّ الْبَقَرَ تَشَابَهَ عَلَيْنَا وَإِنَّا إِن شَاءَ اللَّهُ لَمُهْتَدُونَ ۝٧٠
Qaalud-`u lanaa rabbaka yubaiyil lanaa maa hiya innal baqara tashaabaha `alainaa wa innaaa in shaaa`al laahu lamuhtadoon
📖 Dikany Malagasy
Niteny indray izy ireo hoe : " Angataho ny Tomponao mba hanazava bebe kokoa aminay hoe tahaka ny ahoana tsara ilay izy (ombivavy); fa tena mbola mitovitovy ihany aminay ireo ombivavy ireo; ary raha sitrak'i Allah dia ho voatarika amin'izay tena izy tokoa izahay ".
🎧 Henoy

📜 Andininy 68-72 — Al-Baqarah

68قَالُوا ادْعُ لَنَا رَبَّكَ يُبَيِّن لَّنَا مَا هِيَ ۚ قَالَ إِنَّهُ يَقُولُ إِنَّهَا بَقَرَةٌ لَّا فَارِضٌ وَلَا بِكْرٌ عَوَانٌ بَيْنَ ذَٰلِكَ ۖ فَافْعَلُوا مَا تُؤْمَرُونَ
Dia niteny izy ireo hoe : " Angataho ny Tomponao mba hanazava aminay hoe tahaka ny ahoana ilay izy (ombivavy) ? dia hoy izy hoe :" Tena marina izao no nolazainy: izy io dia mila ombivavy tsy antitra no tsy kely loatra fa eo anivon'izany ". ka ataovinareo izay nanirahana anareo.
69قَالُوا ادْعُ لَنَا رَبَّكَ يُبَيِّن لَّنَا مَا لَوْنُهَا ۚ قَالَ إِنَّهُ يَقُولُ إِنَّهَا بَقَرَةٌ صَفْرَاءُ فَاقِعٌ لَّوْنُهَا تَسُرُّ النَّاظِرِينَ
Niteny indray izy ireo hoe : " Angataho ny Tomponao mba hamaritra aminay ny lokon'ilay ombivavy ". dia hoy izy hoe : " Izao indrindra no nambarany : mila ombivavy miloko mavo mamirapiratra izany, ka mahafinaritra izay mijery azy ".
70قَالُوا ادْعُ لَنَا رَبَّكَ يُبَيِّن لَّنَا مَا هِيَ إِنَّ الْبَقَرَ تَشَابَهَ عَلَيْنَا وَإِنَّا إِن شَاءَ اللَّهُ لَمُهْتَدُونَ
Niteny indray izy ireo hoe : " Angataho ny Tomponao mba hanazava bebe kokoa aminay hoe tahaka ny ahoana tsara ilay izy (ombivavy); fa tena mbola mitovitovy ihany aminay ireo ombivavy ireo; ary raha sitrak'i Allah dia ho voatarika amin'izay tena izy tokoa izahay ".
71قَالَ إِنَّهُ يَقُولُ إِنَّهَا بَقَرَةٌ لَّا ذَلُولٌ تُثِيرُ الْأَرْضَ وَلَا تَسْقِي الْحَرْثَ مُسَلَّمَةٌ لَّا شِيَةَ فِيهَا ۚ قَالُوا الْآنَ جِئْتَ بِالْحَقِّ ۚ فَذَبَحُوهَا وَمَا كَادُوا يَفْعَلُونَ
Namaly azy ireo Moussa : “Hamafisina fa, araka ny baikon’Allah, dia tsy maintsy ombivavy tsy mbola nampiasaina teo amin’ny famadiana bainga na teo amin’ny fanondrahana tanimboly, tsy manan-kilema ary miloko ranoray (tokam-bolo) izany”. Dia hoy izy ireo : “Izao ianao vao namosaka ny fahamarinana”. Ary dia nolentain’izy ireo taorian’izany tokoa ilay ombivavy na dia tsy narisika loatra ny nanao izany aza izy ireo.
72وَإِذْ قَتَلْتُمْ نَفْسًا فَادَّارَأْتُمْ فِيهَا ۖ وَاللَّهُ مُخْرِجٌ مَّا كُنتُمْ تَكْتُمُونَ
Ary tsarovinareo raha namono olona ianareo, ka nifanilika ny amin'izay nahavanona izany loza izany; ary Allah kosa dia namoaka izay nafeninareo.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
70Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 70

Surah Al-Baqarah Andininy 70 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Niteny indray izy ireo hoe : " Angataho ny Tomponao…

Surah Andininy 70/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 68–72. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers