An-Nur · 24/64
Fandikana Fanononana — An-Nur
يَوْمَ تَشْهَدُ عَلَيْهِمْ أَلْسِنَتُهُمْ وَأَيْدِيهِمْ وَأَرْجُلُهُم بِمَا كَانُوا يَعْمَلُونَ ۝٢٤
Yawma tashhhadu `alaihim alsinatuhum wa aideehim wa arjuluhum bimaa kaanoo ya`maloon
📖 Dikany Malagasy
Amin’ny andro izay ny lelan’izy ireo sy ny tanan’izy ireo ary ny tongotr’izy ireo no hijoro vavolombelona hiampanga azy ireo amin’izay nataon’izy ireo.
🎧 Henoy

📜 Andininy 22-26 — An-Nur

22وَلَا يَأْتَلِ أُولُو الْفَضْلِ مِنكُمْ وَالسَّعَةِ أَن يُؤْتُوا أُولِي الْقُرْبَىٰ وَالْمَسَاكِينَ وَالْمُهَاجِرِينَ فِي سَبِيلِ اللَّهِ ۖ وَلْيَعْفُوا وَلْيَصْفَحُوا ۗ أَلَا تُحِبُّونَ أَن يَغْفِرَ اللَّهُ لَكُمْ ۗ وَاللَّهُ غَفُورٌ رَّحِيمٌ
Ary aoka ireo manan-karena sy manan-katao eo aminareo mba tsy hianiana ny tsy hanao fanomezana intsony amin’ny havana akaiky, amin’ireo mahantra, sy amin’ireo mpifindra-monina amin’ny lalan’I Allah. Ary aoka izy ireo hamela heloka sy handefitra ! Moa ve tsy tianareo ny hamelan’I Allah ny helokareo ? Ary Allah no tena Mpamela heloka sy be Famindram-po.
23إِنَّ الَّذِينَ يَرْمُونَ الْمُحْصَنَاتِ الْغَافِلَاتِ الْمُؤْمِنَاتِ لُعِنُوا فِي الدُّنْيَا وَالْآخِرَةِ وَلَهُمْ عَذَابٌ عَظِيمٌ
Tena marina fa, ireo izay manendrikendrika ireo vehivavy tsara fitondran-tena, maotina (tsy manana eritreritra hanao fijangajangana) ary mpino, dia voaozona izy ireo eto an-tany sy any ankoatra. Ary ho azy ireo ny famaizana goavana.
24يَوْمَ تَشْهَدُ عَلَيْهِمْ أَلْسِنَتُهُمْ وَأَيْدِيهِمْ وَأَرْجُلُهُم بِمَا كَانُوا يَعْمَلُونَ
Amin’ny andro izay ny lelan’izy ireo sy ny tanan’izy ireo ary ny tongotr’izy ireo no hijoro vavolombelona hiampanga azy ireo amin’izay nataon’izy ireo.
25يَوْمَئِذٍ يُوَفِّيهِمُ اللَّهُ دِينَهُمُ الْحَقَّ وَيَعْلَمُونَ أَنَّ اللَّهَ هُوَ الْحَقُّ الْمُبِينُ
Amin’izany andro izany, Allah dia hanome azy ireo feno ny valin-kasasarany marina ary ho fantatr’izy ireo fa Allah no Ilay tena Marina miharihary.
26الْخَبِيثَاتُ لِلْخَبِيثِينَ وَالْخَبِيثُونَ لِلْخَبِيثَاتِ ۖ وَالطَّيِّبَاتُ لِلطَّيِّبِينَ وَالطَّيِّبُونَ لِلطَّيِّبَاتِ ۚ أُولَٰئِكَ مُبَرَّءُونَ مِمَّا يَقُولُونَ ۖ لَهُم مَّغْفِرَةٌ وَرِزْقٌ كَرِيمٌ
Ireo vehivavy ratsy fitondran-tena dia ho an’ireo lehilahy ratsy fitondran-tena, ary ireo lehilahy ratsy fitondran-tena dia ho an’ireo vehivavy ratsy fitondran-tena. Ary ireo vehivavy tsara fitondran-tena dia ho an’ireo lehilahy tsara fitondran-tena, ary ireo lehilahy tsara fitondran-tena dia ho an’ireo vehivavy tsara fitondran-tena. Izy ireny dia tsy manan-tsiny amin’izay tenenin’ny sasany. Ho azy ireo ny famelan-keloka sy ny anjaram-pahasoavana mendrika.
An-NurFizahan-takila Koraña
64Andininy
MedinanRevelation
24Andininy

Fandikana — An-Nur 24

Surah An-Nur Andininy 24 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Amin’ny andro izay ny lelan’izy ireo sy ny tanan’izy ireo…

Surah Andininy 24/64 — An-Nur النور (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: An-Nur Henoy, An-Nur Fandikana, An-Nur mp3, An-Nur pdf. Andininy 22–26. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers