An-Nur · 23/64
Fandikana Fanononana — An-Nur
إِنَّ الَّذِينَ يَرْمُونَ الْمُحْصَنَاتِ الْغَافِلَاتِ الْمُؤْمِنَاتِ لُعِنُوا فِي الدُّنْيَا وَالْآخِرَةِ وَلَهُمْ عَذَابٌ عَظِيمٌ ۝٢٣
Innal lazeena yarmoonal muhsanaatil ghaafilaatil mu`minaati lu`inoo fid dunyaa wal Aakhirati wa lahum `azaabun `azeem
📖 Dikany Malagasy
Tena marina fa, ireo izay manendrikendrika ireo vehivavy tsara fitondran-tena, maotina (tsy manana eritreritra hanao fijangajangana) ary mpino, dia voaozona izy ireo eto an-tany sy any ankoatra. Ary ho azy ireo ny famaizana goavana.

🎧 Henoy


📜 Andininy 21-25 — An-Nur

21۞ يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا لَا تَتَّبِعُوا خُطُوَاتِ الشَّيْطَانِ ۚ وَمَن يَتَّبِعْ خُطُوَاتِ الشَّيْطَانِ فَإِنَّهُ يَأْمُرُ بِالْفَحْشَاءِ وَالْمُنكَرِ ۚ وَلَوْلَا فَضْلُ اللَّهِ عَلَيْكُمْ وَرَحْمَتُهُ مَا زَكَىٰ مِنكُم مِّنْ أَحَدٍ أَبَدًا وَلَٰكِنَّ اللَّهَ يُزَكِّي مَن يَشَاءُ ۗ وَاللَّهُ سَمِيعٌ عَلِيمٌ
Ô ianareo izay mino ! Aza manaraka ireo dian’ny satana ianareo. Ary n’iza n’iza manaraka ireo dian’ny satana, (fantaro fa) izy tokoa no mibaiko ho amin’ny fahavetavetana sy ny faharatsiana. Ary raha tsy noho ny fahasoavan’I Allah teo aminareo sy ny famindram-pony, dia tsy nisy nadio na dia iray aza taminareo. Kanefa Allah no manadio izay sitrany. Ary Allah dia tena Maheno sy tena Mahalala.
22وَلَا يَأْتَلِ أُولُو الْفَضْلِ مِنكُمْ وَالسَّعَةِ أَن يُؤْتُوا أُولِي الْقُرْبَىٰ وَالْمَسَاكِينَ وَالْمُهَاجِرِينَ فِي سَبِيلِ اللَّهِ ۖ وَلْيَعْفُوا وَلْيَصْفَحُوا ۗ أَلَا تُحِبُّونَ أَن يَغْفِرَ اللَّهُ لَكُمْ ۗ وَاللَّهُ غَفُورٌ رَّحِيمٌ
Ary aoka ireo manan-karena sy manan-katao eo aminareo mba tsy hianiana ny tsy hanao fanomezana intsony amin’ny havana akaiky, amin’ireo mahantra, sy amin’ireo mpifindra-monina amin’ny lalan’I Allah. Ary aoka izy ireo hamela heloka sy handefitra ! Moa ve tsy tianareo ny hamelan’I Allah ny helokareo ? Ary Allah no tena Mpamela heloka sy be Famindram-po.
23إِنَّ الَّذِينَ يَرْمُونَ الْمُحْصَنَاتِ الْغَافِلَاتِ الْمُؤْمِنَاتِ لُعِنُوا فِي الدُّنْيَا وَالْآخِرَةِ وَلَهُمْ عَذَابٌ عَظِيمٌ
Tena marina fa, ireo izay manendrikendrika ireo vehivavy tsara fitondran-tena, maotina (tsy manana eritreritra hanao fijangajangana) ary mpino, dia voaozona izy ireo eto an-tany sy any ankoatra. Ary ho azy ireo ny famaizana goavana.
24يَوْمَ تَشْهَدُ عَلَيْهِمْ أَلْسِنَتُهُمْ وَأَيْدِيهِمْ وَأَرْجُلُهُم بِمَا كَانُوا يَعْمَلُونَ
Amin’ny andro izay ny lelan’izy ireo sy ny tanan’izy ireo ary ny tongotr’izy ireo no hijoro vavolombelona hiampanga azy ireo amin’izay nataon’izy ireo.
25يَوْمَئِذٍ يُوَفِّيهِمُ اللَّهُ دِينَهُمُ الْحَقَّ وَيَعْلَمُونَ أَنَّ اللَّهَ هُوَ الْحَقُّ الْمُبِينُ
Amin’izany andro izany, Allah dia hanome azy ireo feno ny valin-kasasarany marina ary ho fantatr’izy ireo fa Allah no Ilay tena Marina miharihary.
An-NurFizahan-takila Koraña
64Andininy
MedinanRevelation
23Andininy

Fandikana — An-Nur 23

Surah An-Nur Andininy 23 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Tena marina fa, ireo izay manendrikendrika ireo vehivavy tsara fitondran-tena,…

Surah Andininy 23/64 — An-Nur النور (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: An-Nur Henoy, An-Nur Fandikana, An-Nur mp3, An-Nur pdf. Andininy 21–25. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers