An-Nur · 38/64
Fandikana Fanononana — An-Nur
لِيَجْزِيَهُمُ اللَّهُ أَحْسَنَ مَا عَمِلُوا وَيَزِيدَهُم مِّن فَضْلِهِ ۗ وَاللَّهُ يَرْزُقُ مَن يَشَاءُ بِغَيْرِ حِسَابٍ ۝٣٨
Liyajziyahumul laahu ahsana maa `amiloo wa yazeedahum min fadlih; wal laahu yarzuqu mai yashaaa`u bighairi hisaab
📖 Dikany Malagasy
Mba hanomezan’I Allah azy ireo ny valisoa mendrika indrindra amin’izay (asa tsara) nataon’izy ireo, ary hampitomboany amin’izy ireo ny fahasoavany. Ary I Allah dia manome anjaram-pahasoavana (riziky) tsy tambo isaina ho an’izay sitrany.

🎧 Henoy


📜 Andininy 36-40 — An-Nur

36فِي بُيُوتٍ أَذِنَ اللَّهُ أَن تُرْفَعَ وَيُذْكَرَ فِيهَا اسْمُهُ يُسَبِّحُ لَهُ فِيهَا بِالْغُدُوِّ وَالْآصَالِ
Ao anatin’ireo trano (Masjid) izay nanomezan’i Tompo Allah alalana mba hajoro avo dia avo sy ho tsarovina ao anatin'ny Anarany.Mankalaza ny voninahiny vao maraina sy hariva,
37رِجَالٌ لَّا تُلْهِيهِمْ تِجَارَةٌ وَلَا بَيْعٌ عَن ذِكْرِ اللَّهِ وَإِقَامِ الصَّلَاةِ وَإِيتَاءِ الزَّكَاةِ ۙ يَخَافُونَ يَوْمًا تَتَقَلَّبُ فِيهِ الْقُلُوبُ وَالْأَبْصَارُ
Ireo lehilahy izay tsy mahavariana azy ireo, na ny varotra na ny fifanakalozana, ny amin’ny fahatsiarovana an’I Allah sy ny fananganana ny soalat (vavaka), ary ny fanomezana ny zakat (harena fiantrana). Matahotra izy ireo ny amin’ny andro iray izay hivadibadihan’ny fo sy ny fijery.
38لِيَجْزِيَهُمُ اللَّهُ أَحْسَنَ مَا عَمِلُوا وَيَزِيدَهُم مِّن فَضْلِهِ ۗ وَاللَّهُ يَرْزُقُ مَن يَشَاءُ بِغَيْرِ حِسَابٍ
Mba hanomezan’I Allah azy ireo ny valisoa mendrika indrindra amin’izay (asa tsara) nataon’izy ireo, ary hampitomboany amin’izy ireo ny fahasoavany. Ary I Allah dia manome anjaram-pahasoavana (riziky) tsy tambo isaina ho an’izay sitrany.
39وَالَّذِينَ كَفَرُوا أَعْمَالُهُمْ كَسَرَابٍ بِقِيعَةٍ يَحْسَبُهُ الظَّمْآنُ مَاءً حَتَّىٰ إِذَا جَاءَهُ لَمْ يَجِدْهُ شَيْئًا وَوَجَدَ اللَّهَ عِندَهُ فَوَفَّاهُ حِسَابَهُ ۗ وَاللَّهُ سَرِيعُ الْحِسَابِ
Ary ireo izay tsy mino kosa, ny asan’izy ireo dia tahaka ny rendrarendra (mamita-maso) amin’ny tany karakaina izay heverin’ny olona mangetaheta ho rano, kanefa raha tonga eo izy dia tsy mahita na inona na inona, fa Allah kosa no eo anatrehany, izay hanome azy tanteraka ny valin’asany, ary Allah dia haingam-panisa.
40أَوْ كَظُلُمَاتٍ فِي بَحْرٍ لُّجِّيٍّ يَغْشَاهُ مَوْجٌ مِّن فَوْقِهِ مَوْجٌ مِّن فَوْقِهِ سَحَابٌ ۚ ظُلُمَاتٌ بَعْضُهَا فَوْقَ بَعْضٍ إِذَا أَخْرَجَ يَدَهُ لَمْ يَكَدْ يَرَاهَا ۗ وَمَن لَّمْ يَجْعَلِ اللَّهُ لَهُ نُورًا فَمَا لَهُ مِن نُّورٍ
Na koa tahaka ny haizim-be ao anatin’ny ranomasina lalina, mandrakotra azy ny onja maro, izay miavovona eo ambonin'ny onja (hafa), izay rakotry ny rahona eo amboniny. Haizina mifanaingina, ny sasany ambonin’ny sasany, raha havoakany ny tanany dia mila tsy ho tazany izany. Ary izay tsy nomen’I Allah hazavana dia tsy hanana hazavana mihitsy.
An-NurFizahan-takila Koraña
64Andininy
MedinanRevelation
38Andininy

Fandikana — An-Nur 38

Surah An-Nur Andininy 38 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Mba hanomezan’I Allah azy ireo ny valisoa mendrika indrindra amin’izay…

Surah Andininy 38/64 — An-Nur النور (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: An-Nur Henoy, An-Nur Fandikana, An-Nur mp3, An-Nur pdf. Andininy 36–40. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers