Al-Qasas · 79/88
Fandikana Fanononana — Al-Qasas
فَخَرَجَ عَلَىٰ قَوْمِهِ فِي زِينَتِهِ ۖ قَالَ الَّذِينَ يُرِيدُونَ الْحَيَاةَ الدُّنْيَا يَا لَيْتَ لَنَا مِثْلَ مَا أُوتِيَ قَارُونُ إِنَّهُ لَذُو حَظٍّ عَظِيمٍ ۝٧٩
Fakharaja `alaa qawmihee fee zeenatih; qaalal lazeena yureedoonal hayaatad dunyaa yaalaita lanaa misla maaa ootiya Qaaroonu innahoo lazoo hazzin `azeem
📖 Dikany Malagasy
Ka nivoaka teo anatrehan’ny vahoakany izy miaraka amin’ny haingony rehetra. Nilaza ireo izay tia ny fiainana eto an-tany nanao hoe : “Indrisy ! Raha mba nanana mitovy amin’izay nomena an’i Karona izahay. Izy dia tena nanana harena nampitolagaga”.
🎧 Henoy

📜 Andininy 77-81 — Al-Qasas

77وَابْتَغِ فِيمَا آتَاكَ اللَّهُ الدَّارَ الْآخِرَةَ ۖ وَلَا تَنسَ نَصِيبَكَ مِنَ الدُّنْيَا ۖ وَأَحْسِن كَمَا أَحْسَنَ اللَّهُ إِلَيْكَ ۖ وَلَا تَبْغِ الْفَسَادَ فِي الْأَرْضِ ۖ إِنَّ اللَّهَ لَا يُحِبُّ الْمُفْسِدِينَ
Ary tadiavo amin’ny alalan’izay nomen’I Allah anao, ny fonenana any ankoatra. Ary aoka ianao tsy hanadino ny anjaranao eto an-tany. Ary manaova ny tsara tahaka ny nanaovan’I Allah ny tsara teo aminao ianao. Ary aza mitady hanao fanimbana ety ambonin’ny tany ianao. Tena marina fa Allah dia tsy tia ireo mpanao asa fanimbàna”.
78قَالَ إِنَّمَا أُوتِيتُهُ عَلَىٰ عِلْمٍ عِندِي ۚ أَوَلَمْ يَعْلَمْ أَنَّ اللَّهَ قَدْ أَهْلَكَ مِن قَبْلِهِ مِنَ الْقُرُونِ مَنْ هُوَ أَشَدُّ مِنْهُ قُوَّةً وَأَكْثَرُ جَمْعًا ۚ وَلَا يُسْأَلُ عَن ذُنُوبِهِمُ الْمُجْرِمُونَ
Nilaza izy nanao hoe : “Tena marina fa nomena ahy izao, nohon'ny fahalalana izay ananako”. Moa ve tsy fantany fa Allah dia efa nandringana taranaka maro teo alohany, izay matanjaka mihoatra azy amin’ny herim-batana sy manana harena mihoatra ny azy ? Ary tsy hanontaniana ireo mpanao heloka be vava momba ny fahotan’izy ireo.
79فَخَرَجَ عَلَىٰ قَوْمِهِ فِي زِينَتِهِ ۖ قَالَ الَّذِينَ يُرِيدُونَ الْحَيَاةَ الدُّنْيَا يَا لَيْتَ لَنَا مِثْلَ مَا أُوتِيَ قَارُونُ إِنَّهُ لَذُو حَظٍّ عَظِيمٍ
Ka nivoaka teo anatrehan’ny vahoakany izy miaraka amin’ny haingony rehetra. Nilaza ireo izay tia ny fiainana eto an-tany nanao hoe : “Indrisy ! Raha mba nanana mitovy amin’izay nomena an’i Karona izahay. Izy dia tena nanana harena nampitolagaga”.
80وَقَالَ الَّذِينَ أُوتُوا الْعِلْمَ وَيْلَكُمْ ثَوَابُ اللَّهِ خَيْرٌ لِّمَنْ آمَنَ وَعَمِلَ صَالِحًا وَلَا يُلَقَّاهَا إِلَّا الصَّابِرُونَ
Ary nilaza ireo izay nomena fahalalana nanao hoe : “Loza ho anareo ! Ny valisoan’I Allah no tena mendrika ho an’izay mino sy manao ny asa soa” Nefa tsy ahazo izany afa-tsy ireo manam-paharetana.
81فَخَسَفْنَا بِهِ وَبِدَارِهِ الْأَرْضَ فَمَا كَانَ لَهُ مِن فِئَةٍ يَنصُرُونَهُ مِن دُونِ اللَّهِ وَمَا كَانَ مِنَ الْمُنتَصِرِينَ
Ka nataonay nitelina azy àry ny tany, izy sy ny tranony. Ary tsy nisy vondron’olona na dia iray aza, ankoatr’I Allah, no afaka nanavotra azy, ary tsy anisan’ireo afaka nanavotra ny tenany izy.
Al-QasasFizahan-takila Koraña
88Andininy
MeccanRevelation
79Andininy

Fandikana — Al-Qasas 79

Surah Al-Qasas Andininy 79 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ka nivoaka teo anatrehan’ny vahoakany izy miaraka amin’ny haingony rehetra.…

Surah Andininy 79/88 — Al-Qasas القصص (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Qasas Henoy, Al-Qasas Fandikana, Al-Qasas mp3, Al-Qasas pdf. Andininy 77–81. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers