Iloaran'i Imrana · 74/200
Fandikana Fanononana — Iloaran'i Imrana
يَخْتَصُّ بِرَحْمَتِهِ مَن يَشَاءُ ۗ وَاللَّهُ ذُو الْفَضْلِ الْعَظِيمِ ۝٧٤
Yakhtassu birahmatihee mai yashaaa`; wallaahu zulfadil `azeem
📖 Dikany Malagasy
Manokana ny indrafony amin’izay sitrany Izy. Ary i Allah dia Tompon’ny fahasoavana lehibe.
🎧 Henoy

📜 Andininy 72-76 — Iloaran'i Imrana

72وَقَالَت طَّائِفَةٌ مِّنْ أَهْلِ الْكِتَابِ آمِنُوا بِالَّذِي أُنزِلَ عَلَى الَّذِينَ آمَنُوا وَجْهَ النَّهَارِ وَاكْفُرُوا آخِرَهُ لَعَلَّهُمْ يَرْجِعُونَ
Ary niteny ny andiany iray tamin’ireo Olon’ny Boky ka nanao hoe :” Minoa Ianareo amin'izay nampidinina tamin’ireo nino, amin’ny fiandohan’ny maraina, fa mitsipaha izany kosa amin’ny hariva, angamba hiverin-dàlana izy ireo.
73وَلَا تُؤْمِنُوا إِلَّا لِمَن تَبِعَ دِينَكُمْ قُلْ إِنَّ الْهُدَىٰ هُدَى اللَّهِ أَن يُؤْتَىٰ أَحَدٌ مِّثْلَ مَا أُوتِيتُمْ أَوْ يُحَاجُّوكُمْ عِندَ رَبِّكُمْ ۗ قُلْ إِنَّ الْفَضْلَ بِيَدِ اللَّهِ يُؤْتِيهِ مَن يَشَاءُ ۗ وَاللَّهُ وَاسِعٌ عَلِيمٌ
Aza hinoanareo raha tsy olona izay nanaraka ny Finoanareo…”. Lazao azy ireo: “Fa ny tena tari-dàlana marina, dia ny tari-dàlan’Allah”. Tsy misy na iray aza nahazo mitovy amin’izay nomena anareo, na koa hifanditra aminareo eo anatrehan’ny Tompo Zanaharinareo. Lazao azy ireo hoe : “Fa ny fahasoavana, dia eo am-pelatànan’Allah. Izy no manome izany amin’ny olona ankasitrahiny. Fa Malalatànana Allaha, ary Izy no Mahalala ny zavatra rehetra.
74يَخْتَصُّ بِرَحْمَتِهِ مَن يَشَاءُ ۗ وَاللَّهُ ذُو الْفَضْلِ الْعَظِيمِ
Manokana ny indrafony amin’izay sitrany Izy. Ary i Allah dia Tompon’ny fahasoavana lehibe.
75۞ وَمِنْ أَهْلِ الْكِتَابِ مَنْ إِن تَأْمَنْهُ بِقِنطَارٍ يُؤَدِّهِ إِلَيْكَ وَمِنْهُم مَّنْ إِن تَأْمَنْهُ بِدِينَارٍ لَّا يُؤَدِّهِ إِلَيْكَ إِلَّا مَا دُمْتَ عَلَيْهِ قَائِمًا ۗ ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمْ قَالُوا لَيْسَ عَلَيْنَا فِي الْأُمِّيِّينَ سَبِيلٌ وَيَقُولُونَ عَلَى اللَّهِ الْكَذِبَ وَهُمْ يَعْلَمُونَ
Ary misy amin’ireny olon’ny boky ireny, raha ametrahanao fitokiana amin’ny singam-bolamena arivo dia mamerina izany araka ny tokony ho izy aminao. Kanefa, misy amin’izy ireny ihany koa raha ametrahanao fitokiana amina dinary iray, dia tsy mamerina izany aminao raha tsy mitsangana manenjika azy ianao. Satria izy ireny no nilaza: “Tsy manandraharaha ny amin’ireo tsy mahay na inona na inona izahay”. Ary milaza lainga manohitra an’Allah izy ireny, kanefa dia mahalàla.
76بَلَىٰ مَنْ أَوْفَىٰ بِعَهْدِهِ وَاتَّقَىٰ فَإِنَّ اللَّهَ يُحِبُّ الْمُتَّقِينَ
Tsy izany anefa, fa na iza na iza nanatanteraka ny fifanekeny sy fatahorany an’i Allah…. Marina tokoa fa i Allah dia tia ireo manam-patahorana.
Iloaran'i ImranaFizahan-takila Koraña
200Andininy
MedinanRevelation
74Andininy

Fandikana — Iloaran'i Imrana 74

Surah Iloaran'i Imrana Andininy 74 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Manokana ny indrafony amin’izay sitrany Izy. Ary i Allah dia…

Surah Andininy 74/200 — Iloaran'i Imrana آل عمران (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Iloaran'i Imrana Henoy, Iloaran'i Imrana Fandikana, Iloaran'i Imrana mp3, Iloaran'i Imrana pdf. Andininy 72–76. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers