Al-Maidah · 113/120
Fandikana Fanononana — Al-Maidah
قَالُوا نُرِيدُ أَن نَّأْكُلَ مِنْهَا وَتَطْمَئِنَّ قُلُوبُنَا وَنَعْلَمَ أَن قَدْ صَدَقْتَنَا وَنَكُونَ عَلَيْهَا مِنَ الشَّاهِدِينَ ۝١١٣
Qaaloo nureedu an naakula minhaa wa tatam`inna quloo bunaa wa na`lama an qad sadaqtana wa nakoona `alaihaa minash shaahideen
📖 Dikany Malagasy
Niteny izy ireo nanao hoe : “Maniry ny mba hihinana amin’izany izahay sy mba hampitony ny fonay ary mba ahalalanay fa tena milaza ny marina aminay tokoa ianao, ary mba ho anisan’ny vavolombelona amin’izany izahay.
🎧 Henoy

📜 Andininy 111-115 — Al-Maidah

111وَإِذْ أَوْحَيْتُ إِلَى الْحَوَارِيِّينَ أَنْ آمِنُوا بِي وَبِرَسُولِي قَالُوا آمَنَّا وَاشْهَدْ بِأَنَّنَا مُسْلِمُونَ
Ary tsarovy raha nilaza tamin’ireo Apostoly Aho nanao hoe : “Minoa Ahy sy ny Irako ianareo”, dia niteny izy ireo nanao hoe : “Mino izahay; ary aoka ianao ho vavolombelona fa izahay dia mpankato an'IAllah”.
112إِذْ قَالَ الْحَوَارِيُّونَ يَا عِيسَى ابْنَ مَرْيَمَ هَلْ يَسْتَطِيعُ رَبُّكَ أَن يُنَزِّلَ عَلَيْنَا مَائِدَةً مِّنَ السَّمَاءِ ۖ قَالَ اتَّقُوا اللَّهَ إِن كُنتُم مُّؤْمِنِينَ
Raha niteny ireo Apostoly nanao hoe :“Oh ry Jesoa zanak’i Maria ! Moa ve afaka mampidina aminay latabatra feno sakafo avy any an-danitra ve ny Tomponao ?” Niteny Izy nanao hoe : “Matahora an'I Allah ianareo raha mpino marina”.
113قَالُوا نُرِيدُ أَن نَّأْكُلَ مِنْهَا وَتَطْمَئِنَّ قُلُوبُنَا وَنَعْلَمَ أَن قَدْ صَدَقْتَنَا وَنَكُونَ عَلَيْهَا مِنَ الشَّاهِدِينَ
Niteny izy ireo nanao hoe : “Maniry ny mba hihinana amin’izany izahay sy mba hampitony ny fonay ary mba ahalalanay fa tena milaza ny marina aminay tokoa ianao, ary mba ho anisan’ny vavolombelona amin’izany izahay.
114قَالَ عِيسَى ابْنُ مَرْيَمَ اللَّهُمَّ رَبَّنَا أَنزِلْ عَلَيْنَا مَائِدَةً مِّنَ السَّمَاءِ تَكُونُ لَنَا عِيدًا لِّأَوَّلِنَا وَآخِرِنَا وَآيَةً مِّنكَ ۖ وَارْزُقْنَا وَأَنتَ خَيْرُ الرَّازِقِينَ
Niteny i Jesoa zanak’i Maria nanao hoe : “Oh ry Allah Tomponay ! Ampidino aminay ny latabatra feno sakafo avy any an-danitra mba ho fety ho anay, ka ho an’ny voalohany aminay sy ho an’ny farany, ary ho fanambarana avy Aminao. Ary omeo anjara sakafo izahay, fa Ianao no mendrika indrindra amin’ireo mpanome anjara”.
115قَالَ اللَّهُ إِنِّي مُنَزِّلُهَا عَلَيْكُمْ ۖ فَمَن يَكْفُرْ بَعْدُ مِنكُمْ فَإِنِّي أُعَذِّبُهُ عَذَابًا لَّا أُعَذِّبُهُ أَحَدًا مِّنَ الْعَالَمِينَ
Niteny I Allah nanao hoe : “Tena marina fa Izaho dia hampidina izany aminareo, fa izay tsy mino aminareo aorian’izany, Izaho dia tena hanasazy azy amin’ny sazy izay tsy hanasaziako an’iza na iza amin’izao tontolo izao”.
Al-MaidahFizahan-takila Koraña
120Andininy
MedinanRevelation
113Andininy

Fandikana — Al-Maidah 113

Surah Al-Maidah Andininy 113 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Niteny izy ireo nanao hoe : “Maniry ny mba hihinana…

Surah Andininy 113/120 — Al-Maidah المائدة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Maidah Henoy, Al-Maidah Fandikana, Al-Maidah mp3, Al-Maidah pdf. Andininy 111–115. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers