Al-An'am · 40/165
Fandikana Fanononana — Surah Al-An'am
قُلْ أَرَأَيْتَكُمْ إِنْ أَتَاكُمْ عَذَابُ اللَّهِ أَوْ أَتَتْكُمُ السَّاعَةُ أَغَيْرَ اللَّهِ تَدْعُونَ إِن كُنتُمْ صَادِقِينَ ۝٤٠
Qaul ara`aytakum in ataakum `azaabul laahi aw atatkumus Saa`atu a-ghairal laahi tad`oona in kuntum saadiqeen
📖 Dikany Malagasy
Teneno hoe : “Ahoana no ataonareo raha tonga aminareo ny famaizan’I Allah, na koa tonga aminareo ilay Ora farany? Moa ve hiantso voanjy ankoatr’I Allah raha toa ka marina ny anareo ?”.

🎧 Henoy


📜 Andininy 38-42 — Surah Al-An'am

38وَمَا مِن دَابَّةٍ فِي الْأَرْضِ وَلَا طَائِرٍ يَطِيرُ بِجَنَاحَيْهِ إِلَّا أُمَمٌ أَمْثَالُكُم ۚ مَّا فَرَّطْنَا فِي الْكِتَابِ مِن شَيْءٍ ۚ ثُمَّ إِلَىٰ رَبِّهِمْ يُحْشَرُونَ
Ary tsy misy biby mandeha eto ambonin’ny tany na vorona manidina amin’ny elany roa, ka tsy manana fiaraha-monina tahaka anareo. Tsy misy zavatra nataonay tsirambina ao anaty Boky na dia kely aza, avy eo any amin’ny Tompon’izy ireo no hamoriana azy ireo.
39وَالَّذِينَ كَذَّبُوا بِآيَاتِنَا صُمٌّ وَبُكْمٌ فِي الظُّلُمَاتِ ۗ مَن يَشَإِ اللَّهُ يُضْلِلْهُ وَمَن يَشَأْ يَجْعَلْهُ عَلَىٰ صِرَاطٍ مُّسْتَقِيمٍ
Ary ireo izay nilaza fa lainga ireo fanambaranay dia marenina sy moana ao anatin'ny haizim-pito. Izay sitrak’I Allah dia ho vereziny ary koa izay sitrany dia tantaniny amin’ny lala-mahitsy.
40قُلْ أَرَأَيْتَكُمْ إِنْ أَتَاكُمْ عَذَابُ اللَّهِ أَوْ أَتَتْكُمُ السَّاعَةُ أَغَيْرَ اللَّهِ تَدْعُونَ إِن كُنتُمْ صَادِقِينَ
Teneno hoe : “Ahoana no ataonareo raha tonga aminareo ny famaizan’I Allah, na koa tonga aminareo ilay Ora farany? Moa ve hiantso voanjy ankoatr’I Allah raha toa ka marina ny anareo ?”.
41بَلْ إِيَّاهُ تَدْعُونَ فَيَكْشِفُ مَا تَدْعُونَ إِلَيْهِ إِن شَاءَ وَتَنسَوْنَ مَا تُشْرِكُونَ
Tsia ! Izy irery ihany no antsoinareo ka hampisava izay antony niantsoanareo Azy,ary hanadino izay nakambanareo Taminy ianareo.
42وَلَقَدْ أَرْسَلْنَا إِلَىٰ أُمَمٍ مِّن قَبْلِكَ فَأَخَذْنَاهُم بِالْبَأْسَاءِ وَالضَّرَّاءِ لَعَلَّهُمْ يَتَضَرَّعُونَ
Ary efa nandefa ireo Iraka tamin’ny vahoaka maro teo alohanao Izahay, ka notsapainay izy ireo tamin’ny alalan’ny fahoriana sy ny aretina, angamba hanetri-tena izy ireo.
Al-An'amFizahan-takila Koraña
165Andininy
MeccanRevelation
40Andininy

Fandikana — Al-An'am 40

Surah Al-An'am Andininy 40 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Teneno hoe : “Ahoana no ataonareo raha tonga aminareo ny…

Surah Andininy 40/165 — Surah Al-An'am الأنعام (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah Al-An'am Henoy, Surah Al-An'am Fandikana, Surah Al-An'am mp3, Surah Al-An'am pdf. Andininy 38–42. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers